Bena-Siràka

Toko faha-51

1 Te hankalaza Anao aho, ry TOMPO Mpanjaka o, ary te hidera Anao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy ahy; eny, Ianao mihitsy no ankalazaiko

2 satria mpiaro ahy sy mpanampy ahy Ianao , sady nanafaka ny tenako tamin'ny faharavana sy tamin'ny fandrik'ireo mpanendrikendrika mbamin'ireo olona mpamoron-dainga. Teo anatrehan'ireo mpandrafy ahy

3 dia nanampy ahy sy nanafaka ahy Ianao. Ny haben'ny indrafo aman-dazanao no nasehonao fony Ianao nanafaka ahy tamin'ny vangin'ireo vonon-kandrapaka ahy sy tamin'ny tanan'ireo nitady hamono ahy ho faty ary tamin'ny fahoriana rehetra nihatra tamiko.

4 Nafahanao aho tsy ho sempotry ny arina mivaivay nanodidina ahy ary tsy ho main'ny afo izay tsy narehitro akory.

5 Notsoahanao tamin'ny hantsan-dalin'ny toeran'ny maty aho, dia tamin'ny resaka maloto sy teny mandainga

6 ary tamin'ny zana-tsipika avoaky ny mpanao vava ratsy. Efa teo ambavahaonan'ny fahafatesana aho ary efa nikasika ny toeran'ny maty ny aiko ;

7 nanodidina ahy hatraiza hatraiza ny fahavaloko sady tsy nisy olona hanampy ahy; niandrandra vonjy avy amin'ny olombelona aho, kanefa tsy nisy velively akory.

8 Izay aho, TOMPO o, vao nahatsiaro ny indrafonao sy ny fanasoavanao hatrizay hatrizay; tsaroako fa afahanao ireo fatra-piandry Anao ary vonjenao tsy ho azon'ny fahavalo.

9 Koa hatreto an-tany aho no nanandra-bavaka sy nitalaho taminao hanafaka ahy tsy ho faty.

10 Niantso Anao aho hoe: "TOMPO o, Raiko Ianao, aza ilaozanao aho amin'ny androm-pahoriako, dia amin'ny andro anjakan'ny mpiavonavona ka tsy ahitako fanampiana velively.

11 Tsy hitsahatra ny hidera Anao aho ary hihira Anao amin'ny hiram-pisaorana. "Dia nohenoinao tokoa ny fivavahako,

12 fa novonjenao tsy hiharan'ny faharavana aho ary nafahanao tamin'ny andron-doza nanjo ahy. Koa izany no hisaorako Anao sy hiderako Anao ary hankalazako ny anaranao, Tompo o.

13 Fony aho mbola tanora, alohan'ny hivezivezeko, dia nitady an-karihary ny fahendrena aho tamin'ny fivavahana nataoko.

14 Teo anoloan'ny Toeramasina no nangatahako izany; ary hatramin'ny farafofonaiko no hitadiavako azy.

15 Rehefa namony tao amiko ny fahendrena, dia moa va tsy sampahom-boaloboka mihamatoy, ka nanjary fifalian'ny foko izany; dia lala-mahitsy no nizoran'ny diako, ary nanjohy soritra ny fahendrena aho nanomboka tamin'ny fahatanorako.

16 Nanongilan-tsofina kelikely fotsiny aho hihaino azy, dia efa nandray ny fahendrena sahady ka nahazo fampianarana betsaka ho ahy.

17 Fandrosoana no vokatr'izany teo amiko, ka sitrako ny manome voninahitra an'Ilay nanolotra ahy ny fahendrena.

18 Eny, tapa-kevitra ny hampihatra azy aho; fatra-pitady ny soa aho ka tsy diso fanantenana.

19 Niezaka mafy hitana ny fahendrena aho ary nitandrina tsara hanoa ny lalanan'Andriamanitra. Nanandra-tanana any ambony aho mba hivavaka; ka niekeko ny fanaovako tsirambina ny fahendrena.

20 Notarihiko hifantoka aminy ny fanahiko; ary nadio toetra aho ka nahita azy. Hatrany am-boalohany no nahazoako fahalalana taminy, ka izany no tsy hamoizany ahy na oviana na oviana.

21 Nientam-po hikatsaka azy aho ka nahazo zava-tsoa sarobidy.

22 Dia nomen'ny TOMPO fahaiza-miteny ho valisoa aho ka ampiasaiko hiderana Azy izany.

23 Manatona ahy ianareo, ry olona tsy manam-pahalalana, aoka hiorim-ponenana aty an-trano fianaram-pahendrena.

24 Nahoana no milaza ho tsy manana ny hareny ianareo, kanefa mangetaheta fatratra izany ny fanahinareo?

25 Miloa-bava aho ka miteny hoe: "Raiso maimaim-poana ny fahendrena.

26 Aondreho eo ambany ziogany ny vozonareo ary aoka ny fanahinareo handre ny fampianarany , fa akaiky dia akaiky anareo izy ka mora hita.

27 Aoka hahita maso ianareo fa tsy nikely aina firy aho, dia efa nahazo fitsaharana lehibe ho an'ny tenako.

28 Milatsaha hihaino ny fampianarako izay sarobidy toy ny volafotsy betsaka; fa vokatr'izany kosa dia mova tsy volamena betsaka no tombontsoa ho azonareo."

29 Mifalia amin'ny indrafon'ny TOMPO ianareo, ary aza menatra amin'ny fiderana Azy.

30 Tanteraho ny asanareo alohan'ny fotoana hiaviany, dia homeny valisoa ianareo amin'ny fotoanandrony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563