Bena-Siràka

Toko faha-39

1 Hafa noho izany kosa izay mampifantoka ny fony handinika ny lalanan'ilay Avo Indrindra ka mianatra ny fahendren'ntaolo rehetra ary manokana ny fotoana malalaka hieritreretana ny hafatr'ireo mpaminany.

2 Halatsany ao am-pony ny tantaran'ny olo-malaza ary ho takariny ny fanoharana saro-pantarina.

3 Hianarany ny hevi-miafin'ny oha-bolana ary handaniany andro ny fanoharana misy ankamantatra.

4 Koa eo afovoan'ny lehibe no hanompoany, ary eo anatrehan'ny mpanapaka no hisehoany; izy no halefa hankany an-tany hafa, satria samy efa tsapany avokoa ny lafy tsara sy lafy ratsy eo amin'ny olona.

5 Mazoto fo tokoa izy raha vao maraina mba hankeo amin'ny Tompo Izay nahary azy, ka hivavaka eo anatrehan'ilay Avo Indrindra; eny, hisoka-bava hiloatra tonombavaka izy ary hanao fifonana noho ny fahotany.

6 Raha sitrak'ilay TOMPO lehibe izany, dia ho feno ny fanahy fahiratan-tsaina izy, hamafy mikararana ny teny fahendrena, ary hanome saotra ny Tompo amin'ny fivavahany.

7 Hitsiny no izoran'ny heviny sy ny fahaizany; ary ny zava-miafin'ny Tompo no ho eritreretiny.

8 Hampiseho ny fampianarana nanofanana azy izy, ka ny hireharehany dia ny lalana izay mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny Tompo.

9 Maro no hidera ny fahiratan-tsain'ny mpahay lalana, ary tsy ho hadinoina na oviana na oviana izany; tsy mba ho levona ny fahatsiarovana azy ary haharitra ny lazany eo amin'ny taranaka mifandimby.

10 Ireo firenena hitanisa ny fahendreny, ary ny fiangonana hanambara ny fiderana azy.

11 Raha mbola velona izy, dia hamela laza mihoatra noho ny an'ny olona arivo hafa; ary raha maty izy, dia ampy azy izany.

12 Tahaka ny volana fenomanana aho, rehefa avy nieritreritra; satria hevitra isan-karazany no mameno ahy, ka tiako mbola ho lazaina izany.

13 Ry zaza tia vavaka, henoy aho mba hitomboanareo hoatra ny raozy maniry eo amoron'ny renirano.

14 Aoka ianareo ho tahaka ny emboka manitra izay mandraradraraka fofona tsara, ho tahaka ny lisy izay rakotra ny felany! Manandrata feo ka miaraha-mihira ianareo ary mankalaza ny Tompo amin'ny asa rehetra vitany.

15 Ambarao fa lehibe ny anarany ary iekeo Izy amin'ny fiderana Azy omban'ny hira ventesinareo sy ny lokanganareo; ka toy izao no teneno amin'ny fiekena Azy:

16 Tsara dia tsara avokoa ny asa vitan'ny TOMPO; ary izay nalahany dia ho tanteraka amin'ny fotoany.

17 Tsy mety ny manontany hoe: "Inona ity? Nahoana izany?", fa ho valiana amin'ny fotoany avy ny fanontaniana rehetra. Noho ny baikon'ny Tompo, dia niavosa ny rano ho toy ny antontan-javatra iray ihany; ary noho ny teny naloaky ny vavany no niangonan'ny rano tao amin'ny fitobiany.

18 Noho ny didiny, dia tonga izay rehetra sitraky ny fony; ary tsy misy mahasakana ny famonjena entiny.

19 Eo anatrehany avokoa ny asan'ny voaary rehetra ary tsy misy azo afenina amin'ny masony.

20 Mahita hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay Izy; ary tsy misy na inona na inona mahagaga Azy.

21 Tsy mety ny manontany hoe: "Inona ity? Nahoana izany?", satria ny naharian'Andriamanitra ny zava-drehetra dia samy misy tanjona kendreny aminy avy.

22 Ny fitahian'ny TOMPO dia tahaka ny ony mihoatra morona, ary tahaka ny tondra-drano mihanaka mamonto tany.

23 Toy izany koa no iamparan'ny fahatezerany mba ho anjaran'ny firenena mpanompo sampy, tahaka ny hita tamin'ny nanovany faritra vonton-drano ho tanin-tsira.

24 Ho an'ny olona tia vavaka dia mahitsy ireo lalana soritan'ny Tompo; fa ho an'ny tsy mpivavaka kosa dia fanakantsakanana ireny.

25 Ny zava-tsoa hatramin'ny voalohany, dia noarina ho an'ny tsara fanahy; fa ny zava-dratsy kosa no ho an'ny mpanota.

26 Ireto no zavatra ilaina indrindra mba hiveloman'ny olombelona: dia ny rano, ny afo, ny vy, ny sira, ny lafarinina, ny ronono, ny tantely, ny divay, ny diloilo ary ny fitafiana.

27 Mahasoa avokoa ireo ho an'ny olona tia vavaka, fa miova ho ratsy kosa ho an'ny mpanota.

28 Misy rivotra noarina mba hanaovana famaizana, ka ny fisafoahany no mampitombo ny loza afitsony; amin'ny andro fandravana, dia hanampatra hery izany ary hampitony ny fisafoahan'Ilay nanao azy.

29 Afo sy havandra, mosary sy fahafatesana: ireny rehetra ireny dia noarina hanaovana famaizana.

30 Ireo vangin'ny biby masiaka, ireo maingoka sy ireo menarana, ary ny sabatra izay manasazy ny mpankahala fivavahana

31 dia samy faly mampihatra ny baikon'ny TOMPO. Eto ambonin'ny tany ireo zavatra ireo dia samy vonona ho amin'ny ilany azy; ka rehefa tonga ny fotoanandro, dia tsy hodikainy ny teniny.

32 Izany no nampiorina mafy ny hevitro, nanomboka hatreo am-boalohany; ka nony efa nanao fandinihana aho, dia nampandry azy an-tsoratra toy izao:

33 "Tsara avokoa ny asa rehetra vitan'ny TOMPO ary ataony vonona amin'ny vanim-potoany ny zavatra isan-karazany tokony ho ilaina.

34 Tsy mety ny milaza hoe: Ratsy noho io ity; fa samy hoekena ho tsara avokoa ireny rehetra ireny amin'ny fotoanandrony.

35 Koa ankehitriny, mihira eram-po eram-bava ary mankalaza ny anaran'ny Tompo!"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0832