Bena-Siràka

Toko faha-8

1 Aza mifanditra amin'olona manam-pahefana, fandrao ho latsaka eo am-pelatanany ianao.

2 Aza mifanjihitra amin'olona mpanankarena, fandrao hahery lanja kokoa noho ianao izy; satria efa nahavery olona maro ny volamena, ary efa navaonany mbamin'ny fon'ireo mpanjaka aza.

3 Aza mifanditra amin'olona basivava, ary aza tohofana kitay ny afony.

4 Aza manao vazivazy amin'olona ratsy taiza, fandrao halainy baraka ny razanao.

5 Aza manome tsiny ny olona miala amin'ny ota; tsarovy fa samy meloka avokoa isika.

6 Aza maneso olona noho ny fahanterany, fa ny sasany amintsika efa miha-antitra koa.

7 Aza mifaly raha misy olona maty; tsarovy fa samy ho faty avokoa isika.

8 Aza hamavoina ny tantara ataon'olon-kendry, dinidiniho ny fanoharana arosony; satria amin'izy ireny no hahazoanao fanabeazana sy hahaizanao manompo eo anilan'ny lehibe.

9 Aza mandao ny tantara ataon'ny anti-panahy satria izy koa dia mba nahare tamin'ny razany; sady amin'izy ireny no hahazoanao fahalalana ary koa fahaiza-mamaly rehefa hilaina izany.

10 Aoka tsy handrombo mpanota ianao, fa toy ny mandrehitra afon'arina izany ka sao handoro anao ny firedaredany!

11 Aza mifanandrina amin'olona be rehaka ianao, fandrao izy mitady haningotra anao amin'ny teninao.

12 Aza mampisambotra vola an'izay mahery noho ianao; ary raha nisy nampisamborinao, dia ataovy anisan'ny very.

13 Aza manao antoka mihoatra noho izay zakanao; ary raha miantoka ianao, dia manahia ny hanefa bebe kokoa.

14 Aza manana ady amin'ny mpitsara,fa ny hajany no hanomezan-drariny azy.

15 Aza miara-dalana amin'olona sahisahy foana, fandrao hovesarany fahasahiranana ianao; ny haitraitrany manko no hanaovany zavatra, ka hiara-maty aminy ianao noho ny hadalany.

16 Aza mifanditra amin'olona mahery setra ary aza mamaky toera-mangina miaraka aminy; fa tsinontsinona eo imasony ny mandatsa-dra, ka eo amin'ny tsy ahazoanao miantso vonjy no hiantorahany hamotraka anao.

17 Aza miara-midinika amin'olona adala, satria tsy mba mahatam-bava izy.

18 Aza manao zavatra an-kiafinafina eo imason'ny vahiny, satria tsy fantatrao izay fihetsika hasetriny an'izany.

19 Aza mamboraka ny fonao amin'izao olona rehetra izao, sady tsy hankasitrahana anao velively izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563