Isaià

Toko faha-7

1 Tamin'ny andro nanjakan'i Ahaza, zanakalahin'i Jotama sady zafikelin'i Hozia mpanjakan'i Joda, dia niakatra i Retsina mpanjakan'i Siria sy i Peka, zanakalahin'i Remalia sady mpanjakan'i Israely, mba hanafika an'i Jerosalema, kinanjo tsy nahazo azy.

2 Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak'i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraima ny Sirianina. Koa taitra ny fon'ny mpanjaka sy ny an'ny vahoakany, tahaka ny hazo any an'ala rehefa tsofin'ny rivotra.

3 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Isaia: -Mivoaha ny trano ianao mba hitsena an'i Ahaza, dia ianao sy i Seara-Jasoba zanakao lahy, fa efa mby amin'ny lakandrano ambony izy, eo amin'izay lalana mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba.

4 Ary lazao aminy hoe: "Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran'i Retsina avy any Siria sy ny fahatezeran'ny zanakalahin'i Remalia, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo.

5 Ny Sirianina ary i Peka sy ny Efraimita dia efa niray tetika tokoa hanisy ratsy anao ka nanao hoe:

6 Andeha isika hiakatra hamely an'i Joda mba hampitahotra azy, ka hoterentsika hanaraka antsika izy; dia ilay zanakalahin'i Tabeela no hatsangantsika hanjaka ao aminy.

7 Izao kosa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY:" Tsy ho tanteraka sady tsy hisy izany

8 I Damasy manko no renivohitr'i Siria, ary ao ihany i Retsina no filoha;

9 i Samaria no renivohitr'i Efraima, ary ao ihany i Peka no filoha. I Efraima, ao anatin'ny 65 taona, dia tsy ho vanon-ko firenena intsony."Kanefa raha tsy ny TOMPO noitokianareo, dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo."

10 Dia mbola nanafatra an'i Ahaza ny TOMPO ka nanao hoe:

11 -Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin'izay fanambanin'ny toeran'ny maty izany na eny an-danitra ambony eny.

12 Fa novalian'i Ahaza hoe:-Tsia, tsy hangataka na inona na inona aho fa tsy te haka fanahy ny TOMPO.

13 Dia hoy i Isaia taminy: -Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak'i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an'Andriamanitra koa ianareo?

14 Noho izany ary, dia ny TOMPO mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe "Andriamanitra miaraka amintsika."

15 Ronono mandry sy tantely no ho sakafony ambara-pahalalany manda ny ratsy sy mifidy ny tsara.

16 Fa raha tsy mbola mahalala handa ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan'ny mponina ny tanin'ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.

17 Kanefa hataon'ny TOMPO tonga aminao sy ny vahoakanao ary ny taranakao ny toe-javatra izay tsy mbola nisy hatramin'ny andro nisarahan'iJoda tamin'ny fanjakan'i Israely ka hatramin'izao, dia ny hanafihan'ny mpanjakan'i Asiria izany.

18 Amin'izany andro izany ny TOMPO dia hisioka hiantso ny lalitra izay any amin'ny vinany misampana iafaran'ilay onin'i Ejipta; ary hisioka koa Izy hiantsony renitantely izay any Asiria.

19 Dia indray ho avy ireny ka hipetraka eny an-tevana kisolasola sy eny an-tsefatsefa-bato ary koa eny amin'ny kirihitra rehetra eny sy eny amin'ny toerana rehetra fampisotroam-biby.

20 Amin'izany andro izany ny TOMPO dia hanofa hareza avy eny am-pitan'i Eofrata: filazana ny mpanjakan'i Asiria izany; ka ho voaharatra avokoa ny lohanareo rehetra sy ny volon-tongotrareo ary koa ny volom-bavanareo.

21 Amin'izany andro izany koa ny isam-batan'olona dia samy hiompy ombivavy iray sy osivavy roa;

22 ka noho ny habetsahan'ny ronono avy aminy dia ronono mandry no hohanin'ny olona fa rononomandry sy tantely no ho foto-tsakafo ho an'izay rehetra sisa tavela eto amin'ny tany.

23 Amin'izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina sekela volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.

24 Koa ho tonga hihaza ao ny olona miaraka amin'ny tsipika sy ny zana-tsipika. Izany tany manontolo izany tokoa dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.

25 Ary ny amin'ireo havoana izay novolena tamin'ny lapika dia tsy ho azo aleha intsony noho ny tahotra ny tsilo sy ny songosongo, fa havela ho kijana fiandrasana omby sy ho tany firaofan'ny ondry aman'osy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584