Bena-Siràka

Toko faha-13

1 Izay mikasika godorao madity dia voaloto; ary izay mifanerasera amin'ny mpiavonavona dia zary hanahatahaka azy.

2 Aza mibata enta-mavesatra mihoatra noho ny zakanao; toy izany koa, aoka ianao tsy hifanerasera amin'olona mahery na manankarena noho ianao. Tsy afaka hiaraka mihitsy ny vilany tany sy vilany varahina; raha vao mifandona izy roa tonta, dia ho montsana ny vilany tany.

3 Ny manankarena no manao ny tsy rariny, kanefa izy indray no mandrahondrahona; ny mahantra no iharan'ny tsy rariny sady mbola voatery manao fialan-tsiny.

4 Raha ahitany tombon-tsoa ianao, dia hampiasain'ny mpanankarena; fa raha sahirana ianao, dia hariany.

5 Raha manam-katao ianao, dia hiara-miaina aminao ny mpanankarena; saingy tsy hahoany akory izay hanendaka ny anananao.

6 Raha misy ilan'ny mpanankarena anao,dia hanangolingoly anao izy, sy hody hitsikitsiky aminao ary hanome fanantenana anao; hanao teny mandodoka anao izy ka hanontany hoe: "Inona no zavatra azoko atao ho anao?";

7 kanefa halany baraka amin'ny fanasam-be ianao, mandra-pahalany harena anao hamaly azy indroa na intelo; ary, amin'ny farany, dia hihomehezany ianao. Avy eo, raha mahita anao izy, dia hanary anao sady handihindihy loha noho ny aminao.

8 Tandremo sao mety hangoleny ianao ka hiharan'ny fietrena noho ny hadalanao.

9 Raha asain'ny manampahefana ianao, dia aza dodona loatra ny hankany, fa vao mainka hanasa anao izy.

10 Aza misosososo hankeo aminy, fandrao horoahiny ianao; ary aza mijanona lavitra azy loatra, fandrao hohadinoiny ianao.

11 Aza mihambo ny hiresaka aminy toy ny mitovy saranga ary aza mitokitoky amin'ny resaka be ataony; fa ny teniny mikararana no hisedrany anao ary ny tsikitsiky ataony no hanombantombanany anao.

12 Olona tsy manana antra izy ka tsy mahatana ny teninao; ary tsy hotsitsiny aminao na ny famelezana na ny gadra.

13 Aoka ianao no mailo ary hitandrina fatratra

14 fa lalana mety hianjeranao no andehananao !

15 Ny zava-miaina rehetra dia tia izay mitovy aminy; ary ny olona rehetra dia tia izay olona namany.

16 Mifandray araka ny karazany avy ny biby rehetra, ary mitambatra amin'izay itovizany ny olona.

17 Fiombonana inona no mety hisy amin'ny amboadia sy ny ondrikely ? Toy izany koa ny amin'ny mpanota manoloana ny olona tia vavaka.

18 Fihavanana inona no mety hisy amin'ny amboaha olo sy ny alika? Ary fihavanana inona no mety hisy amin'ny mpanankarena sy ny mahantra?

19 Ny borikidia any an-taniefitra no firembin'ny liona; toy izany koa ny mahantra no fitsentsitry ny mpanankarena.

20 Halan'ny mpiavonavona ny fietrena; toy izany koa halan'ny mpanankarena ny fahantrana.

21 Ny mpanankarena izay mangozohozo dia tohanan'ny sakaizany; fa ny malahelo izay solafaka dia ailikilikin'ny sakaizany.

22 Raha ny mpanankarena no mivaona, dia maro no manampy azy; na manao tenin'adala aza izy, dia omen'ny olona rariny. Fa raha ny malahelo no mivaona, dia anomezan-tsiny azy izany; ary raha milaza zavatra mitombina izy, dia tsy raharahaina akory.

23 Raha ny mpanankarena no miteny, dia mangina ny olona rehetra; sady manakoako hatrany amin'ny rahona no iderana ny lahateniny. Fa raha ny mahantra no miteny, dia atao hoe: "Mba iza koa io?"; ary raha sendra mibolisatra izy, dia atosiky ny olona ho lavo.

24 Tsara ny harena izay tsy laroin'ota; fa ratsy kosa ny fahantrana raha famaizana noho ny ota izany.

25 Ny fon'ny olombelona no mamboatra ny en driny, ka mahatonga azy ho tsara na ho ratsy.

26 Ny endrika mirana no mariky ny fo sambatra; fa fieritreretana milofo no amoronana ohabolana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057