Bena-Siràka

Toko faha-41

1 Ry fahafatesana o, akory ity hangidin'ny fahatsiarovana anao ho an'ny velona am-piadanana ao anatin'ny fananany, ho an'ny olona afaka ahiahy sy ambinina amin'ny zava-drehetra sady mbola matanjaka no manao izay mahafinaritra azy !

2 Ry fahafatesana o, sitrako ny tendrinao ho an'ny olona mahantra sy mihareraka na efa tratra antitra sy vesaran'ahiahy isan-karazany na mikomy sy tsy mahay mandefitra intsony.

3 Anaka, aza atahorana ny fotoana voatendry hahafatesanao; tsarovy ireo nialoha anao sy izay ho avy any aoriana.

4 Tendry ampiharin'ny TOMPO amin'izay miaina rehetra izany; ka nahoana moa no ho lavinao ny sitrapon'ilay Avo Indrindra? Na folo taona no efa niainanao na zato taona na arivo taona, dia tsy horaharahaina izany any amin'ny toeran'ny maty any.

5 Zaza maharikoriko toetra ny zanaky ny mpanota izay miaina ao an-tranon'ny tsy mpivavaka.

6 Ho rava no alehan'ny lovan'ireo zanaky ny mpanota, ary fahafaham-baraka no miraikitra amin'ny taranany.

7 Ny ray tsy mpivavaka dia homen-janany tsiny, satria io rainy io no mahatonga azy ho afa-baraka.

8 Mampalahelo ianareo, ry olona tsy mpivavaka izay efa nahafoy ny lalanan'Andriamanitra Avo Indrindra.

9 Raha teraka ianareo, dia teraka hiharan'ny ozona; raha ho faty ianareo, dia ny ozona no ho anjaranareo.

10 Izay rehetra avy amin'ny tsinontsinona dia hiverina amin'ny tsinontsinona; toy izany no alehan'ny tsy mpivavaka izay manomboka iharan'ny ozona ka miafara amin'ny faharavana.

11 Misaona ny olona noho ny hanjo ny vatana, fa tsy ho levona kosa ny lazan'ny mpivavaka.

12 Imasoy tokoa ny hanan-daza tsara fa haharitra hanjohy anao izany, mihoatra noho ny vongam-bolamena arivo.

13 Andro azo isaina ny hoe fiainana sambatra, fa ny laza tsara kosa maharitra mandrakizay.

14 Tandremo amim-piadanana, rey anaka, ny fampianarako: ny fahendrena afenina sy ny rakitra tsy hita, inona no tombontsoa azo avy amin'izy roa tonta?

15 Aleo olona manafina ny hadalany toy izay olona manafina ny fahendreny.

16 Ho lazaiko aminareo ny zavatra tokony hahamenatra, satria tsy tsara fitahiry avokoa ny karazan-kenatra; sady tsy tombana mahatoky hatrany no ataon'ny besinimaro amin'ny zava-drehetra.

17 Manana henatra ny amin'ny fitondrantena ratsy eo anatrehan'ny ray aman-dreny na ny amin'ny filazana lainga eo anatrehan'ny lehibe sy manampahefana;

18 manana henatra ny amin'ny fanaovan-keloka eo anatrehan'ny mpitsara sy ny olon-dalana, na ny amin'ny fandikana lalanan'Andriamanitra eo anatrehan'ny fiangonana sy ny vahoaka; manana henatra ny amin'ny famitahana eo anatrehan'ny namana aman-tsakaiza,

19 na ny amin'ny fanaovana halatra eo anatrehan'ny mpiara-monina. Ataovy henatra ny mandrava fianianana na fifanekena, ny manatsotra tanana hangataka mofo fiantrana na ny manda hanome izay angatahina aminareo,

20 ny tsy mamaly an'izay miarahaba anareo na ny mifantoka mijery vehivavy janga;

21 ataovy henatra ny tsy miraika amin-kavana, na ny maka ny anjara izay nomena ny hafa, ny mifantoka mandinika vehivavy vadin'olona ,

22 na ny mivarilena amin'ny mpanompovavinareo sy ny tamana eo akaikin'ny fandriany. Ataovy henatra ny manao teny mandatsa eo anatrehan'ny sakaizanareo; indrindra aza manao fandatsana, rehefa avy nanome zavatra azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562