Bena-Siràka

Toko faha-37

1 Olona isan-karazany no milaza hoe: "Izaho koa sakaizanao", kanefa misy ihany ny sakaiza izay anarany fotsiny ihany.

2 Alahelo mila hahafaty tokoa, raha namana aman-tsakaiza no mivadika ho fahavalo.

3 Ry hevi-dratsy o, voatefy avy aiza ianao no manarona ny tany amin'ny fitaka?

4 Misy ny namana finaritra raha faly ianao sakaizany, fa hanohitra anao kosa amin'ny androm-pahoriana.

5 Misy ny namana miara-sahirana aminao sakaizany, raha vokisanao sakafo ny kibony; kanjo ny ampingany no raisiny, rehefa manoloana ny ady.

6 Tsarovy ny sakaizanao, rehefa an'ady ianao; ary aza hadinoina izy, raha mahazo babo ianao.

7 Ny mpanolotsaina rehetra samy mandoka ny toroheviny, kanefa misy manolotsaina hotombontsoan'ny tenany.

8 Tandremo ny amin'ny mpanolotsaina ka fantaro aloha izay zavatra ilainy, fa ny tombontsoan'ny tenany no anoroany hevitra; tandremo sao voafandrika ho rembiny ianao,

9 ka mody hilazany hoe: "Tsara ny fihetsikao!", nefa hihatakataka izy mba hizaha izay hanjo anao.

10 Aza maka hevitra amin'izay mangarika anao, ary afeno amin'izay mialona anao ny fikasanao.

11 Aza ny vehivavy no akana hevitra ny amin'ny rafivaviny na ny kanosa no akana hevitra ny amin'ny ady hatao; aza ny mpivarotra no akana hevitra ny amin'ny teti-bidy, na ny mpividy no akana hevitra ny amin'ny varotra; aza ny mpitsiriritra no akana hevitra ny amin'ny fankasitrahana, na ny tsy mangoraka no akana hevitra ny amin'ny fiantrana; aza ny malaina no akana hevitra ny amin'ny asa isan-karazany, na ny mpikarama isan-kerintaona no akanahevitra ny amin'ny famitan-javatra, na ny mpanompo kamo no akana hevitra ny amin'ny lahasa be; aza ireo olona ireo no ianteheranao na amin'ny torohevitra iray akory aza.

12 Fa mahavara mifandray amin'olona tia vavaka, izay fantatrao ho mpitandrina ny didin'Andriamanitra sady manana toe-panahy mitovy amin'ny anao, ka hiaraka ory aminao raha sendra lavo ianao.

13 Aoka hifikiranao koa ny fikasan'ny fonao, satria tsy misy mpanolotsaina mahatoky toa azy;

14 fa mazana ny fon'olombelona no milaza zavatra betsaka aminy, mihoatra noho ny mpitily fito voapetraka hitily eo ambony havoana.

15 Fa mihoatra noho izany rehetra izany, dia mangataha amin'ny Avo Indrindra mba hitarihany lalana anao amin'ny fahamarinana.

16 Alohan'ny asa rehetra, aoka hiady hevitra; alohan'ny atao rehetra, aoka hisaintsaina!

17 Ao an-tsaina no ifotoran'ny hevitra;

18 ary karazan-tahony efatra no apoitrany: dia ny tsara sy ny ratsy, ary ny fiainana sy ny fahafatesana; kanefa ny lela hatrany hatrany no tompon'ny fanapahan-kevitra farany.

19 Misy olona kinga rehefa hananatra ny besinimaro, kanefa tsy vanon-ko inona raha ho an'ny tenany.

20 Misy izay mahay mandahateny nefa halan'olona, ka tsy hanana hanin-kohanina akory izy;

21 fa tsy nomen'ny TOMPO azy ny ho ambinina eo anoloan'ny hafa, satria tsy manana fahendrena akory izy.

22 Misy izay hendry ho tombontsoany manokana ihany, ary ny vokatry ny fahalalany dia ho an'ny tenany.

23 Misy kosa olon-kendry izay mampianatra mba hanasoavana ny mpiray firenena aminy; ary azo antoka ny vokatry ny fahalalany.

24 Ho henika fitahiana ny olon-kendry toy izany; ary izay rehetra mahita azy hanao azy hoe sambatra.

25 Azo isaina ihany ny androm-piainan'ny olona, fa tsy tambo isaina kosa ny andron'i Israely.

26 Ny olon-kendry dia tonga mahatoky eo anivon'ny mpiray firenena aminy, ary haharitra mandrakizay ny lazany.

27 Anaka, tsapao toetra ny tenanao raha mbola velona koa ianao; hevero izay maharatsy io tenanao io ka aza omena azy mihitsy izany.

28 Tsy sahaza ny besinimaro ny zava-drehetra sady tsy ary ho sitraky ny olon-drehetra.

29 Aza fatra-pitady ny hanim-py isan-karazany ary aza dia fandrombandrombaka sakafo,

30 satria ny hanina be loatra miteraka faharisarisana ary ny fisesehan-tsakafo dia mahatonga areti-mandalo.

31 Nahafaty olona maro ny fisesehan-tsakafo, fa izay mitandrina kosa ho lava andro iainana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566