Bena-Siràka
Toko faha-24
1 Hidera ny tenany ny Fahendrena ary hirehareha eo afovoan'i Israely vahoakany.2 Eo amin'ny fiangonan'ilay Avo Indrindra no hitenenany ary eo anoloan'ny tafiky ny Tompo no hireharehany manao hoe:
3 "Izaho dia nipoitra avy amin'ny vavan'ilay Avo Indrindra ary nanarona ny tany tahaka ny etona matevina.
4 Izaho dia nonina tany amin'ny toerana avo any ary ny seza fiandrianako dia teo ambonin'ny andry rahona.
5 Izaho irery no nahatety ny faribolan'ny lanitra ary nandehandeha tao amin'ny fanambanin'ny hantsana.
6 Ny onjan-dranomasina sy ny tany tontolo ary ny vahoaka amam-pirenena isan-karazany dia samy nananako fahefana avokoa.
7 Tao amin'ireny firenena rehetra ireny no nitadiavako toeram-pitsaharana: Ao amin'ny faritr'iza no hitoerako?
8 Dia nanome baiko ahy ilay Mpahary ny zava-drehetra ary nampiorim-ponenana ahy Ilay nanao ahy ka niteny hoe: Monena ao amin'ny taranak'i Jakoba; aoka ho ao amin'i Israely ny zarataninao!"""
9 Talohan'ny nanombohan'ny fotoana manam-petra no efa nanao ahy Ilay Mpahary ny zava-drehetra; ary tsy hitsahatra na oviana na oviana ny hisy aho.
10 Nanao fanompoana teo anatrehany aho tao amin'ny Fonena-masina , ka dia tao Tsiona araka izany no fonenan-draikitra ho ahy.
11 Tao amin'ilay tanana lalainy no nampiorenany ahy ary ao Jerosalema no iharan'ny fahefako.
12 Tao amina vahoaka manan-daza no nifotorako, dia tao amin'ny anjaralovan'ny Tompo izany.
13 Nisandratra tahaka ny sedera any Libano aho ary tahaka ny kipreso ao amin'ny tendrombohitra Hermona.
14 Nisandratra tahaka ny antrendry tao Haina-Gedy aho ary tahaka ny tahom-bonindraozy novolena tao Jerikao; eny, tahaka ny fototr'oliva teo amin'ny lemaka ary tahaka ny hazo platana tokoa no nisandratako.
15 Namoaka hanitra tahaka ny kanelina aho, hanitra tahaka ny balsamo mamerovero ary koa tahaka ny miora voafantina, tahaka ny galbanoma sy oniksa mbamin'ny natafa ary tahaka ny eton' emboka ao amin'ny Fonena-masina.
16 Nisandrahaka tahaka ny hazo terebinta aho, ka feno fiandrianana sy hatsarana ny rantsako.
17 Nandefa tsiry mahafinaritra tahaka ny voaloboka aho, ka namokatra voa marevaka sy milonjehitra ny voniko.
19 Avia aty amiko ianareo izay maniry ahy, ka mivokisa ny vokatra avy amiko ianareo;
20 Mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy; ary ny fananana ahy dia mahafinaritra mihoatra noho ny mahita toho-tantely.
21 Izay mihinana ahy mbola te hihinana ahy kokoa; ary izay misotro ahy mbola hangetaheta ahy.
22 Izay mihaino ahy tsy mba ho diso fanantenana ary izay miombona asa amiko tsy mba hanota.
23 Ireo zavatra rehetra voalaza teo ireo dia raketin'ny bokin'ny fanekem-pihavanana, izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay Lalana izay nampitain'i Mosesy tamintsika mba ho lova ao amin'ny sinagoga izay iangonan'ireo taranak'i Jakoba.
25 Io Lalana io no mampihanaka ny fahendrena tahaka ny ony Pisona na ny ony Tigra amin'ny vaninandro lohataona.
26 Io Lalana io no mahatonga ho tondra-pahalalana tahaka ny ony Eofrata na ny ony Jordana amin'ny vaninandro fijinjam-bokatra.
27 Io Lalana io no mampitosaka ny fananarana tahaka ny ony Neily na ny ony Gihona amin'ny vaninandro fiotazam-boaloboka.
28 Ny olona voalohany nianatra ny fahendrena dia tsy mahatapitra ny fahalalana azy; toy izany koa ny olona farany nianatra azy dia tsy mbola nahatakatra ny halaliny.
29 Midadasika noho ny ranomasimbe ny heviny ary lalina noho ny hantsambe ny fisainany.
30 Ary izaho dia toy ny tatatra mampiely rano avy amin'ny ony, na tahaka ny lakan-drano mitarika rano hankao anaty saha,
31 ka hoy aho hoe: "Hotondrahako ny tanimboliko ary hovontosako rano ny zaridainako. "Dia indro aho ilay tatatra fa nanjary ony, ary ilay ony nanovozako nanjary ranomasina.
32 Koa tahaka ny mazava tsinanana no hampamirapiratako ny fananarako, ary hanapariahako ny fahazavany ho tafapaka any lavitra any.
33 Tahaka ny hafatry ny mpaminany no mbola hampielezako ny fampianarako ary hamelako izany ho lova ho an'ireo taranaka any aoriana.
34 Jereo fa tsy ho ahy irery no nikelezako aina, fa ho an'izay rehetra mitady ny fahendrena.