Bena-Siràka

Toko faha-26

1 Sambatra ny vadin'ny vehivavy tsara fanahy, ary hampitomboina roa heny ny andro iainany.

2 Ny vehivavy mahery fo dia fifalian'ny vadiny, ka hiadana ny lahy mandritra ny taona iainany.

3 Anjara soa ny vehivavy tsara fanahy: izany indrindra no anjara homena an'ireo lehilahy manaja ny Tompo;

4 na manankarena na mahantra ny lehilahy toy izany, dia ho faly fo sy ho mirana endrika mandrakariva.

5 Misy zavatra telo mampanahy ny foko fa misy zavatra fahefatra tena atahorako: dia ny sahoan-dresaka aelin'ny mpiray tanana sy ny fivorivoriam-bahoaka ary ny fanendrikendrehana; samy ratsy noho ny fahafatesana ireo rehetra ireo.

6 Fa ny fahoriam-po tena mampiferinaina dia ny mahita vehivavy mialona vehivavy hafa; ka loza no afitsoky ny teniny fa mitsabatsabaka amin'ny zava-drehetra.

7 Ny vehivavy ratsy fanahy dia mitera-doza tahaka ny ziogan'omby mihilangilana; ary izay te hamolapolaka azy dia tahaka ny misambotra maingoka.

8 Ny vehivavy mpidoroka dia zava-mahatezitra tokoa, fa tsy afaka hanafina ny tokony hahamenatra azy izy.

9 Ny vehivavy mpijangajanga dia mora fantarina amin'ny fijeriny sahisahy sy amin'ny hodimasony.

10 Raha misy zanakavavy maditra dia hamafiso ny fiambenanao azy; fa raha mahita anao manao tsirambina izy, dia hanaram-po amin'ny filibana.

11 Tandremo koa ny fijeriny tsy mahalala menatra; ary aza gaga raha mamitaka anao izy.

12 Toy ny ataon'ny mpivahiny mangetaheta misoka-bavaka misotro amin'izay karazan-drano sendra azy, toy izany koa no hipetrahan'ny vehivavy janga eo anoloan'ny tsimaday rehetra sy hanokafany ny fitoeran-jana-tsipikany amin'ny zana-tsipika rehetra.

13 Ny hasoan'ny vehivavy no hampifaly ny vadiny, ary ny haitao ananany no hampahery tena azy.

14 Ny vehivavy mahatam-bava dia fanomezan'ny TOMPO, sady tsy azo tombanam-bidy izy raha nobeazina tsara.

15 Soa anampy soa ny vehivavy maotina, ary tsy azo tombanana izy raha mahonon-tena.

16 Tahaka ny masoandro misandratra ho eny amin'ny habakabaka ambony eny no isehoan'ny bikan'ny vehivavy soa ao an-tranony voaravaka tsara.

17 Tahaka ny jiro mirehitra eo ambonin'ilay fitoeran-jiromasina no isehoan'ny hatsaran-tarehy eo ambonin'ny toe-batana mirindra.

18 Tahaka ny andry volamena eo ambonin'ny fototra volafotsy no fijery ny ranjo tsara tefy eo ambonin'ny faladia tomady.

28 Misy zavatra roa mampalahelo ny foko, ary anankiray fahatelo manetsika ny hatezerako: dia ny mpanankarena nanjary ory satria niharan'ny fahantrana; ny olona mahira-tsaina kanefa tevatevaina; ary indrindra ny miala amin'ny fahamarinana mba hivarilavo amin'ny fahotana: omanin'ny Tompo ho fatin'ny sabatra izy.

29 Sarotra ho an'ny mpandranto ny miaro tena tsy hanota; ary tsy ialam-pahotana hatrany ny mpivarotra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0553