Bena-Siràka

Toko faha-14

1 Sambatra ny olona tsy diso tamin'ny teniny, ary tsy ampahorin'ny nenina noho ny fahotany.

2 Sambatra izay tsy mba melohin'ny eritreriny, ary tsy mba diso fanantenana na oviana na oviana.

3 Ny harena dia tsy mahasoa ny olona mahidy; ary inona no asan'ny harembe amin'ny mpikafiry?

4 Izay mpanangona mahihitra ho an'ny tenany dia manangom-pananana ho an'ny hafa; ka olon-kafa no ho velom-pinaritra amin'ny hareny.

5 Amin'iza no mba halemy fanahy izay lozabe amin'ny tenany? Tsy mba hiadana amin'ny harembeny izy.

6 Tsy misy ratsy noho izay mampahory tena, ary izany no tamby tandrifin'ny haratsiany.

7 Raha misy soa ataon'ny mahihitra, dia tsy fanahy iniany, ary hihariharian'ny haratsiany aza no iafarany.

8 Ny manam-pijery be kafiry dia ratsy toetraka mihodivitra tarehy sy manesoeso ny olona.

9 Ny fijerin'olona tia harena dia tsy afa-pon'izay anjarany; ary fahidiana mandoza no manamaina ny fanahiny.

10 Mitsitsy hanin-kohanina ny mahihitra ka tsy misy na dia eo amin'ny latabatra fisakafoany aza.

11 Anaka, mba karakarao tsara ny tenanao arakaraka izay fanananao; ary manaova sakafo tsara ianao amin'ny fotoana ahafahanao manao izany.

12 Tsarovy fa tsy ho ela fiavy ny fahafatesana, ary tsy nambara taminao ny tendry izay naraikitry ny toeran'ny maty.

13 Alohan'ny hahafatesanao, dia manaova soa amin'ny sakaizanao; ary atsory ny tananao hanome azy arakaraka izay fanananao.

14 Aza mifady tsy hanao andro firavoravoana, ary aza avela hisy very tantana izay tokony hahazoanao fahafaham-po mitombina.

15 Fantatrao tsara fa havelanao ho an'ny hafany vokatry ny fahasahirananao; ary ho zaraina araka izay tendrin'ny antsapaka ny vokatry ny fisasaranao.

16 Sady manomeza no mandraisa, ka ampifalio araka izany ny fonao, fa tsy misy hafinaretana andrandraina any amin'ny toeran'ny maty.

17 Mihatonta toy ny fitafiana ny olona rehetra, satria ny tendry hatrizay hatrizay dia ny hoe: "Tsy maintsy ho faty tokoa ianao !"

18 Toy ny ravina eo amin'ny hazo midoroboka, misy ny mihintsana, misy ny mitsiry; toy izany koa ny taranaky ny olona nofo aman-dra, misy ny maty, misy ny teraka.

19 Levona no hiafaran'ny asa mety simba rehetra, ary ho lasa miaraka aminy koa izay nanao azy.

20 Sambatra ny olona milofo amin'ny fahendrena sy manazatra saina amin'ny famotopotorana,

21 ka mieritreritra ao am-pony ny lalam-pahendrena ary mandinidinika ny zava-miafina raketiny:

22 manenjika ny fahendrena toy ny mpihaza izy ary mihendry azy eny amin'ny fandalovany.

23 Eo am-baravarankelin'ny fahendrena no iondrehan'izany olona izany hijery, eo am-baravarambeny no ihainoany,

24 eo akaikin'ny tranony no honenany, ao anaty rindriny no anatsatohany tsimaday,

25 eo anilany no ananganany tranolay, ka toeram-pahasambarana no honenany.

26 Eo ambany fiarovan'ny fahendrena no ametrahan'izany olona izany ny zanany, ary eo ambanin'ny rantsany no ialofany;

27 noho ny alokaloky ny fahendrena dia ho voaaro amin'ny hafanana izy ary honina ao anatin'ny voninahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1193