Bena-Siràka
Toko faha-48
1 Taorian'izany no nisehoan'i Elia, ilay mpaminany mirehidrehitra hoatra ny afo; nandoro tahaka ny harendrina ny teniny.2 Nantsoiny ny mosary hamely ireo foko tavaratra; ary fatratra tokoa ny fitiavany ny Tompo, hany ka nahavitsy isa ny vahoaka izy.
3 Tamin'ny baikon'ny TOMPO no nisakanany ny orana ary koa nampilatsahany afo intelo avy any an-danitra.
4 Voninahitra manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin'ny zava-mahagaga vitanao! Iza no afaka hihambo ho mitovy aminao?
5 Tamin'ny baikon'ilay Avo Indrindra no nampitsangananao ny maty anankiray hiala amin'ny fahafatesana indray sy ho afaka amin'ny toeran'ny maty.
6 Ny mpanjaka navarinao ho amin'ny faharavana ary ny manamboninahitra nampidininao avy eo am-pandriany mba ho any am-pasana.
7 Tany Sinay, teo amin'ny tendrombohitra Horeba, no nandrenesanao ny Tompo nanome tsiny anao sy namoaka didim-pitsarana hamaizana olona.
8 Ianao no nanosotra mpanjaka ho solon'ny hafa sy nanokana mpaminany handimby anao.
9 Ianao no voapaoka tamin'ny tadio afo tao anaty kalesy tarihin-tsoavaly afo.
10 Araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia ianao no voatendry ho an'ny vaninandro ho avy mba hampitsahatra ny fahatezeran'Andriamanitra alohan'ny fotoana hirehetan'izany; ianao no hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka sy hampiverina ireo fokon'i Jakoba amin'ny toerany.
11 Sambatra izay hahita anao ka hodimandry homban'ny fitiavan'Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona aina tokoa.
12 Rehefa nosaronan'ny tadio i Elia, dia i Elisa no nanjary feno ny Fanahiny. Nandritra ny andro niainan'i Elisa, dia tsy nisy filoha izay nihorohoroany; tsy nisy olona afaka naneritery azy.
13 Tsy nisy zavatra tsy azony natao; ary ny vatany tafandry tao am-pasana aza dia mbola afaka naneho ny maha mpaminany azy.
14 Fony mbola velona i Elisa, dia nanao zava-mahagaga; ary rehefa maty izy, dia nahavita zava-mahatalanjona.
15 Kanefa, na dia teo aza izany rehetra izany, dia tsy niverina tamin'Andriamanitra ny vahoakany ary tsy niala tamin'ny fahotana fanaony mandra-pitondra azy lavitra ny taniny ary mandra-pieliny eran'ny tany tontolo. Nisy vahoaka vitsy tavela ihany ho an'ny fokon'i Joda ary mpanjaka iray tao amin'ny fianakavian'i Davida.
16 Ireo mpanjakan'i Joda nifanesy indray kosa, ny sasany nanao izay sitrak'Andriamanitra fa ny sasany nampiavosa ny fahotana.
17 I Hezekia dia nanamafy an'i Jerosalema renivohiny sady nitarika rano hankao anatiny; nampandavaka vatolampy tamin'ny vy fihadiana izy ary nampanao dobo fitahirizan-drano.
18 Tamin'ny androny no niakaran'i Saneheriba mba hamely ny tananan'i Jerosalema; dia nirahin'i Saneheriba ny komandin-tafiny, izay nanangan-totohondry hiady amin'i Tsiona ary nirehaka fatratra nentanim-piavonavonana.
19 Fa nihorohoro kosa tamin'izay ny fo aman-tanan'ny mponina tao Jerosalema; nanaintaina toy ny vehivavy miteraka ireo.
20 Ny TOMPO be indrafo no nantsoin'izy rehetra sy nanandratany tanana hivavahana , ary hatrany an-danitra ilay Masina no namaly azy niaraka tamin'izay ka nanafaka azy tamin'ny alalan'i Isaia.
21 Nasian'ny TOMPO ny tobin'ny Asirianina ka naringan'ny anjeliny tokoa ireny ;
22 satria nanao izay sitraky ny TOMPO i Hezekia ary nifikitra mafy tamin'ny lalana izay nizoran'i Davida razambeny, araka ny nandidian'i Isaia mpaminany lehibe, dia ilay mpaminany nahatoky tamin'ny fahitany.
23 Tamin'ny andron'i Hezekia koa no nampihemoran'i Isaia ny masoandro sy nanalavany ny fiainan'ny mpanjaka.
24 Ilay Fanahy mahery no nahitany sahady ny andro farany sy nampaherezany an'ireo tra-pahoriana tao Tsiona.
25 Nambarany ny tsy maintsy ho tonga alohan'ny hahataperan'ny andro, dia ny zava-hitranga mbola miafina alohan'ny hahatanterahany.