Bena-Siràka
Toko faha-12
1 Raha te hankasitrahina ianao amin'ny soa ataonao, dia mba fantaro izay olona anaovanao azy.2 Manaova soa amin'ny olona tia vavaka, dia hahita valim-pitia ianao, ary na tsy avy amin'ilay olona aza dia avy amin'Ilay Avo Indrindra kosa.
3 Tsy mba misy fahasambarana ho an'izay mikiribiby amin'ny ratsy sady tsy mankamamy ny asa fiantrana.
4 Ny olona tia vavaka no omeo zavatra, ary aza mandray na inona na inona avy amin'ny mpanota.
5 Manaova soa amin'ny manetry tena ary aza manome ho an'izay tsy mpivavaka; mandava tsy hanome mofo azy velively ianao, fandrao hanjakazaka ny aminao izany; ka hovaliany ratsy avo roa heny ny soa rehetra vitanao taminy.
6 Fa halan'ny Avo Indrindra koa ny mpanota, ary hampiharany famaizana ny tsy mpivavaka.
7 Ny olona tsara fanahy no omeo zavatra, ary aza mandray na inona na inona avy amin'ny mpanota.
8 Tsy amin'ny andro fanambinana no hahafantarana ny sakaiza; fa amin'ny andro fahoriana kosa dia tsy miafina ny fahavalo.
9 Raha ambinina ny olona, malahelo ny fahavalony; fa raha ory kosa izy, na ny sakaizany aza mihataka.
10 Aza matoky ny fahavalonao na oviana na oviana; satria toy ny varahina rakotry ny harafesina, toy izany koa no ho endriky ny hasomparany.
11 Na mody manetry tena sy manjoko famindra aza izy, dia mitandrema sy miarova tena ianao amin'ny fahavalonao; manoloana azy, dia ho tahaka ny mpandambolambo fitaratra anie ianao ka ho fantatrao fa tsy misy harafesina maraorao intsony ao aminy!
12 Aza apetraka eo anilanao ny fahavalonao, fandrao aongany ianao, dia alainy ny toeranao; aza apetrakao ho tanan-kavananao izy, fandrao tsiriritiny ny toerana misy anao; ka amin'ny farany, nony hahalalany hamarinan'ny foto-kevitro ianao, dia hanana alahelo ama-nenina amin'ny fahatsiarovana ny teniko.
13 Iza no hangoraka izay mpisafosia ka voakaikitry ny menarana tezainy na izay rehetra manatona ny bibidia?
14 Toy izany koa, iza no hangoraka ny miray petsapetsa amin'ny mpanota ka voarohirohy amin'ny fahotana ataony?
15 Raha mbola miara-dalana aminao ny olon-dratsy, dia tsy mampiseho ny tena toetrany; fa raha mianjera ianao, dia avelany ho eo. Raha mbola tafajoro tsara ianao, dia mijanona mitampify aminao izy; fa vao mibolisatra ianao, dia iny izy no lasa.
16 Ny fahavalo dia malefaka am-bava, nefa ao am-pony dia satriny tokoa ny hamarina anao any an-davaka. Ny ranomaso mitrahotraho amin'ny mason'ny fahavalo, nefa ny handatsa-dra anao no mahaliana azy raha misy fotoana hahazoany manao izany.
17 Raha tra-doza ianao, dia hahita azy manoloana anao, ary hody hoe hamonjy anao izy, kanjo hamingana anao;
18 avy eo dia handihindihy loha sy hiteha-tanana izy, tsy hitsaha-mitakoritsidritsika ny aminao, ary hiova endrika ho araka ny mahaizy azy.