Bena-Siràka
Toko faha-45
1 izay nahazo sitraka tamin'ny besinimaro fa notiavin'Andriamanitra sy ny olombelona. Hisaorana an'Andriamanitra anie ny fahatsiarovana azy!2 Notoloran'ny TOMPO voninahitra sahala amin'ny voninahitry ny anjely izy, ary koa nataony nanan-daza satria nampatahotra ny fahavalo.
3 Ny tenin'ny TOMPO no nahatontosa faingana ireo famantarana ka nanomezany voninahitra an'i Mosesy teo imason'ny mpanjaka. Natolony azy koa ny didy ho an'ny vahoakany ary nasehony azy ny ampahan'ny voninahiny.
4 Ny toetra mahatoky sy halemem-panahy nananan'i Mosesy no nanokanan'ny Tompo azy sy nifidianany azy hiavaka anivon'ny olombelona rehetra.
5 I Mosesy dia nampandrenesin'ny TOMPO izany feony sy nampidiriny tao anatin'ny rahona matevina; nifanatrika taminy izy no notolorany ny didiny, dia ny lalana manome fiainana sy fahalalana: izany no nampianarany ny fanekem-pihavanany sy ny fitsipiny tamin'ireo taranak'i Jakoba, dia ny vahoaka israelita.
6 Nasandratry ny Tompo koa i Aharona izay lehilahy voatokana tahaka an'i Mosesy sady rahalahiny avy amin'ny fokon'i Levy.
7 Najorony araka ny fandaminana maharitra hatrany izy ary nomeny ny fisoronana teo amin'ny vahoakany; nataony finaritra tamin'ny fanamiana tsara tarehy izy, nampiakanjoiny akanjo rebareba mamirapiratra,
8 nampitafiny haingo marevaka ary nametrahany ny satroboninahitra sy ireo mariky ny fahefana ananany: dia ny pataloha sy ny akanjo lava ary ny efoda.
9 Manodidina ny moron-tongotr'ilay akanjo rebareba dia nasiany sahondra miendrika ampongabendanitra sy lakolosy madinika volamena betsaka tokoa mba hikorintsana rehefa mamindra i Aharona; namoaka feo nanako tao an-tempoly ireo mba ho fampahatsiarovana an'Andriamanitra ny amin'ireo olona anisan'ny vahoakany.
10 Io akanjo masina rebareba fitondran'i Aharona io dia voatenona kofehy volamena sy volomparasy ary mena, asan'ny mpanao amboradara izany. Teo ambonin'izany kosa ny akanjo saron-tratra. izay fanaovana fitsarana sady fanambarana ny marina :
11 io akanjo saron-tratra io dia voatenona kofehy jaky, asan'ny mpahay taozavatra izany; voahaingo vatosoa nosokirina toy ny tombokase ilay izy sady ao amin'ny tranony volamena misy anarana voasoratra araka ny isan'ireo fokon'ny vahoaka Israely mba ho fampahatsiarovana an'Andriamanitra ny aminy: asan'ny mpahay vatosoa izany.
12 Nasiana firavaka volamena teo amin'ny fehilohan'i Aharona, dia firavaka mirakitra teny voasokitra hoe: "Voatokana ho an'ny Tompo! "Mari-boninahitra izany, taozavatra voakaly tokoa, hafinaretan'ny maso mijery satria tena tsara voatra.
13 Tsy nisy fitafiana fatratra toy izany, talohan'i Aharona; tsy nisy olon-kafa nisalotra izany afa-tsy ny zanany lahy ihany mbamin'ny lehilahy taranany hatrany hatrany.
14 Ny sorona fanolotr'i Aharona, indroa isan'andro tsy tapaka, dia tokony ho dorana manontolo.
15 I Mosesy no nanao ny fanokanana an'i Aharona ka nandraraka menaka masina teo an-dohany: Fandaharana maharitra izany ho an'i Aharona sy ny taranany, raha mbola misy koa ny habakabaka. Hanao ny fanompoam-pivavahana amin'ny Tompo sy hanefa ny raharaha fisoronana izy ireo ary koa hitsodrano ny vahoakany amin'ny anaran'Andriamanitra.
16 Nofidin'ny TOMPO tamin'ny olombelona rehetra i Aharona mba hanolotra ho Azy ny fanatitra eo amin'ny alitara, dia ny emboka sy ny vovo-javamanitra hahatsiahivan'ny Tompo an'ireo olony ary mba hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho fitsimbinana ny vahoakan'Andriamanitra.
17 Ao amin'ny didiny dia nomen'ny TOMPO an'i Aharona ny fahefana hitsara araka ny voatondron'ny lalana sy hampianatra ireo taranak'i Jakoba ny baikony ary hanazava ny vahoaka Israely amin'ny lalanany.
18 Nisy olon-kafa nialona azy tany an-taniefitra ka nioko hanohitra azy tamin-katezerana sy havinirana, dia i Datana sy i Abirama miaraka amin'ny olony ary i Kora miaraka amin'ny antokony.
19 Hitan'ny TOMPO izany ka tsy sitrany velively, dia nirehitra ny hatezerany handringana an'ireo; nanao zava-mahagaga Izy hamelezana ny mpikomy, dia ny fandevonana azy tamin'ny afomiredareda.
20 Mbola nampian'ny TOMPO indray ny voninahitr'i Aharona ka nomeny anjara fananana izy, dia ny santa-bokatra atao fanatitra; ary voalohany indrindra dia ny mofo no nataony voaomana betsaka hamokisana azy.
21 Ny zavatra natao sorona ho an'ny TOMPO no sakafo niveloman'ireo mpisorona, ka nomeny an'i Aharona sy ny taranany.
22 Tsy mba nisy zaratany nananany kosa teo amin'ny tanin'ny mpiray firenena aminy; tsy nisy anjara ho azy teo anivon'ny vahoaka israelita, satria hoy ny Tompo tamin'i Aharona: "Izaho no anjaranao sy fanananao."
23 I Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara, no fahatelo amin'ny voninahitra satria nazoto nanaja ny Tompo izy; rehefa nikomy tamin'Andriamanitra ny vahoaka, dia nijoro tamin-kerimpo fatratra izy ka nahazo famelana ho an'i Israely.
24 Izany no nanaovan'ny TOMPO fanekem-pihavanana taminy ka nahatonga azy ho lehiben'ny Toeramasina sy ho solotenan'ny vahoakany eo anatrehany; dia lasan'i Pinehasa sy ny lehilahy taranany ny andraikitra maha mpisorombe hatrany hatrany.
25 Nisy fanekem-pihavanana koanataon'ny Tompo tamin'i Davida, zanakalahin'i Jisay anisan'ny fokon'i Joda; nampanantenana izy fa ny fandovana fahefana hanjaka dia hifindra amin'ny taranany lahy anankiray hatrany; fa ny fandovana ny fisoronan'i Aharona kosa dia natao ho an'ny lehilahy rehetra taranany.
26 Ianareo mpisorombe, enga anie ny fahendrena no hapetraky ny Tompo ao am-ponareo mba hitsaranareo ny vahoakany ara-drariny, ka tsy ho foana ny fanambinana anareo sy ny voninahitrareo amin'ny taranaka mifandimby!