Bena-Siràka

Toko faha-3

1 Henoy, rey anaka, ny anatry ny rainareo ary ampiharo izany mba hamonjena anareo ;

2 fa ny TOMPO manome voninahitra ny ray eo amin-janany, ary manorina ny fahefan'ny reny eo amin'ny naterany.

3 Izay manaja ny rainy dia manoni-pahotana

4 ary izay manome voninahitra ny reniny dia tahaka ny olona manangon-karena.

5 Izay manaja ny rainy dia hampifalin-janaka ary ho henoina amin'ny andro ivavahany.

6 Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, izay manaiky ny Tompo hahafa-po ny reniny ;

7 tahaka ny mpanabe azy no anompoany ray aman-dreny.

8 Hajao ny rainao, na amin'ny ataonao amin'ny teny, mba hirotsahan'ny tsodrano ny aminao ;

9 fa ny tsodranon-dray aman-dreny manamafy ny tranon'ireo zanany, ary ny ozony kosa mampiongotra ny fanorenany.

10 Aza atao voninahitra ho anao ny fahafaham-barakan-drainao, satria tsy ahazoanao voninahitra ny fahafaham-baraka mihatra aminy;

11 ny voninahitry ny rainy manko no iavian'ny hajan'ny olona; ary ny reny voatevateva dia henatra ho an'ny zanany.

12 Karakarao, anaka, ny rainao amin'ny fahanterany ary aza ampalahelovina izy amin'ny andro iainany.

13 Na dia very saina aza izy, dia anehoy fandeferana; ary aza manatsinontsinona azy ianao izay heni-tanjaka.

14 Satria ny fiantrana ataonao amin-drainao dia ho tsaroan'Andriamanitra hatrany; ho solon'ny fahotanao izany sy ho fanambinana ny tranonao.

15 Ho tsarovan'Andriamanitra ianao amin'ny andro mahory; ka toy ny ranomandry levon'ny masoandro no indro hahalevonan'ny fahotanao.

16 Izay mahafoy an-drainy dia mpanevateva an'Andriamanitra, ary izay mampahatezitra ny reniny dia ho voaozon'ny Tompo.

17 Anaka, ataovy amin-kalemen-panahy ny asanao, dia ho tiavina noho ny olona malala-tanana ianao.

18 Arakaraka ny maha lehibe anao no ietreo tena,

19 dia hahita sitraka amin'ny Tompo ianao !

20 Na lehibe aza manko ny fahefan'ny TOMPO, dia ny manetry tena no manome voninahitra Azy.

21 Aoka ianao tsy hitady zava-tsarotra loatra aminao ary tsy hikarokaroka izay tsy tratry ny herinao!

22 ny didy nampitaina taminao no saintsaino, fa tsy ilaina hanadihady ny zava-miafina ianao.

23 Aza milofo amin-draharaha tsy tratran'ny eritreritrao, fa ny naseho anao aza efa tsy takatry ny sain'olona.

24 Efa nampivaona olona maro ny fahadisoan-keviny,

25 ka ny fisainana ratsy no nampivily eritreritra azy.

26 Hiafara amin'ny fahavoazana ny fo maditra, ary izay mankamamy loza no ho fatin'izany.

27 Hivesatra fahoriana ny fo maditra, ary fahotana mifanongoa no havosan'ny mpanota.

28 Tsy laitram-panafody ny voina mahazo ny mpiavonavona, satria efa tsara fototra ao aminy ny tsirim-paharatsiana.

29 Ny fon'ny olona misaina no hieritreritra ny fanoharana; ny sofina malady no zavatra irin'ny hendry.

30 Ny rano mamono ny afo midedadeda ary ny asa fiantrana mikosoka ny fahotana.

31 Izay manao asa soa dia mitsinjo ny hoavy, ka hahita fiankinana fony izy hivembena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563