Bena-Siràka

Toko faha-29

1 Izay mampisambotra amin'ny namany dia manao asa fiantrana; ary izay manohana azy amin'ny fanampiana dia mitandrina ny didin'Andriamanitra.

2 Ampisambory vola ny namanao amin'ny fotoam-pahasahiranany; kanefa avereno amin'ny fotoana nifanarahanareo ny vola nampisamboriny anao.

3 Tano ny teninao ary aoka hahatoky azy ianao, dia ho hitanao mandrakariva izay ilainao.

4 Heverin'olona maro ho toy ny zavatra hitany sy azony tahirizina ho fananany ny zavatra izay nampisamborina azy; ka miteraka fahasahiranana izany ho an'ireo nanampy azy.

5 Hanoroka ny tananao ny mpitrosa ary hanao teny malefaka ny amin'ny fanananao ambara-pahazony ny volanao; kanjo amin'ny fotoana famerenany , dia manao hataka andro izy ka teny fitarainana hatrany no havaliny ary ny andro sarotra no homeny tsiny.

6 Raha mba manan-kaloa ihany ny mpitrosa, dia zara raha ny antsasaky ny nosamboriny no azo ka hataon'ny mpampisambotra ho vintana tsara izany. Fa raha tsy manan-kaloa ny mpitrosa, dia very maina ny fananan'ny mpampisambotra ary tonga fahavalony kosa ity mpitrosa izay hamaly azy ozona sy ompa ary fanesoana ho solom-boninahitra.

7 Koa maro no manda tsy hampisambotra noho izany faharatsian'ny olona izany, fa matahotra izy sao very maina ny volany.

8 Kanefa aoka ianao hahari-po amin'ny ory, ary aza mangataka andro amin'ny fiantrana azy!

9 Aoka ny didin'Andriamanitra no hamonjenao ny sahirana , ary aza ampialanao maina izy noho ny fahantrany !

10 Aoka ianao ho vonona ho very vola hanasoavanao ny mpiray tampo aman-tsakaiza, toy izay hamela vola ho very foana ho harafesina ao ambanin'ny vato!

11 Ampiasao araka ny didin'ilay Avo Indrindra ny harenao , dia hahasoa anao bebe kokoa noho ny volamena izany.

12 Aoka ianao hanidy ny fiantrana vitanao ho ao anatin'ny fitahirizan-drakitrao, fa hanafaka anao amin'ny loza isan-karazany izany ;

13 mihoatra noho ny ampinga mafy sy ny lefona mahery no hiadiany hiaro anao eo anoloan'ny fahavalo.

14 Ny olona tsara fo dia ho mpiantoka ny namany, fa izay efa lany henatra ihany no handao azy.

15 Aza manadino ny soa nataon'ny mpiantoka, fa ny ainy no efa nomeny hisoloanao.

16 Ny mpanota no handany foana ny haren'ny mpiantoka azy

17 ary ny tsy mpankasitraka no handao izay namonjy azy.

18 Ny mitolo-tena ho mpiantoka dia efa nahavery olona maro izay niadana tsara, ary efa nampivembena azy ireo tahaka ny onjan-dranomasina; nahalao monina olona manampahefana izany ary nampirenireny azy tany amin'ny firenen-kafa.

19 Dodona ny mpanota hilatsaka ho mpiantoka, saingy fatra-pitady tombom-barotra loatra izy ka hiharan'ny famelezana any am-pitsarana.

20 Vonjeo ny namanao araka izay zakanao, kanefa tandremo sao mamandri-tena ianao.

21 Ny lohalaharana amin'ny tohan'aina dia ny rano sy ny sakafo ary ny fitafiana mbamin'ny trano hitandroana ny haja.

22 Aleo miaina mahantrahantra ao an-tranon'ny tena toy izay sakafo mandany be any an-tranon'olon-kafa.

23 Aoka hianina ianao, na be na kely anananao , dia tsy handre ny tenanao esoina ho vahiny!

24 Fiainana mampiferinaina ny mitety trano, sady atao vahiny ianao ka tsy mahazo miloa-bava.

25 Hanome hanina amam-pisotro ny tompon-trano ianao, kanefa tsy hahazoanao fankasitrahana akory izany; ary fanampin'izany aza ianao handre teny mangidy hoe:

26 Avia, ry vahiny, amboary ny sakafo; ary raha manan-javatra ianao, omeo ahy ho haniko.

27 Na hoe: "Mandehana any, ry vahiny, omeo ny mendrika azy kokoa ny toerana; hiara-mitoetra amiko ny rahalahiko ka mila ny tranoko aho."

28 Mafy amin'ny olona manan-tsaina ireto zavatra ireto: dia ny fandatsana ataon'ny mpampiantrano sy ny fanalam-baraka ataon'ny mpampisambotra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549