Bena-Siràka
Toko faha-25
1 Misy zavatra telo izay tiako fatratra tokoa sady tsara eo imason'Andriamanitra sy ny olona; dia ny mpiray tampo mifankatia sy ny mpiara-monina mahay mihavana ary ny mpivady mahay mifanaraka.2 Olona telo karazana kosa no ankahalaiko, sady tsy tiako mihitsy ny toe-piainany: dia ny mahantra miavonavona sy ny mpanankarena manambaka ary ny anti-dahy tsy misy saina ka miliba manitsakitsa-bady.
3 Raha tsy nihary harena ianao fony mbola tanora, dia hataonao ahoana no fananana rehefa antitra?
4 Saha zato koa ho an'ny fotsy volo ny fahaiza-mitsara ara-drariny, ary ho an'ny loholona ny mahay manoro hevitra.
5 Tandrify tokoa ho an'ny anti-panahy ny fahendrena ary ho an'ny manankaja ny fandinihana amam-pisainana.
6 Satroboninahitra ho an'ny anti-panahy ny efa nisedrany toe-javatra maro; fa ny tena reharehany dia ny fanajana ny Tompo.
7 Misy zavatra sivy heveriko ho fahasambarana fa mbola misy anankiray fahafolo izay hambarako: Sambatra ny lehilahy mifaly amin'ny zanany ary koa izay mbola velona aina no mahita ny fahapotrahan'ireo fahavalony.
8 Eny, sambatra ny lehilahy miara-mitoetra amina vady mahira-tsaina; ary koa izay tsara rindra amin'ny vadiny mihoatra noho ny firindran'ny omby sy ny boriky. Sambatra ny lehilahy tsy nanota tamin'ny teniny ary koa izay tsy nanompo olona bado noho ny tenany.
9 Sambatra ny lehilahy nahazo famalinana ary koa izay havanana amin'ny lahateny ka mahalian-tsofina an'ireo mpihaino.
10 Lehibe tokoa ny lehilahy nahazo fahendrena; kanefa tsy misy mihoatra noho izay manaja ny Tompo !
11 Ny fanajana ny TOMPO dia mihoatra noho ny zava-drehetra, ka iza moa no hampitahaina amin'izay manana izany ?
13 Aleo ratra hafa isan-karazany toy izay ny ratram-po; aleo haratsiam-panahy hafa isan-karazany toy izay ny haratsiam-panahin'ny vehivavy.
14 Aleo voina hafa isan-karazany toy izay ny voina afitsok'ireo mpankahala; aleo famaizana hafa isan-karazany toy izay ny famaizana ataon'ireo fahavalo.
15 Tsy misy poizina ratsy noho ny poizina menarana, ary tsy misy fahatezerana ratsy noho ny fahatezeram-behivavy.
16 Aleoko miara-monina amin'ny lionana ny dragona toy izay miara-monina amina vehivavy ratsy fanahy.
17 Ny faharatsiam-panahin'ny vehivavy no mampiova endrika azy ka mampanjombona ny tarehiny ho tahaka ny an'ny orsa.
18 Mba mandeha ny lahy haka toerana eo afovoan'ireo mpifanila trano aminy, ary dia hisento fatratra mandre izany.
19 Maivan-danja ny haratsian-toetra hafa isan-karazany, miolotra amin'ny haratsian-toetran'ny vehivavy; aoka ny anjaran'ny mpanota no hiantefa aminy!
20 Manahirana ho an'ny tongotry ny antitra ny fiakarana mandrevo fasika; manahirana toy izany koa ny vehivavy vavana ho an'ny vadiny bonaika.
21 Aza mety sodokan'ny vehivavy bikana, ary aza mitsiriritra azy noho izy manan-karena.
22 Fahatezerana sy fahafaham-baraka ary henatra goavana no hihatra amin'ny lehilahy velomin'ny vadiny.
23 Ny vehivavy ratsy fanahy dia mandrera-po sy mampalahelo endrika ary mandratra fo; ny vehivavy izay tsy mahasambatra ny vadiny dia mampiraviravy tanana sy mampalemy lohalika azy.
24 Vehivavy iray no niandohan'ny fahotana sady anton'ny ahafatesantsika rehetra.
25 Aoka ny rano tsy havela ho very fotsiny, ary aoka ny vehivavy ratsy fanahy tsy homem-pahefana hiteny akory!
26 Raha tsy mandeha araka ny itondranao azy izy, dia aoka hisarahanao sy ho roahinao!