Bena-Siràka

Toko faha-22

1 Sahala amin'ny vato feno diky maloto ny kamo, ka akorain'ny besinimaro izy satria afa-baraka.

2 Sahala amin'ny avosan-jezika ny kamo, ka izay mandray izany hanifikifi-tanana.

3 Ny zazalahy ratsy taiza dia henatra ho an-drainy; ny zazavavy izay toy izany koa dia teraka hanome fatiantoka azy.

4 Ny zazavavy misaina dia hahazo vady; fa ny zazavavy ahazoan-kenatra kosa dia mampalahelo ny ray niteraka azy.

5 Ny vehivavy tsy valahara dia henatra na ho an'ny rainy na ho an'ny vadiny; ka samy hanamavo azy izy roa tonta.

6 Ny fananarana dia tsy sahaza azy velively toy ny mozikam-pifaliana eo anivom-pisaonana; fa ny mampiasa tsora-kazo sy famaizana kosa no fahendrena amin'ny fotoan-drehetra.

9 Ny mampianatra olona adala dia toy ny mamitrana vilany tany vaky na toy ny mamoha mpatory rendrika lalina amin'ny torimaso.

10 Toy ny miteny amin'olona rendremana ny miresaka amin'olona adala, ka farany izy vao hanao hoe: "Ahoana ange?"

11 Itomanio ny maty, satria very fahazavana izy; itomanio koa ny olona adala satria very saina izy; itomanio moramora kokoa ny maty satria nahazo fitsaharana izy; fa ny fiainan'ny olona adala kosa dia ratsy noho ny fahafatesana.

12 Ny fisaonana ny maty dia maharitra fito andro ihany; fa ny fisaonana ny olona adala na ny tsy mpivavaka kosa dia maharitra mandritra ny andro rehetra iainany.

13 Aza lava resaka amin'olona adala ary aza miara-dalana amin'ny tsy manan-tsaina; mitandrema tena aminy mba tsy ho sahirana ianao ary tsy ho voatolony rehefa mihifikifika izy; ihodiviro izy, dia hahita fitsaharana ianao sady tsy hotsiravina mahita ny hafokany.

14 Inona moa no zavatra mavesatra noho ny firaka? Tsy inona akory izany fa ny olona adala.

15 Na ny fasika iray kitapo na ny sira iray gony na ny vongam-by dia mora entina kokoa noho ny olona tsy manan-tsaina.

16 Ny hazo voarafitra mafy eo amin'ny taon-trano dia tsy mba ho ravan'ny horohoron-tany; toy izany koa ny olona miraiki-po mafy amina fikasana voahevitra tsara dia tsy mba hanan-tahotra akory na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra aza.

17 Ny olona miankim-po tsara amin'ny fotokevitra voasaintsaina dia mitana mafy toy ny lalotra voaharo fasika izay mandravaka rindrina malambolambo.

18 Tsy mahatanty ny rivotra mitsoka mahery ny vatokely apetraka ambonin'ny tamboho; toy izany koa tsy mahatoha ny tahotra mianjady ny fo ampihorohoroin'ny hevitra adaladala.

19 Izay manindrona ny maso hampilatsa-dranomaso; ary izay manindrona ny fo hampamoaka alahelo.

20 Mampandositra ny vorona ny mitora-bato azy, ary mandrava fisakaizana ny manome tsiny sakaiza.

21 Raha nanatsoaka antsy hanambana sakaiza ianao, dia aza manary toky fa mety hisy ihany ny hiverenany.

22 Raha niloa-bava hifanditra amin-tsakaiza ianao, dia aza matahotra fa azo atao ny mihavana aminy indray; fa ny fandatsana aman'avonavonana ny fanambarana tsiambaratelo na ny famelezana atao am-pitaka no mampandositra ny sakaiza rehetra. 23. Aoka ianao hahatoky ny namanao raha mbola ao anaty fahantrana izy, mba hahazoanao tombontsoa miaraka aminy rehefa mby amin'ny fanambinana izy; aza mandao azy amin'ny andro fitsapana azy, mba hanananao anjara rehefa handray lova izy.

24 Ny setroka na ny etona avy amin'ny memy dia misondrotra alohan'ny afo; toy izany koa ny teny manala baraka dia mipoaka alohan'ny fandatsahan-dra.

25 Tsy hahamenatra ahy ny miaro sakaiza ary tsy hiery velively hanalavitra azy aho;

26 fa raha misy kosa loza manjo ahy avy amin'ny ataony, dia hitandrin-tena aminy avokoa izay mandre izany.

27 Iriko hisy fiambenana eo amin'ny vavako sy tombokasem-pahamalinana eo amin'ny molotro mba hisakana azy tsy hahasolafaka ahy ary hisakana ny teniko tsy hahavery ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556