Bena-Siràka
Toko faha-15
1 Izay manaja ny TOMPO no hanao toy izany; ary ny mpahay lalana no hahazo fahendrena.2 Toy ny reny hitsena azy ny fahendrena, ary toy ny vady virijiny handray azy,
3 ka ny fahazavan-tsaina no toy ny mofo hafahany azy ary ny fahendrena no toy ny rano hampisotroiny azy.
4 Hiankina amin'ny fahendrena izy ka tsy hilofika ary hiraikitra aminy ka tsy hahazo henatra.
5 Ny fahendrena dia hanandratra azy ho ambonin'ireo mpiray fonenana aminy; ary rehefa hiteny eo anivon'ny fivoriambe izy, dia ny fahendrena no hampiloa-bava azy.
6 Fifaliana sy firavoravoana no ho hitany, ary laza maharitra mandrakizay noho anjarany.
7 Ny olona adala kosa tsy mba hahazo ny fahendrena, ary ny mpanota tsy hahita izany na oviana na oviana.
8 Mihataka lavitry ny mpiavonavona ny fahendrena; ary ny olona fandainga tsy hihevitra izany akory.
9 Tsy sitraka ny fiderana an'Andriamanitra eo am-bavan'ny mpanota, satria tsy mba avy amin'ny Tompo izany fiderana izany:
10 ny fahendrena no mampanonona ny fiderana ary ny Tompo mihitsy no manentana amin'izany.
11 Aza manao hoe: "Ny TOMPO no nampivaona ahy", satria izay zavatra halany, dia tsy ataony.
12 Aza manao hoe: "Ny TOMPO no nampania ahy", satria tsy mila izay mpanota akory Izy.
13 Ny toetra maharikoriko isan-karazany dia samy ankahalain'ny Tompo; ka ireo olona manaja Azy ihany no tsy mankamamy an'izany.
14 Tany am-piandohana no nahary ny olombelona ny TOMPO ary namela azy samy hanaraka ny fisainany avy.
15 Raha tianao ary, dia hitandrina ny didiny ianao; miankina amin'ny sitrakao ny hiraiki-po amin'izany.
16 Nataon'ny TOMPO eo anoloanao ny afo sy ny rano, ka azonao atsotra amin'izay tianao ny tananao.
17 Eo anoloan'ny olona ny fiainana sy ny fahafatesana, ka izay ironan'ny safidiny no homena azy.
18 Lehibe manko ny fahendren'ny TOMPO; sady mahery Izy no mahefa ary mahita ny zavatra rehetra;
19 ny masony dia eo amin'izay manaja Azy, ary fantany avokoa ny asan'ny olombelona.
20 Tsy misy olona notereny hankahala fivavahana ary tsy misy olona nomeny lalana hanota.