Bena-Siràka
Toko faha-50
1 I Simona, zanakalahin'i Onia , no mpisorombe nanamboatra ny tranon'Andriamanitra fahavelony ary nanamafy ny tempoly tamin'ny androny.2 Izy no nandatsaka ny fototr'ilay rindrina izay avo roa heny mba hanjary fanorenana ho an'ny fefy manodidina ny tempoly.
3 Tamin'ny androny koa no nanaovana ny famorian-drano, dia dobo anankiray izay mitovy refy vava amin'ilay fitobian-drano goavana tao an-tempoly.
4 Nokarakarainy ny vahoakany tsy hiharan'ny faharavana ary nohamafisiny ny tanana mba hahatoha fahirano.
5 Akory ity voninahitra lehibe nananan'i Simona, rehefa nivoaka ilay Toeramasina voaefitra lamba izy sy nitanjozotra mandeha manodidina ny tempoly.
6 Toy ny kintana fitarikandro eo afovoan-drahona izy na ny volana fenomanana amin'ny andro Paska;
7 toy ny masoandro manjelanjelatra manazava ny tempolin'ilay Avo Indrindra, na toy ny avana mangirangirana eo anivon-drahona mamirapiratra.
8 Tsara endrika toy ny vonindraozy lohataona izy, na toy ny felana lisy eo amoron-drenirano na ny zava-maitson'i Libano amin'ny fahavaratra;
9 mendri-kaja izy, toy ny vovo-javamanitra izay mirehitra eo amin'ny alitara fandorana azy, na toy ny fanaka volamena voaravaka vatosoa isan-karazany.
10 Toy ny hazo oliva efa mamokatra voa i Simona na toy ny hazo kipreso mijoalajoala manaka-drahona.
11 Rehefa nanao ny akanjo rebareban'ny mpisorombe izy ka nitafy ny fanamiany marevaka rehetra ary niakatra teo amin'ny alitara masina, dia nampihanaka famirapiratana eran'ny faritra manodidina ny Toeramasina.
12 Nitsangana teo akaikin'ny fatan'ny alitara izy no nandray avy teo an-tanan'ireo mpisorona ny zavatra voarasa mba hatao sorona; ireto mpisorona namany kosa nanao faribolana miendrika satroboninahitra manodidina azy tahaka ny zana-kazo sedera any Libano ary nanemitra azy toy ny vondron'antrendry.
13 Ireo mpisorona, taranak'i Aharona, dia teo avokoa samy voatafy fanamiana marevaka ary nitana ny fanatitra ho an'ny Tompo teo anatrehan'ny fiangonan'i Israely manontolo.
14 Tamin'izay i Simona no nanatontosa ny fanompoana teo amin'ny alitara, ka nandahatra tsara ny fanatitra ho an'ilay Avo Indrindra sady Mpifehy ny tontolo;
15 dia nanatsotra tanana handray ny tsatokaty izy ary nandraraka ny divay izay ram-boaloboka, sy nampihanaka azy teo am-pototry ny alitara mba ho hanitra mamerovero ho an'ny Avo Indrindra, dia ilay Mpanjakan'izao tontolo izao.
16 Amin'izany ireo mpisorona, taranak'i Aharona, dia nihoby sy nitsoka trompetra volafotsy ary nanao horaka mitalakotrokotroka mba ho fanankinana ny vahoaka amin'ny fahatsiarovan'ilay Avo Indrindra.
17 Ny vahoaka rehetra kosa tamin'izay dia indray nientana nihohoka tamin'ny tany mba hitsaoka ny Tompon'izy ireo, dia ilay Andriamanitra Mahefa sy Avo Indrindra.
18 Avy eo dia ny mpihira no nanampatra feo nidera Azy ka hira mahafinaritra no indray nireondreona mafy.
19 Ary nitaraina tamin'ny TOMPO Avo Indrindra ny vahoaka izay naharitra nivavaka teo anatrehan'ilay Mpamindrafo, mandra-pahatapitry ny fomba fanajana ny Tompo ka vitan'ny mpisorona avokoa ny fanompoam-pivavahana.
20 Dia nidina niala ny alitara tamin'izay i Simona mpisorombe ary nanandra-tanana tambonin'ny Israelita rehetra tafangona ka niloa-bava nanome azy ny tsodrano avy amin'ny Tompo. Izany no nananany voninahitra hanonona ny anaran'ny Tompo.
21 Dia niankohoka fanindroany ny vahoaka tafangona mba handray ny tsodrano avy amin'ilay Avo Indrindra.
22 Ankehitriny ary dia misaora ilay Andriamanitr'izao rehetra izao, mpanao zava-dehibe hatraiza hatraiza, satria Izy no mampitombo antsika hatrany am-bohoka sady mitondra antsika araka ny famindrampony.
23 Enga anie hanome hafaliam-po antsika Izy ary hampisy fiadanana amin'izao androntsika izao toraka ny tamin'ny fahagola teo amin'i Israely!
24 Ho azo antoka ho antsika hatrany anie ny famindrampony ka hanavotra antsika mandritra ny androm-piainantsika !
25 Misy firenena roa ankahalain'ny foko ary ny fahatelony aza tsy firenena akory:
26 dia ireo mponina any an-tendrombohitra Sehira sy ny Filistinina ary ilay vahoaka adala izay miorim-ponenana ao Sekema.
27 I Jesoa, Bena-Siraka sy zafin'i Elehazara avy ao Jerosalema, no nanoratra fampianarana mirakitra fahiratan-tsaina sy fahaizana ato amin'ity boky ity. Ao no natosany tahaka ny ranonorana ny fahendrena nameno ny fony.
28 Sambatra izay mahavatra mamaky ireo anatra ireo; ho tonga hendry izay mandray azy ao am-pony.
29 Raha mampihatra ireny izy, dia hahery amin'ny zava-drehetra satria ny fahazavan'ny Tompo no andehanany.