Bena-Siràka
Toko faha-5
1 Aza miantehitra amin'ny harenao ary aza manao hoe: "Ampy ahy izany!"2 Aza mety ho tarihin'ny fironanao mahery vaika mba hanaraka ny fanirian'ny fonao.
3 Aza manao hoe: "Iza no hanam-pahefana amiko?", satria hiharan'ny sazin'ny Tompoto koa ianao.
4 Aza manao hoe: "Efa nanota aho, kanefa tsy nisy zavatra nanjo ahy!", fa mahari-po tokoa ny Tompo.
5 Aza mitoky loatra havela heloka, hany ka hanampy ota ny ota.
6 Aza manao hoe: "Be hatsarampo Andriamanitra ka hamela ny heloka maro miavosa!", satria samy ao aminy ny indrafo sy ny hatezerana; ary hianjera amin'ny mpanota ny fahavinirany.
7 Aza mitaredretra hiverina amin'ny TOMPO, ary aza mangataka andro isan'andro izao; satria hipoaka tampoka ny fahatezerany, ka ho levona ianao amin'ny andro famaizany.
8 Aza miantehitra amin'ny harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefanao na inona na inona ireny amin'izay andro mahory anao.
9 Aza ny rivotra rehetra no ikororoham-bary ary aza ny lalana rehetra no andehanana toy ny fanaon'ny mpanota miroalela.
10 Miorena mafy amin'ny fihevitrao, ary aoka ho tokan-teny ianao!
11 Aoka hahafaingana anao ny mihaino, fa tsy hahamailaka anao ny mamaly !
12 Raha manan-kevitra ianao no mamalia ny namanao; fa raha tsy izany kosa, tampeno tanana ny vavanao.
13 Na ny voninahitra na ny henatra dia samy ao amin'ny resaka atao; ary ny tenin'ny olona ihany no mety hitarika faharavana ho azy.
14 Aza mitady laza ho mpanaratsy ary aza mamela-pandrika amin'ny fiteny, satria ny mpangalatra no iantefan'ny henatra ary ny mpiroa lela no iharam-panamelohana mafy.
15 Aza disona amin'ny zavatra kely na lehibe.