Bena-Siràka
Toko faha-4
1 Anaka, aza lavinao ny fiveloman'ny mahantra ary aza mampipitrapitra maso ny tsy manana ianao ;2 aza mampahory aina ny noana ianao, ary aza mampangirifiry ny olona fadiranovana.
3 Aza vao mainka mampisafoaka ny fo mangirifiry ianao, ary aza mangataka andro rehefa hanome ho an'ny sahirana.
4 Aza atositosikao ny mpangataka ory, ary aza iambohoan-tava ny mahantra.
5 Aza iambohoanao fijery ny tsy manana, ary aza avela hisy antony hanozonany anao;
6 fa raha manozona anao amin'alahelom-po izy, dia ho henoin'ilay Mpahary azy ny fivavahany.
7 Ataovy mahafinaritra eo anivom-bahoaka ny toetranao, ary aoka ianao hiondrika eo anoloan'ny lehibe!
8 Manongilana sofina hihaino ny mahantra ianao; ary amin-kamorampo no amalio azy tenim-pihavanana.
9 Afaho tsy ho voatanan'ny mpampahory azy ny ampahorina; ary aza resin-kenamaso ianao rehefa mitsara.
10 Aoka ho toy ny ray amin'ny kamboty ianao, ary ho toy ny vady manohana ny renin'ireo; dia ho toy ny zanak'ilay Avo Indrindra ianao ary hotiaviny mihoatra ny fitiavan-dreninao anao.
11 Manandratra an'ireo zanany ny Fahendrena ary miahy an'izay mikatsaka azy.
12 Izay tia Fahendrena, tia fiainana; ary izay mifoha maraina hitady azy, ho heni-kafaliana.
13 Izay mitazona ny Fahendrena dia ny voninahitra no anjarany; ka ny toerana izay handehanany dia homban'ny Tompo fitahiana.
14 Izay manompo ny Fahendrena dia mivavaka amin'ilay Masina; ary tia izay tia fahendrena ny Tompo.
15 Izay mihaino ny Fahendrena, hitsara ara-drariny; ary izay mifikitra aminy, hiorim-ponenana feizay.
16 Izay matoky azy no hanana azy ho anjarany; ary ny taranany dia mbola hitazona izany.
17 Eo am-boalohany manko ny Fahendrena dia hiaraka aminy hitety lalan-tsarotra; avy eo izy hampiavy tahotra sy horohoro aminy ary hampijaly azy amin'ny fifehezany mandra-pahatongany azy ho mahatoky, ka amin'ny didiny no hisedrany azy;
18 rehefa izany, dia hiverina mivantana aminy indray Izy ka hampifaly azy sy hamboraka aminy ny zava-miafiny.
19 Raha mania kosa ilay olona, dia hilaozan'ny Fahendrena ary havelany ho eo am-pelatanan'ny fahaverezana.
20 Tandrovy izay mety, ary fadio ny ratsy; ary aza menatra ny amin'izany toetranao izany.
21 Misy manko henatra mitarika amin'ny fahotana, ary misy henatra ho voninahitra amam-pahasoavana.
22 Aza mihenjana loatra amin'ny tenanao, kanefa aza asiana henatra mahatonga ho solafaka.
23 Aza mihenahena amin'ny fotoana tokony hitenenana ,
24 satria amin'ny fiteninao no hahalalana ny fahendrenao, ary amin'ny fivolananao no hisehoan'ny fahaizanao.
25 Aza manohitohitra ny marina; noho ianao tsy ampy fahalalana no aoka hampangasihasy anao!
26 Aza menatra ny hiaiky heloka ianao, ary aza mihambo hanoha ny alehan'ny ony.
27 Aza mety manaiky olona adala, ary aza resin-kenamason'izay manampahefana.
28 Miadia hiaro ny marina mandra-pahafatinao, dia hiady hiaro anao ny Tompo Andriamanitra.
29 Aoka ianao tsy ho sahisahy miteny, kanefa kamo sy mitaredretra manao!
30 Aoka tsy ho toy ny liona ianao eo amin'ny ankohonanao, kanefa olona kanosa eo amin'ny mpanomponao!
31 Aoka ny tananao tsy hivelatra raha handray kanefa hikombona kosa rehefa hamerina.