Bena-Siràka

Toko 1 Ny fahendrena rehetra dia avy amin'ny TOMPO ary koa mitoetra miaraka aminy mandrakizay.
Toko 2 Anaka, raha miroso hanompo ny TOMPO ianao, dia omany amin'ny fizahan-toetra ny fanahinao.
Toko 3 Henoy, rey anaka, ny anatry ny rainareo ary ampiharo izany mba hamonjena anareo ;
Toko 4 Anaka, aza lavinao ny fiveloman'ny mahantra ary aza mampipitrapitra maso ny tsy manana ianao ;
Toko 5 Aza miantehitra amin'ny harenao ary aza manao hoe: "Ampy ahy izany!"
Toko 6 Aza mivadika ho fahavalon'ilay sakaizanao taloha, fa ny laza ratsy no mahamenatra sy mahafa-baraka: izany no ho anjaran'ny mpanota miroa lela.
Toko 7 Aza manao ratsy, dia tsy hiharan'ny ratsy ianao.
Toko 8 Aza mifanditra amin'olona manam-pahefana, fandrao ho latsaka eo am-pelatanany ianao.
Toko 9 Aza mba saro-piaro ny amin'ny vady lalainao, fandrao hianatra ny ho ratsy fihetsika aminao izy.
Toko 10 Ny mpifehy hendry dia hananatra ny vahoakany, ka hirindra ny fitondrany noho izy mahira-tsaina.
Toko 11 Ny fahendren'ny olona manetry tena no hahazoany mampitraka ny lohany ary koa hahafahany mipetrakaeo ampovoan'ireo lehibe.
Toko 12 Raha te hankasitrahina ianao amin'ny soa ataonao, dia mba fantaro izay olona anaovanao azy.
Toko 13 Izay mikasika godorao madity dia voaloto; ary izay mifanerasera amin'ny mpiavonavona dia zary hanahatahaka azy.
Toko 14 Sambatra ny olona tsy diso tamin'ny teniny, ary tsy ampahorin'ny nenina noho ny fahotany.
Toko 15 Izay manaja ny TOMPO no hanao toy izany; ary ny mpahay lalana no hahazo fahendrena.
Toko 16 Aza maniry zaza maro tsy mahasoa, ary aza ifalianao ny zanaka tsy tia vavaka.
Toko 17 Noarin'ny TOMPO tamin'ny tany ny olombelona ary asainy hiverina indray koa amin'ny tany.
Toko 18 Ilay velona mandrakizay no nahary ny zavatra rehetra tsy an-kanavaka.
Toko 19 Ny mpiasa midoroka tsy mba hanan-karena; izay tsy miraharaha ny fahalalana onony dia hitotongana miandalandalana.
Toko 20 Misy anatra tsy tandrifin'ny tokony hanaovana azy; ary misy fanginana izay maneho fahamalinana.
Toko 21 Anaka, raha nanota ianao, dia aza mamerina intsony; fa angataho famelana ny hadisoanao lasa.
Toko 22 Sahala amin'ny vato feno diky maloto ny kamo, ka akorain'ny besinimaro izy satria afa-baraka.
Toko 23 TOMPO o, Ray sady Mpiandraikitra ny fiainako Ianao; aoka aho tsy havelanao hanaraka ny fironan'ireo taovam-pitenenako ary aoka tsy havelanao hahalavo ahy ireo !
Toko 24 Hidera ny tenany ny Fahendrena ary hirehareha eo afovoan'i Israely vahoakany.
Toko 25 Misy zavatra telo izay tiako fatratra tokoa sady tsara eo imason'Andriamanitra sy ny olona; dia ny mpiray tampo mifankatia sy ny mpiara-monina mahay mihavana ary ny mpivady mahay mifanaraka.
Toko 26 Sambatra ny vadin'ny vehivavy tsara fanahy, ary hampitomboina roa heny ny andro iainany.
Toko 27 Maro no nanota mba hahazoana tombony; ary izay maniry hangoron-karena dia tsy te hahalala zavatra hafa.
Toko 28 Izay mamaly ratsy ny hafa dia hahita famaliana avy amin'ny Tompo, fa hosarotsarotiny tokoa Izy amin'ny fahotan'izany olona izany.
Toko 29 Izay mampisambotra amin'ny namany dia manao asa fiantrana; ary izay manohana azy amin'ny fanampiana dia mitandrina ny didin'Andriamanitra.
Toko 30 Izay tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy mba hifaliany aminy kosa any am-parany any.
Toko 31 Mampahia olona ny tsy fahitan-tory ateraky ny harena; ary manala torimaso rahateo koa ny fanahiana azy.
Toko 32 Raha voatendry hitarika ny fanasana ianao, dia aoka mba tsy hieboebo amin'izany fa ho tahaka ny anankiray amin'ny mpihinana ; karakarao aloha ny toeran'ireo, vao mipetraka ianao.
Toko 33 Izay manaja ny TOMPO dia tsy hisy ratsy hanjo azy; fa ho vonjeny hatrany izy isaka izay fitsapana mihatra.
Toko 34 Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain'ny olona tsy misaina; ary ny nofy no mampisidina ny ketrina.
Toko 35 Ny mitandrina ny Lalanan'Andriamanitra, dia mitovy amin'ny fanatitra marobe ;
Toko 36 Ry Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao o, amindrao fo izahay ka tsinjovy,
Toko 37 Olona isan-karazany no milaza hoe: "Izaho koa sakaizanao", kanefa misy ihany ny sakaiza izay anarany fotsiny ihany.
Toko 38 Omeo ny haja tandrify azy ny dokotera, satria ilainao izy sady noarin'ny Tompo koa.
Toko 39 Hafa noho izany kosa izay mampifantoka ny fony handinika ny lalanan'ilay Avo Indrindra ka mianatra ny fahendren'ntaolo rehetra ary manokana ny fotoana malalaka hieritreretana ny hafatr'ireo mpaminany.
Toko 40 Fahasahiranana goavana no voatendrin'Andriamanitra hianjady amin'ny olombelona tsy an-kanavaka, ary zioga mavesatra no manindry ireo taranak'i Adama, hatreo amin'ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny ka hatramin'ny andro hiverenany ao an-kibon'ny tany, dia ilay tany reny iombonan'ny miaina rehetra.
Toko 41 Ry fahafatesana o, akory ity hangidin'ny fahatsiarovana anao ho an'ny velona am-piadanana ao anatin'ny fananany, ho an'ny olona afaka ahiahy sy ambinina amin'ny zava-drehetra sady mbola matanjaka no manao izay mahafinaritra azy !
Toko 42 Ataovy henatra ny manao tati-bolana sy ny manambara tsiambaratelo. Dia ho henatra marim-pototra ny anao amin'izay ka hahazoanao sitraka amin'ny olona rehetra. Ireto zavatra ireto kosa dia aza ananan-kenatra ary aza ijeren-tavan'olona ka hanotanao:
Toko 43 Endrey ny habakabaka, ery ambony, fa madio mangatsakatsaka tokoa ; endrey ny endriky ny lanitra, rehefa tazana mamirapiratra!
Toko 44 Izao ary aoka isika hanao fiderana ny olo-malaza, dia ireo razambentsika araka ny fifandimbiasany.
Toko 45 izay nahazo sitraka tamin'ny besinimaro fa notiavin'Andriamanitra sy ny olombelona. Hisaorana an'Andriamanitra anie ny fahatsiarovana azy!
Toko 46 I Josoa, zanakalahin'i Nona, dia olona nahery an'ady sy nandimby an'i Mosesy tamin'ny maha mpaminany; koa, araka ny anarany, dia niseho ho lehibe izy tamin'ny famonjena an'ilay vahoaka voafidin'ny Tompo sy tamin'ny famaizana ireo fahavalo nanohitra azy mba hahatonga ny vahoaka Israely handray ny zarataniny.
Toko 47 Manaraka an'i Samoela, dia niseho i Natana mba ho mpaminany tamin'ny andron'i Davida.
Toko 48 Taorian'izany no nisehoan'i Elia, ilay mpaminany mirehidrehitra hoatra ny afo; nandoro tahaka ny harendrina ny teniny.
Toko 49 I Josia dia tsarovana tahaka ny zavatra mamerovero nataon'ny mpamboatra vovo-javamanitra nampifangaroina. Amin'ny olona rehetra, ny manonona anarana azy dia mamy tahaka ny tantely na koa mandrotsirotsy tahaka ny mozika amin'ny fanasana laroan-divay.
Toko 50 I Simona, zanakalahin'i Onia , no mpisorombe nanamboatra ny tranon'Andriamanitra fahavelony ary nanamafy ny tempoly tamin'ny androny.
Toko 51 Te hankalaza Anao aho, ry TOMPO Mpanjaka o, ary te hidera Anao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy ahy; eny, Ianao mihitsy no ankalazaiko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0434