Bena-Siràka
Toko faha-46
1 I Josoa, zanakalahin'i Nona, dia olona nahery an'ady sy nandimby an'i Mosesy tamin'ny maha mpaminany; koa, araka ny anarany, dia niseho ho lehibe izy tamin'ny famonjena an'ilay vahoaka voafidin'ny Tompo sy tamin'ny famaizana ireo fahavalo nanohitra azy mba hahatonga ny vahoaka Israely handray ny zarataniny.2 Endrey izany voninahitra azony, rehefa nanainga tanana izy ka naninjitra ny sabany mba hamely ireo tanana.
3 Tsy nisy olona talohany nahery fo tahaka azy, satria izy mihitsy no nisahana ireo adin'ny Tompo.
4 Moa tsy baikony ve no nihemoran'ny masoandro ary naharetan'ny andro iray ho toa andro roa?
5 Rehefa noporetin'ny fahavalo hatraiza hatraiza izy, dia ilay Avo Indrindra sady Mahery no nantsoiny; ary nihaino azy ilay Tompo lehibe ka nandefa vongan-kavandra vaventy dia vaventy.
6 Dia niantorahan'i Josoa ny tafika nanohitra ary teo amin'ilay fidinana no naripany ny fahavalo mba hahalalan'ny hafa firenena izay niady nanohitra ny Tompo ireo fitaovam-piadiana rehetra fampiasan'i Josoa, satria nizotra nanaraka an'ilay Mahery izy.
7 Tamin'ny andron'i Mosesy koa i Josoa no efa naneho toetra mahafatra-po, dia izy sy i Kaleba zanakalahin'i Jefone fony izy roa lahy nanohitra ny vahoaka tafangona ka nisakana azy tsy hanao fahotana ary nampangina ny fimonomononan-dratsy.
8 Ka dia izy roa lahy ireo no hany voatahiry tamina miaramila nisy andiany eninjato, mba hampiditra ireo mpiray firenena aminy ao amin'ny tany natao ho fananany, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely
9 Ary nanome hery an'i Kaleba tokoa ny TOMPO, dia hery naharitra hatramin'ny fahanterany ka nahazoany an'ilay faritra be havoana izay mbola voatanan'ny taranany ho fananany.
10 Izany no nahatsapan'ny Israelita rehetra fa tsara ny mizotra manaraka ny Tompo.
11 Ny amin'ny Mpitsara koa, dia samy nanana ny lazany avy. Tsy mba voasodokan'ny fanompoan-tsampy izy rehetra ary tsy mba nihataka niala tamin'ny Tompo. Hisaorana an'Andriamanitra anie ny fahatsiarovana azy!
12 Na dia efa ao am-pasana aza ny taolambalony, dia hampijoro olona handimby azy anie ny Tompo! Enga anie ny laza nananan'ireo olomanga ireo ho velona indray eo amin'ny taranaka amam-parany!
13 I Samoela dia notiavin'ny TOMPO sady mpaminany nampiorina ny fitondra-mpanjaka ary nanosotra filoha ho mpanjakan'ny vahoakany.
14 Araka ny lalanan'ny TOMPO no nitsaran'i Samoela an'ireo mpiray firenena tafangona; ka notsinjovin'ny Tompo ireo taranak'i Jakoba.
15 Ny toetrany mahatoky ny nisehoany ho mpaminany marina; ny hafatra nampitainy no niekena azy ho mpahita azo antoka tokoa.
16 Rehefa noporetin'ny fahavalo hatraiza hatraiza izy, dia niantso vonjy tamin'ilay Tompo mahery sady nanao sorona Zanak'ondry mbola minono.
17 Dia nandefa kotrokorana avy tany an-danitra ny TOMPO sy nampandre ny feony nirefodrefotra mafy;
18 ka nataony ringana ireo filoham-pahavalo , dia ireo rehetra mpanapaka ny Filistinina.
19 Talohan'ny fotoanandron'ny torimasom-pahafatesana dia nanao fanambarana ampahibemaso i Samoela teo anatrehan'ny Tompo sy ilay mpanjaka voahosony; ka hoy izy hoe: "Tsy mba nisy olona na iza na iza nakako zavatra, na dia ny kapany ihany aza. "Tsy nisy rahateo olona nanome tsiny an'i Samoela.
20 Rehefa nodimandry aza izy, dia mbola naminany ihany ka nilaza tamin'ny mpanjaka ny hahafatesany; avy any an-kibon'ny tany koa izy no nanandra-peo ka naminany mba hamongorana ny heloky ny vahoaka.