Bena-Siràka
Toko faha-44
1 Izao ary aoka isika hanao fiderana ny olo-malaza, dia ireo razambentsika araka ny fifandimbiasany.2 Ny TOMPO efa nanome azy voninahitra lehibe; izy ireo no olona manan-daza indrindra, hatrany amin'ny fahagolan-tany taloha any.
3 Tao ny mpanjaka nanapaka teo amin'ny fanjakany, sy ny olona nalaza tamin'ny hery nananany, ary ny mpanolotsaina nikoizana tamin'ny fahiratan-tsainy sy ny mpahita fanta-pirenena tamin'ny faminaniany.
4 Tao ny mpitarika vahoaka noho ny fahamalinany sy ny andriana nanam-pahaizana lalina tokoa, ary ny olon-kendry nanao an-tsoratra ny fandinihany sy ny mpanabe mpitandro ny fahalalana.
5 Tao ny mpamorona hira nasiany feo mahafinaritra sy ny mpanoratra tantara vita tononkalo,
6 ary ny mpanankarena nombam-pahefana sady niadam-pinaritra tao an-tranony.
7 Izy rehetra ireo dia nohajain'ny mpiara-belona taminy ary samy reharehan'ny vaninandro niainany.
8 Ny sasany tamin'izy ireo no namela anarana, hany ka mbola visavisaina ny fiderana azy.
9 Ny sasany kosa tsy misy ahatsiarovana azy intsony; fa nony maty izy, dia nanjavona toy ny tsy nisy akory; niaina izy, kanefa nanjary toy ny tsy nateraka akory; ary toy izany koa ny zanany nanaraka azy.
10 Ireo razambentsika kosa dia olona tia vavaka, hany ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.
11 Raikitra ho anjaran'ny taranany ny zava-tsoany; izany no lova nampitainy ho an'ireo zanany.
12 Maharitra tsy mivadika amin'ny fanekem-pihavanana ireo taranaka amam-parany noho ny amin'izy ireo.
13 Koa haharitra mandrakizay ny taranany ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny.
14 Milevina am-piadanana ny fatin'ireo razambentsika; fa ny anarany kosa velona amin'ny taranaka mifandimby.
15 Ny vahoaka hamisavisa ny fahendreny ary ny fiangonana hanambara ny fiderana azy.
16 I Henoka dia sitraky ny TOMPO ary nafindrany ho eo akaikiny; ka ohatra amin'ny fitodihana amin'ny Tompo izy ho an'ny taranaka mifandimby.
17 I Noa dia hitan'Andriamanitra manana toetra lavorary sady marina. Rehefa nihatra ny fahatezeran'Andriamanitra, dia izy no nanjary solon'ny olombelona fahagola; koa izy no anton'ny namelana ireo olona sisa velona teto an-tany tamin'ny nahatongavan'ny safodrano.
18 Dia nisy fanekem-pihavanana mandrakizay nataon'Andriamanitra tamin'i Noa mba tsy handringanana ny miaina rehetra amin'ny safodrano toy izany intsony.
19 I Abrahama dia razambe malaza ho an'ny firenena maro, ary tsy nisy hita ho tahaka azy amin'ny voninahitra.
20 Nitandrina ny lalanan'ilay Avo Indrindra izy sady nanaovany fanekem-pihavanana; ka tamin'ny famorana ny nofon'i Abrahama mihitsy no nanamafisany an'izany fanekem-pihavanana izany. Ary tamin'ny fizahan'Andriamanitra toetra azy dia hitany ho mahatoky tokoa izy.
21 Noho izany, dia tamim-pianianana mihitsy no nanomezan'Andriamanitra toky azy fa ny taranany no hitahiana ireo firenena; nomeny toky fa ho hamaroiny toy ny vovoky ny tany izy ary hasandrany ho avo toy ny kintana ny taranany ka handray ho fananany ny tany anankiray, manomboka amin'ny Ranomasina Maty ka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea ary manomboka amin'ny ony Eofrata ka hatrany amin'ny faran'ny tany.
22 - 23 I Itsehaka koa, noho ny amin'i Abrahama rainy, dia nomen'Andriamanitra toky toy izany. Avy eo dia nankininy tamin'i Jakoba ny fanekem-pihavanana sy ny fitahiana ny olona rehetra; dia nohamafisiny tamin'ny tsodranony izy sady nomeny ny tany ho fananan