Bena-Siràka
Toko faha-34
1 Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain'ny olona tsy misaina; ary ny nofy no mampisidina ny ketrina.2 Toy ny misambotra aloka na manenjika rivotra ny olona manao ny nofy ho zavatra.
3 Tandindon-javatra no hitan'ny olona amin'ny nofy; tahaka ny sarin-tavany eo anoloan'ny tena tavany.
4 Inona no madio mety hipoitra avy amin'ny maloto , ary inona no marina mety hipoitra avy amin'ny lainga ?
5 Zava-poana ny sikidy sy ny fanandroana ary ny nofy; zava-poana toy izany koa ny anjoanjon'eritreritra izay ataon'ny vehivavy manaintaina mihetsi-jaza.
6 Raha tsy hoe nofy avy amin'ilay Avo Indrindra no nirahina mba hizahana toetra anao, dia aza avela hifantohan'ny fonao izany;
7 satria efa namitaka olona maro ny nofy ary lavo izay nanankim-panantenana taminy.
8 Lavorary ny Lalanan'Andriamanitra ka tsy misy fisolokiana toy ireny; ary lavorary koa ny fahendrena izay aloaky ny vava mahatoky.
9 Mahalala zavatra maro ny olona nitety tany; ary ny efa voasedra no miteny amim-pisainana.
10 Izay olona tsy mbola voasedra dia ho kely fahalalana,
11 fa izay efa nitety tany no manavosa haren-tsaina.
12 Betsaka ny zavatra hitako fony aho nitety tany; ary mihoatra noho izay azoko lazaina ny fahalalako.
13 Matetika no efa nananontanona ahy ny fahafatesana, kanefa voavonjy aho satria efa ela nihetezana toy izany.
14 Ho ela velona izay manaja ny TOMPO,
15 satria eo amin'ilay Mpamonjy azy no iorenan'ny fanantenany.
16 Izay manaja ny TOMPO dia tsy matahotra na inona na inona; tsy manahy na oviana na oviana izy satria ny Tompo no fanantenany.
17 Sambatra ny fanahin'izay manaja ny TOMPO!
18 Iza no ianteherany? Ary iza no fiankinany?
19 Ny mason'ny TOMPO dia eo amin'izay tia Azy; fiarovana mahery sy fiankinana mafy Izy, fialofana amin'ny rivotra mahamay, fialofana amin'ny hafanana mandoro; ambenany tsy ho tafintohina ireo ary sakanany mba tsy ho potraka.
20 Mampahery fanahy sy mampahazava fijery Izy sady manome fahasitranana sy fiainana amam-pitahiana.
21 Raha biby azo tsy an-drariny no atao sorona, dia fanatitra misy kilema izany;
22 ary tsy ankasitrahin'Andriamanitra ny fanomezan'ireo mpandika ny lalanany.
23 Tsy ankasitrahin'ilay Avo Indrindra ny fanatitr'ireo tsy mpivavaka; ary tsy araka ny hamaroan'ny sorona atao no amelany ny fahotana.
24 Tahaka ny mamono zanaka eo imason-drainy ny manatitra sorona nalaina tamin'ny fananan'ny mahantra.
25 Mofo kely nisasarany no iveloman'ny mahantra, ka mpandatsa-dra izay maka izany aminy.
26 Mamono mahafaty namana izay manaisotra ny fivelomany;
27 ary mandatsa-dra izay manaisotra ny karaman'ny mpikarama.
28 Raha ny anankiray manorina ary ny anankiray mandrodana, inona no soa azon'izy roa tonta afa-tsy ny fisahiranana ihany?
29 Raha ny anankiray mirary soa ary ny anankiray manozona, feon'iza no ho henoin'ny Tompo?
30 Raha misy mandro avy nanendry faty kanefa mbola manendry azy indray, inona no soa azony tamin'ny fandroany ?
31 Toy izany koa raha misy mifady hanina mba hahazoany famelana ny fahotany, kanefa mbola mamerina ireny fahotana ireny ihany, inona no soa azony tamin'ny fietreny tena ?