Bena-Siràka
Toko faha-21
1 Anaka, raha nanota ianao, dia aza mamerina intsony; fa angataho famelana ny hadisoanao lasa.2 Tahaka ny andosirana menarana no andosiro ny fahotana; fa raha manatona azy ianao, dia hokekeriny. Toa nifin-diona ny nifin'ny fahotana ka mahafaty ain'olona ireny.
3 Ny fandikan-dalana isan-karazany dia tahaka ny sabatra marani-dany roa ka tsy azo sitranina ny ratra afitsony.
4 Fandrahonana sy herisetra no mandrava harena; toy izany koa no haharava ny mpiavonavona mbamin'ny ankohonany sy ny fananany.
5 Ny fangatahana aloaky ny vavan'ny mahantra dia tonga any an-tsofin'Andriamanitra; ary tsy ho ela no hanomezan-drariny azy.
6 Izay mankahala fananarana dia manaraka ny soritry ny mpanota; fa izay manaja ny Tompo kosa dia mandray anatra amin'ny fo tokoa.
7 Ny mahay miteny dia fantatra hatraiza hatraiza; fa raha milaza hadalana kosa izany olona izany dia tsapan'ny mahira-tsaina avy hatrany.
8 Izay manorin-trano amin'ny volan'olon-kafa dia toy ny manangom-bato ho fasana ho an'ny tenany.
9 Ny andian'olo-meloka dia toy ny faikan-drongony navosa, ka ho rembin'ny afo miredareda no hiafarany.
10 Rary vato mitovy tantana ny lalan'ny mpanota, kanefa miafara amin'ny lavaka be itoeran'ny maty.
11 Izay mitandrina ny Lalanan'Andriamanitra dia mahafehy ny eritreriny; ary ny fanajana ny Tompo dia miafara amin'ny fahendrena.
12 Izay tsy manana fahakingana dia tsy azo beazina velively; kanefa misy fahakingana miteraka fahoriana maro.
13 Ny fahaizan'ny olon-kendry dia hitombo toy ny ony tondraka; ary ny torohevitra arosony dia toy ny loharano mahavelona.
14 Ny fon'ny olona adala dia toy ny vilany tany vaky; ka ny fahalalana isan-karazany dia tsy misy voatanany akory.
15 Raha ny olona manampahaizana no mandre teny miraki-pahendrena, dia sady mankato izany izy no manamafy lanja azy; fa raha ny mpanaram-batana kosa no nandre io teny io, dia maharikoriko azy izany ary hariany any ivohony.
16 Ny lahateny ataon'olona adala dia mavesa-poana tahaka ny entana fitondra mivahiny; fa ny teny aroson'ny mahira-tsaina kosa no ahitana ny fahafinaretana hatrany.
17 Ilaina ho heno eo am-pivoriam-bahoaka ny zavatra lazain'ny olon-kendry; ary ao am-po no hisaintsainana ny teniny.
18 Ny fahendrena, ho an'ny olona adala , dia tahaka ny trano ravarava, ary ny fahalalan'ny tsy manan-tsaina dia teny tsy misy fifandraisany akory.
19 Ny fitaizana, ho an'ny olona adala, dia tahaka ny parapaingo amin'ny tongotra ary tahaka ny gadra mangeja eo amin'ny tanana ankavanana.
20 Ny olona adala, rehefa mihomehy, dia mitokelakelaka mafy ery; fa ny olona tsara ofana kosa dia mitsiky mora sy am-pitandremana.
21 Ny fitaizana ho an'ny olona misaina, dia tahaka ny firavaka volamena fehin-tanana entiny eo amin'ny sandriny ankavanana.
22 Ny olona adala dia dodododona ny hiditra ao an-tranon'ny hafa; fa ny olona efa mahay miaina kosa miahotra amim-pahamaotinana.
23 Ny olona tsy manan-tsaina dia hatreo am-baravarana no hanarangarana ny ao anaty trano; fa ny olona tsara taiza kosa mijanona eo ivelany.
24 Ny olona tsy voataiza no mihaino eo am-baravarana; fa ny misaina kosa dia hovesaran-kenatra manao izany.
25 Ny molotry ny olona be resaka dia mamerina ny voalazan'ny hafa; fa ny tenin'ny olona misaina kosa dia toa voalanjalanja tamin'ny mizana.
26 Ny olona adala dia miteny, vao mieritreritra; fa ny olon-kendry kosa mieritreritra, vao miteny.
27 Raha manozona an'i Satana ny tsy mpivavaka, dia ny tenany ihany no ozoniny.
28 Manala baraka tena ny mpanaratsy olona sady hankahalain'ireo mpiara-monina aminy.