Bena-Siràka

Toko faha-28

1 Izay mamaly ratsy ny hafa dia hahita famaliana avy amin'ny Tompo, fa hosarotsarotiny tokoa Izy amin'ny fahotan'izany olona izany.

2 Avelao ny tsy rariny nataon'ny namanao; dia havela heloka ianao, rehefa mivavaka.

3 Akory ity olona mitahiry fahatezerana amin'olon-kafa, nefa mangataka amin'ny Tompo fanasitranana ho an'ny tenany;

4 tsy mba mamindrafo amin'ny olombelona tahaka azy izy, ka ahoana no mivavaka hamelan-keloka ny tenany ?

5 Izy nofo osa sy malemy aza mitahiry lolom-po, ka iza indray no hahazoany famelan-keloka?

6 Tsarovy ny hiafaranao ka atsaharo ny fankahalana; tsarovy ny fahafatesana amam-pahalovana ary dia tandremo ny didin'Andriamanitra.

7 Tsarovy ny didy ka aza manao lolom-po amin'ny namana; tsarovy ny fanekem-pihavanan'ilay Avo Indrindra, ary ataovy odian-tsy hita ny hadisoan'olona taminao.

8 Halaviro ny fifandirana, dia hihavitsy ny fahotanao, satria ny olona saro-po no hampirehitra ny fifandirana;

9 mampikorontana ny mpisakaiza kosa ny mpanota sady mampisy saritaka eo anivon'ny mpihavana.

10 Arakaraka ny kitay amelomana azy no hirehetan'ny afo; ary arakaraka ny ikirina mafy hifanditra no hirehetan'ny fifandirana. Arakaraka ny fahatanjahan'ny olona no hahatezerany, ary arakaraka ny harena ananany no hahavinirany.

11 Fifanolanana tsy ampoizina no mampirehitra ny afo; ary fifandirana tampoka no mampandriaka ny ra.

12 Raha tsofinao ny vainafo dia hirehitra, ary raha roranao kosa izy dia ho faty, kanefa samy nivoaka avy tao am-bavanao izany.

13 Ho voaozona anie ny mpitakoritsika sy mpiroa lela, fa maro ny mpihavana izay efa simbany !

14 Efa nampihozongozona olona maro tokoa ny sahoan-dresaka naely momba azy sady efa nandroaka azy hifindrafindra firenena; efa nandoza tanana mimanda koa izany ary efa nampikorontana ny ankohonan'ireo lehibe.

15 Efa nampandroaka vehivavy mahery fo ny sahoan-dresaka naely momba azy, sady efa nahafoana ny vokatry ny asany.

16 Izay mihaino ny sahoan-dresaka dia tsy mba hahita ny fitsaharana ary tsy hitoetra hombam-piadanana intsony.

17 Mampisy mangana ny famelezan'ny karavasy, fa manapa-taolana ny famelezan'ny sahoan-dresaka.

18 Maro no efa lavon'ny lelan-tsabatra, kanefa vitsy noho ny efa lavon'ny sahoan-dresaka.

19 Sambatra izay voaaro tsy tratry ny sahoan-dresaka, dia izay tsy voatolotra hiharan'ny fisafoahany sady tsy mitondra ny ziogany no tsy voagejan'ny fatorany.

20 Zioga vy tokoa ny ziogan'ny sahoan-dresaka, ary fatorana varahina ny fatorany;

21 fahafatesana mahatsiravina ny fahafatesana afitsony, ka aleo ny toeran'ny maty noho ny sahoan-dresaka.

22 Tsy mba voafehin'ny sahoan-dresaka ny olona tia vavaka ary tsy mba handoro azy ny firedaredan'ny afony.

23 Izay mahafoy ny TOMPO no ho lavo amin'ny famelezan'ny sahoan-dresaka hirehitra tsy mety maty eo aminy; fa halefa hamely azy tahaka ny liona izany ary hamiravira azy tahaka ny biby leoparda.

24 Jereo fa hodidininao fefy tsilo ny taninao, ary fehezinao mafy ny volafotsinao sy volamenanao;

25 b- toy izany koa asio varavarana voahidy tsara ny vavanao, 25a ary imasoy fatratra ny handanjalanjanao ny teninao.

26 Tandremo mba tsy ho diso amin'ny teny ianao, fandrao ho potraka eo anoloan'izay mitily anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556