Bena-Siràka

Toko faha-17

1 Noarin'ny TOMPO tamin'ny tany ny olombelona ary asainy hiverina indray koa amin'ny tany.

2 Andro voaisa sy fotoana voafetra no naraikiny hiainan'ny olombelona; ary nomeny fahefana izy ireo amin'ny zavatra ety an-tany.

3 Araka ny toetran'ny TOMPO no nanomezany hery azy ireo, ary araka ny endriny koa no nanaovany azy mitovy aminy.

4 Nataon'ny TOMPO manaja ny olona ny zava-miaina isan-karazany,

5 mba hahazoan'izy ireo manjaka amin'ny biby amam-borona.

6 Ny olombelona dia nomen'ny TOMPO fisainana, nomeny lela sy maso ary sofina mbamin'ny fo hieritreritra;

7 nofenoiny fahaizana amam-pahiratan-tsaina izy ary nampahafantariny ny tsara sy ny ratsy.

8 Nataon'ny TOMPO tao am-pon'izy ireo ny fijeriny

9 hanehoany aminy fa lehibe ny asany ;

10 dia hoderain'ny olombelona Izy fa masina ka hotantarainy fa lehibe ny asan'ny Tompo.

11 Nomen'ny TOMPO ho an'ny olombelona koa ny fahaizana ary natolony azy ilay lalana mitondra fiainana.

12 Nanaovany fanekem-pihavanana mandrakizay izy, ary nampahafantarany ny didiny.

13 Dia nobanjinin'ny mason'ny olombelona izany halehiben'ny voninahitry ny Tompo, ary norenesin'ny sofin'izy ireo izany fikarantsan'ny feony.

14 Ka izao no voalazan'ny TOMPO taminy: "Mitandrema tena ianareo amin'ny tsy rariny rehetra. "Dia nomeny didy avy izy ireo ny amin'ny namana iaraha-monina.

15 Eo anatrehan'ny TOMPO mandrakariva ny fomba fiainan'ny olombelona;

16 tsy misy mahafina izany tsy ho hitany.

17 Ny firenen-kafa tsirairay avy dia samy nanendren'ny Tompo mpitondra azy;

18 fa ilay Israely kosa dia fananan'ny Tompo.

19 Ny asa rehetra ataon'ny olombelona dia miharihary toy ny masoandro, raha eo anatrehan'ny Tompo; ary todihany maso lalandava ny fomba fiainany.

20 Ny tsy rariny rehetra ataon'izy ireo dia tsy miafina amin'ny Tompo;

21 ary ny fahotana rehetra vitany dia eo anoloan'ny Tompo avokoa.

22 Ny asa fiantrana ataon'ny olombelona dia manan-danja toy ny tombokase ho an'ny Tompo; ary ny soa vitany dia tehiriziny ho zava-tsarobidy toy ny anakandriamaso.

23 Dia hitsangana ny TOMPO amin'ny farany ka hamaly azy ireo araka ny asany ary hampianjera amin'ny tsirairay ny famaliana tandrify azy avy.

24 Kanefa izay miala amin'ny toe-dratsy dia homen'ny Tompo fahazoana hiverina aminy; ary izay tsy ampy faharetana dia hotolorany fampaherezana.

25 Miverena amin'ny TOMPO ka ilaozy ny fahotana; mivavaha eo anoloany ary havitsio ny ratsy atao.

26 Mitodiha amin'Ilay Avo Indrindra ka ialao ny tsy rariny; ary aoka ianao hankahala mafy ny toetra maharikoriko Azy.

27 Iza no hidera Ilay Avo Indrindra any amin'ny toeran'ny maty, ka hisolo ireo velona izay manolotra fisaorana Azy?

28 Rehefa maty ny olona ka tonga tsinontsinona, dia manjavona ny fisaorany an'Andriamanitra; fa izy velona sy salama iny no afaka midera ny Tompo.

29 Lehibe tokoa ny famindrampon'ny TOMPO sy ny famelany heloka an'izay miverina aminy!

30 Tsy ananan'ny olombelona manko ny fahefana hanao ny zava-drehetra, satria ny zanak'olombelona dia tsy mba hoe tsy mety maty.

31 Inona no mamirapiratra noho ny masoandro? Kanefa dia mety mihamaizina izy io. Toy izany koa ny olombelona nofo aman-dra izay misaintsaina hanao ratsy.

32 Andriamanitra no mitandrina ny kintana, tafika eny amin'ny habakabaka ambony; fa ny olombelona rehetra kosa dia vovoka sy lavenona ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555