Bena-Siràka

Toko faha-40

1 Fahasahiranana goavana no voatendrin'Andriamanitra hianjady amin'ny olombelona tsy an-kanavaka, ary zioga mavesatra no manindry ireo taranak'i Adama, hatreo amin'ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny ka hatramin'ny andro hiverenany ao an-kibon'ny tany, dia ilay tany reny iombonan'ny miaina rehetra.

2 Ny eritreretiny sy mampanahy ny fony dia ny fiheverana ilay zavatra ampoiziny, izany hoe ny andro fahafatesana.

3 Manomboka amin'ny olona mipetraka eo ambony sezafiandrianana be voninahitra ka hatramin'ny ory mietry tena ao anaty vovotany sy lavenona,

4 manomboka amin'ny olona miakanjo jaky sy manao satroboninahitra ka hatramin'ny mitafy vorokitsay,

5 dia samy azon'ny fahatezerana sy ny fialonana mbamin'ny tebiteby sy ny fikorontanana, samy azon'ny fatahoram-pahafatesana mbamin'ny lolom-po sy ny fifandirana; amin'ny fotoana ialan-tsasatra eo am-pandriana aza, dia ny mamohafoha ny zavatra mampitebiteby azy no ataon'ny torimaso mandritra ny alina.

6 Vao miala sasatra kely tsy ampy toy inona ny olona, dia kotranin'ny nofy miaraka amin'izay, ka sahirana mafy toy ny amin'ny antoandro sady ampahorin'ny fahitana atrehin'ny fony toy ny miaramila mandositra mitsoaka ady.

7 Amin'ny fotoam-panafahana azy, dia mifoha izy ka talanjona satria voan'ny tahotaho-poana.

8 Ireto no zavatra manjo ny miaina rehetra, manomboka amin'ny olona ka hatramin'ny biby, ary ny an'ny mpanota aza ho impitohenin'izany:

9 fahafatesana sy vonoan'olona ary fifandirana sy sabatra, ady sy mosary ary fandringanana sy loza.

10 Ireo antambo rehetra ireo dia voatendrin'Andriamanitra mba hamaizana ny olona mpandika ny lalanany; sady hadisoan'ny olona koa no nahatonga ny safodrano.

11 Izay rehetra avy amin'ny tany dia hiverina amin'ny tany; ary izay avy amin'ny rano dia hiverina any amin'ny ranomasina.

12 Ny fanaovana kolikoly sy tsy an-drariny dia samy ho levona avokoa.

13 Ny harena azon'ny olona tamin'ny tsy an-drariny dia ho tankina tahaka ny ranon-driaka sy hihelina tahaka ny kotrobaratra izay manakoako mafy mandritra ny orana.

14 Hifaly amin'ny loza hihatra amin'ireo ny ampahorina; toy izany no haharingana tanteraka ny mpandika ny lalanan'Andriamanitra.

15 Tsy ho maro fara ny taranaky ny tsy mpivavaka, fa ho tahaka ny foto-kazo mitsipozipozy eo ambonin'ny vatolampy mandondona.

16 Ny volotara maniry akaikin-drano eo amoron'ny ony dia ho voaongotra alohan'ny ahitra hafa rehetra.

17 Tahaka ny saha mahavokatra kosa ny soa atao; ary ho tsarovana mandrakizay ny asa fiantrana.

18 Ho mamy ny fiainan'ny olona mahavita tena sy afa-miasa; fa mamy noho ny fiainan'izy roa tonta ireo ny an'ny olona izay mahita raki-tsoa.

19 Ny manan-janaka na manorin-tanana no mampahateza ny lazan'ny olona; fa mihoatra noho ireo zavatra roa tonta ireo no anombanana ny vehivavy tsy manan-tsiny.

20 Mahafaly ny fo ny divay sy ny mozika; fa mahafaly noho izy roa tonta ireo ny fitiavana ny fahendrena.

21 Manao feo mifanaraka mahafinaritra ny sodina sy ny lokanga; fa mihoatra noho izy roa tonta ireo ny lela mivolana teny mamy.

22 Hafinaretana ho an'ny maso ny bika soa sy ny endrika tsara; fa mihoatra noho izy roa tonta ireo ny hakanton'ny zava-maitso eny an-tsaha.

23 Tafahaona amin'ny fotoana mety ny sakaiza sy ny namany; fa mihoatra noho ny azy roa tonta ny fihaonan'ny vehivavy sy ny vadiny.

24 Ny mpiray tampo sy ny mpanampy dia manohana amin'ny andro fahoriana; fa famonjena lehibe noho izy roa tonta ny fanaovana asa fiantrana.

25 Ny manana volamena sy volafotsy dia mahamatotra ny fandeha; fa ambony lavitra noho izy roa tonta no hanombanana ny torohevitra tsara.

26 Ny harena sy ny hery dia mampahazo toky; fa toky mihoatra noho ny azy roa tonta no omen'ny fanajana ny Tompo. Tsy misy zavatra mahafaty antoka ao anatin'ny fanajana ny Tompo; raha eo izany, dia tsy hisy zavatra mahory ary tsy ilaina intsony ny hitady fanampiana hafa.

27 Ny fanajana ny TOMPO dia tahaka ny saha mahavokatra; ary miaro tsaratsara kokoa izany noho ny voninahitra isan-karazany.

28 Anaka, aoka tsy ho fiaina-mpangataka no hataonao; aleo ny ho faty toy izay ny ho mpangata-dava.

29 Ny fiainan'olona manandrandra ny sakafon'ny hafa dia tsy mba azo heverina velively ho fiainana; fa mandoto fanahy amin'ny hanin'ny hafa izy, kanefa zavatra tokony ho fadina mihitsy izany amin'ny olona manam-pahalalana sy tsara taiza.

30 Eo am-bavan'izay tsy manan-kenatra dia toa mamy ny sakafo nangatahiny; fa ao an-kibony dia handoro hoatra ny afo izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554