Bena-Siràka

Toko faha-16

1 Aza maniry zaza maro tsy mahasoa, ary aza ifalianao ny zanaka tsy tia vavaka.

2 Na dia maro aza ireo, aza ifalianao ny aminy raha tsy momba azy ny fanajana ny Tompo.

3 Aza ianteherana ny fiainan'ireo zazaireo, aza itokiana akory ny hamaroan'isany; aleo manko anankiray marin-toetra toy izay arivo amin'ireo tsy mahasoa ireo; aleo mihitsy aza maty tsy niteraka toy izay mamela zanaka tsy tia vavaka.

4 Ny olona iray mahira-tsaina dia hahabe mponina ny tanana iray; fa ny andian'olon-dratsy kosa hahatonga azy ho tanana aolo.

5 Maro ny zavatra mitovy amin'izany, efa hitan'ny masoko; ary mbola misy aza manaitra noho izany efa ren'ny sofiko.

6 Eo amin'ny fivorian'ny mpanota no mirehitra ny afon'Andriamanitra; ary eo amin'ny vahoaka mpikomy no hiredaredan'ny fahatezerany.

7 Ny TOMPO tsy namela heloka an'ireo rapeto fahiny, izay natoky ny herin'ny tenany ka nikomy taminy.

8 Ilay tanana nonenan'i Lota dia tsy notsitsin'ny TOMPO, satria naharikoriko Azy ny fiavonavonany sahy loatra.

9 Tsy nananan'ny TOMPO indrafo ireo Kanahanita izay vahoaka voatolotra haringana ka nofongorana noho ny fahotany.

10 Tsy nananany indrafo toy izany koa ireo vahoaka israelita andiany eninjato, izay samy maty noho ny ditram-pony avy.

11 Na anankiray ihany aza no mafy hatoka, dia mahagaga loatra raha ho afa-maina izy, satria samy ao amin'ny Tompo avokoana ny indrafo na ny fahatezerana: mahery mamela heloka Izy fa mandraraka ny fahatezerany koa.

12 Araka ny haben'ny indrafony no hamafin'ny famaizany; ho tsarainy araka ny asany avy ny olombelona.

13 Ny mpanota tsy ho afa-mandositra miaraka amin'ny remby azony; ny fahari-pon'ny olona tia vavaka kosa dia tsy ho diso fanantenana.

14 Ny TOMPO dia hanome sehatra hatrany hanaovana asa fiantrana isan-karazany;

15 ka samy araka ny asa nataony avy no hahazoan'ny tsirairay valiny.

16 Aza manao hoe: "Hiafina lavitra ny TOMPO aho;

17 iza moa, avy any ambony any, no hahatsiaro ahy? Ho hadino ao anaty vahoaka marobe ao aho; satria zinona moa izao tenako izao ao anatin'ny voaary tsy hita lany?

18 Indro ny lanitra sy ny faritra ambony lavitra any mbamin'ny tany sy ny hantsan-dranomasina fa mihozongozona rehefa tsidihin'ny Tompo ;

19 ny tendrombohitra sy ny fanambanin'ny tany dia indray mihorohoro rehefa jereny.

20 Koa tsy raharahain'Andriamanitra akory aho ary tsy mampiraika Azy ny fitondrantenako.

21 Raha manao ratsy aho, tsy misy hahita ahy; ary raha mandainga miafina aho, tsy misy hahalala.

22 Iza no hanambara amin'Andriamanitra ny zavatra tsara mba nataoko? Ary inona no azoko andrandraina amin'ny fitandremana ny didiny ?"

23 Izany no fihevitry ny olona tsy ampy fisainana; hadalana no hany eritreretin'ny ketrina maniasia.

24 Mba mihainoa ahy, anaka, ary raiso ny fahaizako; ka aoka hifantohan'ny fonao ny lahateniko!

25 Fanabeazana voalanjalanja no hasehoko, ary fahaizana marim-pototra no hambarako.

26 Tamin'ny naharian'ny TOMPO azy no nisian'ireo asany hatrany am-piandohana; ary hatramin'izany nanaovany azy izany no nanavahany ny zavatra ho isan-tokony.

27 Nataony hirindra maharitra mandrakizay ireo planeta hatrany am-piandohany ka hatramin'ny hoaviny elabe any; tsy mahatsiaro sasatra na noana ireo ary tsy mba mandao ny anjara asany.

28 Tsy mbola nifandona na oviana na oviana ireo ary tsy mbola nisy nitsipaka ny baikon'Andriamanitra.

29 Avy eo ny TOMPO dia nitsinjo ny tany ka nanome azy ny zava-tsoany mitafotafo;

30 nofenoiny biby isan-karazany ny vohony, ka amin'ny tany no tsy maintsy hiverenan'ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0552