Bena-Siràka

Toko faha-47

1 Manaraka an'i Samoela, dia niseho i Natana mba ho mpaminany tamin'ny andron'i Davida.

2 Toy ny fanavahana ny jabora tamin'ny sorom-pihavanana no nanavahana an'i Davida teo amin'ny Israelita.

3 Kilalao ho azy ny miatrika liona na orsa moa va tsy ny mandray osikely na ondrikely.

4 Mbola tanora izy no namono ilay lehilahy goavana, ka nanaisotra ny latsa tamin'ny vahoaka israelita; nahodiny mirimorimo ny antsamotady nisy vato ka nahalavo an'i Goliata mpirehaka.

5 Nantsoin'i Davida ny TOMPO Avo Indrindra ka nanome tanjaka ny tanany ankavanana mba hamono hahafaty an'ilay mpiady kinga sy hanandratra ny herin'ny fireneny.

6 Izany no nanomezam-boninahitra an'i Davida tamin'ny famonoany fahavalo an'alinalina; tao anatin'ny fisaorana ny Tompo no niderana azy, ary dia natolotra azy ny diademam-piandrianana.

7 Nataony ringana hatraiza hatraiza ny fahavalo ary nomontsaniny ny Filistinina mpanohitra azy ka nopotehiny mandraka androany ny heriny.

8 Tamin'ny asa rehetra nataon'i Davida, dia teny fiderana no nanolorany haja an'ilay Masina sady Avo Indrindra; tamin'ny fony manontolo no nihirany salamo sy nitiavany an'Ilay Mpahary azy.

9 Nanendry antoko-mpihira teo anoloan'ny alitara izy, ka feon-kira mahafinaritra no nampandrenesin'ireny.

10 Nomeny endrika manetriketrika ny fety ary narindrany ho tapitra ohatra ny fankalazana mba hideran'ny olona ny anara-masin'ny Tompo sy hampanakoako ny Toeramasina dieny vao maraina.

11 Ny Tompo kosa namela ny fahotan'i Davida sy nanandratra ny fahefany ho mandrakizay ary nanome azy ny taranaka ho mpanjaka mifanesy mbamin'ny sezafiandrianana be voninahitra eo amin'i Israely.

12 Manaraka an'i Davida, dia niseho ilay zanany hendry izay niaina tanaty faritra malalaka, noho ny amin-drainy.

13 Nanjaka tamin'ny androm-piadanana i Salomona satria nomen'Andriamanitra fitsaharana izy teo amin'ny sisin-tany rehetra manodidina, mba hanaovany trano voatokana ho an'ny anarany sy hanamboarany Toeramasina mandrakizay.

14 Endrey ny fahendrenao, ry Salomona, fony ianao mbola tanora; endrey izato ianao feno fahalalana tahaka ny ony feno rano!

15 Nitatra manerana ny tany ny fahiratan-tsainao; nofenoinao ohabolana sy ankamantatra ny sehatra rehetra.

16 Ny lazanao tonga hatrany amin'ny nosy lavitra; ary ny fiadanana omenao no nitiavan'ny olona anao.

17 Nigagan'ny tany samihafa ianao noho ny hiranao masina sy ny ohabolanao ary ny fanoharanao sy ny valin-teninao.

18 Araka ny anaran'Andriamanitra mendri-kaja izay nantsoina tamin'ny vahoaka Israely no nanomezana anarana anao. Nanangona volamena tahaka ny fanangona fira-potsy ianao ary nanavosa volafotsy tahaka ny fanavosa firaka.

19 Kanefa nanaram-po tamin'ny vehivavy ianao ary nitolo-batana handevozin'izy ireny.

20 Izany no nanisy pentina ny voninahitrao sy nandotoanao ny voninahitr'ireo taranakao ka nahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra taminy. Nampangirifiry azy tokoa ny fahadalanao,

21 satria lasa nivaky roa ny fanjakanao; ka avy amin'ny fokon'i Efraima no nipoiran'ilay fanjakana nikomy.

22 Kanefa ny TOMPO tsy nampitsahatra ny famindrampony ary tsy namela ny fampanantenany ho foana; tsy namongotra ny taranak'ilay voafidiny Izy, ary tsy nahalany tamingana an'ilay tia Azy. Nisy sisa velona navelany teo amin'ny taranak'i Jakoba, toy izany koa no nanomezany an'i Davida solofo avy aminy.

23 Dia nodimandry i Salomona ka tafaraka amin'ny razany; ary ny mpanjaka nanarakaraka azy dia anankiray tamin'ireo zaza navelany, dia i Rehabohama izay nampikomy vahoaka tamin'ny fanapahan-kevitra nataony. Manam-be izy io ny amin'ny fahadalana fa mahantra ny amin'ny fahiratan-tsaina. Tao kosa i Jerobohama, zanakalahin'i Nebata. Notarihiny hanota ny foko israelita tavaratra ary lalam-pahotana no natorony ho an'ny fanjakan'i Efraima.

24 Dia nitombo aoka izany ny fahotan'ireo ka nentin-ko babo lavitra ny taniny izy;

25 haratsiana isan-karazany no nivarinany ambara-piavin'ny famaizan'Andriamanitra taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568