Bena-Siràka
Toko faha-2
1 Anaka, raha miroso hanompo ny TOMPO ianao, dia omany amin'ny fizahan-toetra ny fanahinao.2 Ahitsio ny fonao ka manana finiavana ary aza mitebiteby amin'ny andro fahoriana.
3 Miraiketa amin'Andriamanitra ka aza misaraka aminy ianao mba ho fiadanana no hiafaranao.
4 Ekeo avokoa izay zavatra manjo anao, ary mahareta rehefa tonga aminao ny fietrena;
5 fa ny volamena dia sedraina amin'ny afo, ary ny olona sitrak'Andriamanitra kosa dia sedraina amin'ny memin'ny fietrena.
6 Matokia an'Andriamanitra, dia hanarina anao Izy; ahitsio ny fitondrantenanao ary manantena Azy.
7 Ianareo izay manaja ny TOMPO, matokia ny indrafony; ary aza mivilivily lalana, fandrao ho solafaka.
8 Ianareo izay manaja ny TOMPO, matokia Azy; dia tsy ho very valisoa ianareo.
9 Ianareo izay manaja ny TOMPO, manantena ny hasambarana sy ny hafaliana mandrakizay ary ny famindrampony.
10 Diniho ary ny taranaka fahagola ka fantaro: Iza no natoky ny Tompo ka diso fanantenana? Iza no naharitra tamin'ny fanajana Azy, ka nilaozany? Iza no niantso Azy ka tsy noraharahainy ?
11 Fa miantra sy mamindrafo ny TOMPO, sady mamela heloka sy mamonjy amin'ny andro mahory.
12 Ireo rera-po sy miraviravy tanana ary ny mpanota miroa lalana no mampalahelo !
13 Mampalahelo koa ireo kanosa fo satria tsy manam-pitokiana, izany no tsy hiarovan'Andriamanitra azy!
14 Mampalahelo ianareo very faharetana, hanao ahoana ianareo rehefa ho hadinin'ny Tompo?
15 Izay manaja ny TOMPO dia manaiky ny teniny; ary izay tia Azy dia mitandrina ny sori-dalany.
16 Izay manaja ny TOMPO dia mitady ny sitrany; ary izay tia Azy dia mivoky amin'ny lalanany.
17 Izay manaja ny TOMPO dia vonombonona hatrany ary mietry fanahy eo anatrehany ka manao hoe:
18 Eo an-tanan'ny TOMPO no hiantorahanay fa tsy eo an-tanan'ny olombelona, satria arakaraka ny fahalehibiazan'ny Tompo no haben'ny famindrampony koa.