Bena-Siràka
Toko faha-23
1 TOMPO o, Ray sady Mpiandraikitra ny fiainako Ianao; aoka aho tsy havelanao hanaraka ny fironan'ireo taovam-pitenenako ary aoka tsy havelanao hahalavo ahy ireo !2 Aoka ny fisainako hampiharanao karavasim-pamolahana ary aoka ny foko hampiharanao fifehezam-pahendrena, ka tsy hitsitsy ahy amin'ny hadalako Ianao ary tsy hamela ahy ho afa-poana ny fahotako !
3 Dia tsy hampiavosa ny hadisoako aho ary tsy hampitombo isa hatrany ny fahotako, ka ho afa-mijoro eo anoloan'ny mpanohitra ahy ary koa tsy hifalian'ilay fahavaloko.
4 TOMPO o, Ray sady Andriamanitry ny fiainako Ianao; aza avela hanana fijery tsy maotina aho
5 ary avilio hiala amiko ny fitsiriritan-dratsy;
6 tsy ho azon'ny filam-pijangajangana sy ny fanaranam-pahalotoana anie aho ary tsy havelanao hirona velively amin'ny fiontanam-po mamoafady !
7 Rey anaka, henoy ny fomba fifehezam-bava; izay mitandrina izany tsy mba ho voasingotra.
8 Ny mpanota no ho voafandriky ny teny ataony; eo koa no hahalavo ny mpaniratsira sy mpiavonavona.
9 Aoka ny vavanao tsy ho zarinao hanao fianianana, na koa hanonontonom-poana ny anaran'ilay Masina !
10 Toy ny mpanompo narahi-maso hatrany ka tsy maintsy hitondra diam-kapoka eo aminy, toy izany koa izay manao fianianana sy manonontonon-dava ny anaran'ilay Masina dia tsy hialam-pahotana na oviana na oviana.
11 Ny olona fatra-pianiana dia mampitombo hadisoana ka tsy hialan'ny karavasy hamaizana azy ao an-tranony. Raha mianiana tsy nahy izy, dia hianjeran'ny fahotany; raha mianina maivan-doha izy, dia manota roa heny; raha nianiana tsy marina izy, dia hiharam-panamelohana ary ho tototry ny famaizana mafy kosa ny ankohonany.
12 Misy fomba fiteny masiaka tahaka ny fahafatesana: tsy handrenesana izany anie eo amin'ny zaratanin'i Jakoba! Hofadin'ny olona tia vavaka manko izany rehetra izany ka tsy mba hihosinkosina amin'ireny fahotana ireny izy.
13 Aoka ny vavanao tsy ho zarinao amin'ny valavala ratsy fa mahatonga hanota amin'ny fiteny izany!
14 Tsarovy ny rainao sy ny reninao rehefa mitoetra eo amin'ny fivorian'ny lehibe ianao, fandrao tsy mahatsiaro tena ianao eo anoloany ka hoentin'ny fahazaranao hilaza hadalana; izay vao haniry ny tsy ho nateraka ianao sy hanozona ny andro nahaterahanao.
15 Ny olona zatra amin'ny fiteny tsy mendrikadia tsy laitra anarina velively amin'ny andro rehetra mbola hiainany.
16 Maro karazana ny lehilahy manavosa fahotana, fa misy karazany anankiray manokana mihantsy ny fahatezeran'Andriamanitra: dia ny lehilahy entanin'ny fanirian-dratsy izay mirehitra hoatra ny afo midedadeda ka tsy azo vonoina mandra-pahalefy azy; mitolo-batana amin'ny fahalotoana izy ireny ka tsy hijanona mihitsy mandra-pandoron'ny afo azy;
17 mamy avokoa ny vehivavy amin'ny lehilahy mpiliba ka tsy hahatofoka azy izany mandra-pahafatiny.
18 Ao koa ny lehilahy mpandao ny fandrian'izy mivady ka manao anakampo hoe: "Iza no hahita ahy? Ny haizina manarona ahy, ny rindrina manakona ahy; tsy misy olona mahatazana ahy, ka inona no ahiko? Ilay Avo Indrindra tsy hahatsiaro ny fahotako akory."
19 Ny mason'ny olombelona no atahorany; ary tsy fantany fa ny mason'ny Tompo dia mahiratra inarivonarivo noho ny masoandro ka voajeriny avokoa ny fomba fiainan'ny olombelona ary tazany hatrany amin'ny toerana faran'izay miafina.
20 Fantatry ny TOMPO izao rehetra izao talohan'ny nahariany azy mihitsy aza; ary mbola fantany hatrany ireny rehefa tontosa ny famitana azy.
21 Amin'ny fotoana tsy ampoiziny akory no hisamborana ny lehilahy toy izany, ka eny an-dalamben'ny tanana no hanafaizana azy.
22 Toy izany koa no hanjo ny vehivavy mpandao ny vadiny ka miteraka mpandova tamina lehilahy hafa:
23 voalohany, nandika ny Lalanan'ny Avo Indrindra izy; manaraka izany, meloka tamin'ny vadiny koa ravehivavy; fahatelo, nanao toetra maharikoriko izy tamin'ny nanitsakitsahany ny vadiny ary niteraka zaza tamina lehilahy hafa.
24 Hoentina eo anatrehan'ny fivoriam-bahoaka izany vehivavy izany mba ho tsaraina; ary ny amin'ireo zanany koa dia hanaovana famotopotorana.
25 Ny zanany tsy ho mpiray firenena amin-dravehivavy ary ny zanak'ireo koa tsy hanana izany zo izany.
26 Ny fahafaham-baraka hanjo ny vehivavy toy izany dia tsy ho voakosoka na oviana na oviana; ary ozona no hiraikitra amin'ny fahatsiarovana azy.
27 Dia ho fantatr'izay olona sisa tavela fa tsy misy tsara noho ny fanajana ny Tompo, ary tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny.