Bena-Siràka
Toko faha-36
1 Ry Andriamanitra TOMPOn'izao rehetra izao o, amindrao fo izahay ka tsinjovy,2 ary androtsahy fanajana Anao amin'ireo firenena isan-tokony.
3 Atsangano handrahona ny hafa firenena ny tananao ary aoka izy ireo hahatsapa ny fahefanao!
4 Nasehonao taminy ny fahamasinanao izay nanasazianao ny hadisoanay. koa asehoy aminay ny fahalehibiazanao izay hamelezanao ny fireharehany.
5 Aoka ho fantany Ianao toy ny nahafantaranay koa fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, Tompo o !
6 Havaozy ny famantarana fahiny ary indrao zy ny zava-mahagaga.
7 Omeo voninahitra ny hery amam-pahefanao.
8 Aoka ho hetsehinao ary hatosakao ny fahavinirana amam-pahatezeranao
9 mba handringana ny mpanohitra anay ary hamongotra ny fahavalonay!
10 Hafaingano ny fotoanandro farany ary tsarovy fa efa voatendrinao izany; dia hambaran'ny olona ny zava-dehibe nataonao.
11 Aoka ny afom-pamaizanao handevona izay afa-mandositra; ary aoka ho tojo fahaverezana ireo mpampahory ny vahoakanao!
12 Torotoroy ny lohan'ireo lehibem-pahavalo, dia ireo manao hoe: "Tsy misy tahaka anay!"
13 Angony avokoa ny foko taranak'i Jakoba.
16 Ka avereno aminy indray ny zarataniny toy ny nananany azy tamin'ny voalohany.
17 TOMPO o, amindrao fo ilay vahoaka mitondra ny anaranao, dia i Israely izay nataonao hoe lahimatoanao.
18 Angorahy ilay tanana misy ny Toeramasinao, dia i Jerosalema izay toeram-pitsaharanao.
19 Ataovy manenika an'i Tsiona ny fankalazana ny asanao mahagaga ary manenika ilay tempolinao ny voninahitrao.
20 Aoka hijoroanao ho vavolombelona ny aminay vahoakanao izay noarinao tany am-boalohany; ary tanteraho ny faminaniana izay notononina tamin'ny anaranao.
21 Omeo valisoa ireo olona manantena Anao mba ho hita fa azo itokiana ireo mpaminaninao!
22 TOMPO o, henoy ny vavak'ireo mpanomponao araka ny hamoram-ponao amin'ny vahoakanao; dia ho fantatry ny mponina rehetra ambonin'ny tany fa Ianao no Tompo Andriamanitra maharitra mandrakizay.
23 Hanina isan-karazany nolevonin'ny kibo kanefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.
24 Ny biby voahaza dia avahan'ny lanilany amin'ny alalan'ny tsiron-kenany; toy izany koa ny teny mamitaka dia avahan'ny fo mieritreritra.
25 Hahatonga fahasahiranana ny fo miolikolika; fa hamaly bontana azy ny olona voasedra.
26 Hoekem-behivavy ho vady izay lehilahy aroso ho azy; kanefa ny zazavavy sasany dia tsaratsara kokoa noho ny hafa.
27 Mahamirana endrika ny lahy, ny hatsaran-tarehin'ny vadiny, ary mihoatra noho izay zavatra iriny;
28 raha hatsaram-po sy halemem-panahy no manenika ny tenin'io vehivavy io, dia mihoatra noho ny an'ny lehilahy hafany anjaran'izany lehilahy izany.
29 Ny lehilahy mahazo vady no manana santatry ny harena, dia mpanampy mitovy aminy sy andry natao hiankinany.
30 Ny tany izay tsy misy fefy dia hanjakan'ny fandrobana; ary ny lehilahy izay tsy manam-bady dia hirenireny homban-tsentosento.
31 Tsy azo itokiana ny jiolahy fetsy izay mitsipika mifindrafindra tanana; toy izany koa ny lehilahy tsy manam-ponenana ka mandry any amin'izay aharivan'ny andro.