Bena-Siràka

Toko faha-9

1 Aza mba saro-piaro ny amin'ny vady lalainao, fandrao hianatra ny ho ratsy fihetsika aminao izy.

2 Aza dia mitolo-tena amina vehivavy, ka ny fahefanao no ho hitsakitsahiny.

3 Aza minia hihaona amina vehivavy janga ianao, fandrao ho tafalatsaka amin'ny famandrihany.

4 Aza mijanona ela miaraka aminavehivavy mpitendry valiha, fandrao ho voafandriny amin'ny fahaizany manodoka ianao.

5 Aza liam-pijery tovovavy ianao, fandrao hiharan-tsazy noho ny aminy.

6 Aza mitolo-tena amina vehivavy janga ianao, fandrao hahavery ny fanananao izany.

7 Aza mijerijery etsy sy eroa eny an-dalamben'ny tanana, ary aza isodisodiana ny toerana mangingina ao aminy.

8 Avilio ny masonao tsy hifantoka amina vehivavy bikana, ary aza liam-pijery ny hatsaran-tarehim-behivavy hafa; maro ny lehilahy efa voasodokan'ny hatsaran-tarehim-behivavy fa hoatra ny afo mampirehitra ny fitiavany azy izany.

9 Aza mipetraka na oviana na ovianamiaraka amina vehivavy vadin'olona;ary aza manao fihinanam-besy misotro divay miaraka aminy, fandrao ny fonao hirom-pitia mankany aminy ka ho voatariky ny filandratsinao ho very ianao.

10 Aza mahafoy ny sakaiza tranainy fa tsy mahaleo azy ny vaovao; ny sakaiza vaovao dia toy ny divay vaovao: ho sotroinao an-kafaliana izy rehefa miha-antitra.

11 Aza mitsiriritra ny voninahitry ny mpanota, fa tsy fantatrao akory izay ho faharavany.

12 Aoka tsy hankatoavinao ny fahombiazan'ny tsy mpivavaka; tsarovy fa tsy ho afa-maina izy, hatrany amin'ny toeran'ny maty.

13 Mitoera lavitry ny olona manam-pahefana hamono, dia tsy hanan-tahotra ny fahafatesana ianao; ary raha manatona azy ianao, dia aoka tsy hanao hadisoana, fandrao dia halany ny ainao! Fantaro fa mandeha eo afovoam-pandrika ianao ary mora asiana toy ny mitety ny mandan'ny tanana.

14 Tombano araka izay azo atao ny namanao, ka maka torohevitra amin'ny olon-kendry.

15 Mifanakaloza hevitra amin'ny mahira-tsaina, ary aoka ny lalanan'Ilay Avo Indrindra no hiompanan'ny resakao rehetra !

16 Aoka ny olo-marina no hiara-misakafo aminao; ary ny fanajana an'Andriamanitra no ataovy reharehanao!

17 Ny asan'ny mpahay taozavatra no hiderana ny hakingany; ary ny lahatenin'ny mpitondra vahoaka no hilazana azy ho hendry.

18 Ny olona mitsaontsaom-bava dia atahorana eo an-tananany; ary ny olona be resaka loatra koa dia hiharan'ny fankahalana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0547