Bena-Siràka
Toko faha-43
1 Endrey ny habakabaka, ery ambony, fa madio mangatsakatsaka tokoa ; endrey ny endriky ny lanitra, rehefa tazana mamirapiratra!2 Ny masoandro miseho amin'ny fiposahany dia manambara fa tena zava-mahagaga ny asa ataon'ilay Avo Indrindra.
3 Ny masoandro, rehefa mitataovovonana, dia mahakarankaina ny tany; ka iza no hahatanty ny hafanany?
4 Arehitra hivaivay ny afon'ny lafaoro ho an'ny asa mitaky hafanana; fa intelo henin'izany ny hafanan'ny masoandro izay mampidonaka ny tendrombohitra. Mifofofofo mamoaka eton'afo ny masoandro ary mandefa tara-pahazavana izay mampanjambena ny maso.
5 Lehibe ny TOMPO Izay nanao ny masoandro; ary araka ny didiny no anohizany ny fihazakazahana tontosainy.
6 Ny volana koa dia manaraka lalandava ny ora voatendry hiposahany ho fanondroana ny fotoanandro ary ho famantarana ny faharetany.
7 Ny volana no famantarana ny andro fety, fony izy mihena hazavana, aorian'ny fenomanana.
8 Avy aminy no mahazo anarana ny volana fitsinjaran-taona; ary mampitolagaga ny fitombony ao anatin'ny fiovaovany samy hafa. Izy no fanala manilo ny kintana izay tafika mitoby eny ambony eny; izy no fanala mamirapiratra eo amin'ny habakabaky ny lanitra.
9 Ny kintana sy ny planeta manjopiaka no mampisy endrika ny habakabaka: izany no ravaka mamirapiratra eny amin'ny toerana ambony dia ambony eny.
10 Araka ny didin'ilay Masina no aharetany eo amin'ny sehatra izay voatendry hisy azy avy; ary tsy mba misy mihalangalana ireny eo amin'ny fiambenana sahaniny.
11 Jereo ny avana, ka isaory Ilay nanao azy; fa tsara tarehy fatratra ny avana amin'ny fahazavany mangarangarana.
12 Faribolana mamiratra no soritany eny amin'ny habakabaka eny; ny tanan'ilay Avo Indrindra mihitsy no efa nanenjana azy toy izany.
13 Noho ny baiko ataon'ny TOMPO ihany no irotsahan'ny vongan-dranomandry sy mahadodom-piavy ny hela-baratra izay mpanatanteraka ny fitsarany.
14 Izany no isokafan'ny firaketany ka ivoahan'ny rahona miala tao sy anidintsidinany toy ny vorona.
15 Ny fahefan'Andriamanitra no mampivongana ny rahona ary mampisilasilaka azy hanjary havandra vaventy. 17a- Mampihorohoro ny tany ny fidoboky ny kotrokorany;
16 ary rehefa miseho Izy, dia mihozona ny tendrombohitra. Araka ny sitrapony no itsofan'ny rivotra avy any atsimo
17 b- na ny tafioka avy any avaratra sy ny tadio mitambolina. Andriamanitra no mandrotsaka ny oram-panala toy ny vorona midaboka amin'ny tany; ary toy ny andiam-balala hipetraka no filatsahan'izany oram-panala izany.
18 Fotsy mangatsakatsaka izy ka mampitolagaga ny maso, ary mivatravatra fiavy ka tena mahavariana ny fo.
19 Afafin'Andriamanitra koa ny fanala ho tahaka ny sira miely amin'ny tany; dia hamafisin'ny hatsiaka ireny ho tahaka ny tendron-tsilo maranidranitra.
20 Rehefa injay manomboka mifofofofo kosa ny rivotra mangatsiaka avy any avaratra, dia misy ranomandry mivaingana eny ambonin'ny velaran-drano; ny ranovory isan-karazany no iantefan'izany rivotra izany, ka mova tsy akanjo vy fiarovan-tena no fitafiana andrakofany azy.
21 Mandoro ny tendrombohitra kosa ny rivo-mafana ary mandazolazo ny eny an-tsaha eny, ka toy ny afo mandevona ny zava-maitso.
22 Kanefa ireny zavatra simba ireny dia ny rahona vonton-drano no fanafodiny; ary ny ando tonga no mitondra fiononana aorian'ny hafanana migaingaina.
23 Araka ny fandaharan'Andriamanitra dia nampitoniany ny ranomasimbe ka nisy nosy novoleny teo anivony.
24 Tantarain'ireo mandeha an-tsambo eny ambonin'ny ranomasina eny ny loza mety mitranga ao aminy, ka talanjona dia talanjona isika mandre ny famisavisany azy ,
25 sady ao koa no misy ny zava-boaary hafahafa endrika sy mampitolagaga, dia ny karazan-java-miaina maro sy ny trozona rehetra anaty ranomasina.
26 Tantanan'Andriamanitra ny zava-drehetra hizotra tsara mankany amin'izay hiafarany; noho ny teniny no aharetany miara-mirindra.
27 Afaka milaza betsaka toy izany izahay, nefa tsy hahatapitra ny tokony hambara; ka dia izao no farateny ataonay: Andriamanitra no fototry ny zavatra rehetra.
28 Tsy manan-kery velively izahay hanomezam-boninahitra Azy, satria Izy no Ilay Andriamanitra Lehibe, ambony noho ny asany rehetra.
29 Mahatahotra ny TOMPO sady lehibe tsisy fetra; ary mampitolagaga tokoa ny fahefany.
30 Raha manome voninahitra ny TOMPO ianareo, dia manandrata Azy araka izay azonareo atao, kanefa mbola ho tafahoatra noho izany ihany Izy; ary raha manandratra Azy ianareo, dia mahereza hatrany ka aza mitsahatra satria tsy hahatapitra ny tokony hambara.
31 Iza moa no efa nahita an'Andriamanitra ka afaka hanambara ny momba Azy? Iza no mahay mankalaza Azy araka izay tena tokony ho sahaza Azy ?
32 Vitsivitsy amin'ny asany ihany no hitantsika, fa mbola betsaka ny zava-miafina amintsika ary lehibe kokoa noho ireo voatanisa ireo aza.
33 Eny, ny TOMPO no nanao ny zavatra rehetra; ary ny olona tia vavaka no efa nomeny fahendrena.