Bena-Siràka

Toko faha-7

1 Aza manao ratsy, dia tsy hiharan'ny ratsy ianao.

2 Halaviro ny tsy an-drariny, dia hihataka aminao izany.

3 Anaka, aoka ianao tsy hamafy aminatoerana izay voasoritsoritry ny tsy rariny, raha tsy te hijinja zavatra impito heny toraka izany ianao !

4 Aza mangata-pahefana amin'ny TOMPO na toeram-boninahitra amin'ny mpanjaka.

5 Aza miseho ho marinaeo anatrehan'ny Tompo, na miseho ho hendry eo anatrehan'ny mpanjaka.

6 Aza maniry ho tonga mpitsara ianao raha tsy afa-mamongotra ny tsy an-drariny, fandrao ho raiki-tahotra ianao eo anoloan'ny manampahefana ka ho voatohintohina ny tsy fiangaranao.

7 Aza manisy ratsy ny vondron'olona iray tanana fa hanambanianao tena eo anivon'ny besinimaro izany.

8 Aza averinao indroa ny fahotanao, fa ny voalohany aza efa mahameloka anao.

9 Aza manao hoe: "Ny hamaroan'ny fanatitro no ho jeren'Andriamanitra Avo Indrindra; ka rehefa atolotro Azy ireny, dia ho raisiny."

10 Aza matahotahotra rehefa mivavaka ianao ary aza atao tsirambina ny fiantrana.

11 Aza latsalatsana ny olona ory fo, satria eo hatrany ilay Andriamanitra Izay manetry sady manandratra koa.

12 Aza mamoron-dainga hamelezana ny mpiray tampo aminao; aza manao toy izany koa hamelezana ny sakaizanao.

13 Mitandrema mba tsy hilaza lainga na oviana na oviana, fa ny tamana amin'ny lainga dia tsy mahasoa velively.

14 Aza mba be teny amin'ny fivorian'ny loholona, ary aza mamerimberin-teny amin'ny vavakao.

15 Aza mankahala ny asa manasatra na ny asa tany, satria ilay Avo Indrindra no nanorina ireny ho antsika.

16 Aoka ny tenanao tsy hirotsaka ho anisan'ny andian'olona mpanota; tsarovinao fa tsy ho ela akory ny fahatezeran'Andriamanitra.

17 Aoka ianao hanetry mafy ny fanahinao, fa afo sy kankana no sazin'ny tsy mpivavaka!

18 Aza atakalonao tombontsoa ny sakaiza ary koa ny tena mpiray tampo aminao, na dia volamena avy any Ofira aza no hatolotra anao.

19 Aza midify tsy hanambady vehivavy hendry sy tsara fo, fa sarobidy mihoatra noho ny volamena ny hasoany.

20 Aza ratsy fitondra mpanompo azo antoka amin'ny asany na mpikarama mahafoy tena amin'ny tokony hataony.

21 Aoka ho tiavin'ny tenanao ny mpanompo mahira-tsaina; ary aza lavinao ny handefa azy ho olona afaka.

22 Raha manana biby fiompy ianao, dia aoka hikolokolo azy; ary raha mahasoa anao ireo, dia tehirizo ao aminao.

23 Raha manana zanakalahy ianao, dia aoka hanabe azy; ary ampianaro hanaiky izy ireny, manomboka amin'ny fahatanorany.

24 Raha manana zanakavavy ianao, dia tandrovy ny hahavirijiny ny tenany; ary aoka ianao tsy halemy paika loatra aminy!

25 Ampanambadio ny zanakao vavy, dia ho afaka adidy lehibe ianao; nefa lehilahy mahira-tsaina no omeo azy.

26 Raha vehivavy araka ny fonao no vadinao, dia aza roahina izy; fa raha vehivavy izay halakalanao kosa, dia aza mitoky aminy ianao.

27 Omeo voninahitra amin'ny fonao manontolo ny rainao; ary aza hadinoina ny fijaliana niaretan-dreninao.

28 Tsarovy fa izy ireo no nahitanao masoandro, ka inona no hamalianao ny soa nataony taminao?

29 Hajao amin'ny fo manontolo ny TOMPO; ary omeo haja lehibe ny mpisorony.

30 Tiava amin'ny herinao manontolo Ilay Mpahary anao; ary aza atao tsirambina ireo mpandraharahany.

31 Hajao ny TOMPO; ary omeo voninahitra ny mpisorony ka tolory ny anjarany araka izay voadidy hataonao: dia ny voaloham-bokatra sy ny sorona fanalana ny ota, ny sorok'ireo biby izay natolotra ny Tompo, ary ny fanatitra sy santa-bokatra voatokana.

32 Atsory ny tananao hanasoa ny mahantra, dia hihatra feno aminao ny tsodrano azonao.

33 Aoka ny velona rehetra no hohasoavin'ny fanomezanao; ary aza lavinao koa ny hanisy soa ny maty hahatsara levina azy.

34 Aza midify tsy hankeo amin'izay mitomany, ary miaraha ory amin'izay ory.

35 Aza misalasala ny mamangy marary ; ny asa toy ireo manko no hitiavana anao.

36 Amin'ny ataonao rehetra, tsarovy ny hiafaranao, dia tsy hanota na oviana na oviana ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559