Bena-Siràka
Toko voalohany
1 Ny fahendrena rehetra dia avy amin'ny TOMPO ary koa mitoetra miaraka aminy mandrakizay.2 Iza moa no mahisa ny fasika eny amoron-dranomasina sy ny teten-dranonorana ary ireo andron'ny mandrakizay?
3 Iza moa no mahatakatra ny haavon'ny lanitra sy ny haben'ny tany ary ny halalin'ny ranomasimbe?
4 - 5. Voaary talohan'ny zava-drehetra ny fahendrena; efa hatrizay hatrizay no isian'ny fisainana malina.
6 - 7. Iza moa no nanambarana ny foto-pahendrena ary iza no nahalala ny zavatra efany?
8 Iray ihany no hendry sy mahatahotra indrindra, dia ny Tompo Izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany.
9 Ny TOMPO mihitsy no nahary ny fahendrena; Izy no nahita azy sy nanombantombana ny lanjany sady nandrotsaka azy tamin'ny asany rehetra ,
10 dia tamin'ny olona rehetra araka ny halalaham-pony; ary nomeny betsaka an'izany ireo tia Azy Tompo.
11 Ny fanajana ny TOMPO dia voninahitra ireharehana ary koa fehiloha ifalifaliana sy iravoravoana.
12 Ny fanajana ny TOMPO dia mahamirana ny fo, mahafaly sy mahasariaka ary manome andro lava.
13 Izay manaja ny TOMPO no ho tsara fiafara ary hotahina izy amin'ny andro hahafatesany.
14 Ny loharanom-pahendrena dia ny manaja ny TOMPO; ho an'ireo mpivavaka, dia hatrany an-kibon-dreny no miara-miforona amin'ny tenany ny fahendrena.
15 Nanorina fonenana mandrakizay teo amin'ny olona izy ary mendrika hitokiana eo amin'ny taranak'ireo.
16 Ny hafenoam-pahendrena dia ny manaja ny TOMPO. Vokisan'ny fahendrena amin'ireo vokany ny olona;
17 fenoiny izay irin'ny olona ny tranony manontolo, ataony ampoky ny vokany ny sompitra fitehirizany.
18 Ny fehiloham-pahendrena dia ny fanajana ny TOMPO, izay mampahavokatra fiadanana sy fahasalamana tsara.
19 Atosaky ny fahendrena toa ranonorana ny fahaizana amam-pahalalana ho an'ny saina; asondrony voninahitra ireo manana azy.
20 - 21. Ny foto-pahendrena dia ny manaja ny TOMPO ary ny sampany dia ny andro lava iainana.
22 Tsy azo omen-drariny velively ny hatezerana tsy ara-drariny; fa ny fisafoakan'ny olon-tezitra toy izany dia mitarika azy amin'ny fahaverezana.
23 Hatramin'ny fotoana mety no hiandrasan'ny mahari-po, ka haverina aminy indray avy eo ny hafaliana.
24 Hatramin'ny fotoana mety no hitanany mangina ny heviny; ka ho tantarain'ny besinimaro ny fahamalinany.
25 Anisan'ny raki-pahendrena ireo ohabolana vokatry ny fahaizana; fa ny fanajana an'Andriamanitra kosa dia maharikoriko ny mpanota.
26 Ianao izay maniry ny fahendrena, tandremo ny didin'Andriamanitra, dia homen'ny Tompo anao izany.
27 Ny fahendrena amam-pahalalana manko dia ny fanajana an'Andriamanitra; ary ny zavatra mahafinaritra Azy dia ny toetra mahatoky sy ny halemem-panahy.
28 Aza manda ny fanajana ny TOMPO, ary aza fo miefitrefitra no anatonanao Azy.
29 Aza mihatsaravelatsihy eo imason'ny olona, fa tandremo ny teny avoakanao.
30 Aza manandra-tena ianao fandrao miongana, ka hitarika henatra ho an'ny tenanao; fa ny Tompo hanambara ny zavatra afeninao ka hampietry anao eo afovoan'ny fivoriam-bahoaka, noho ianao tsy niroso tamin'ny fanajana ny Tompo ary satria feno fihatsarambelatsihy ny fonao.