Bena-Siràka

Toko faha-27

1 Maro no nanota mba hahazoana tombony; ary izay maniry hangoron-karena dia tsy te hahalala zavatra hafa.

2 Tahaka ny itsofohan'ny tsimaday eo anelanelan'ny vato anankiroa no isisihan'ny fahotana eo anelanelan'ny mpivarotra sy mpividy.

3 Izay olona tsy mifahatra mafy amin'ny fanajana ny Tompo dia ho rava faingana ny tranony.

4 Rehefa misy zavatra tantavanina, dia tavela ny faikany; toy izany koa no isehoan'ny kileman'olona, rehefa misy famelaran-kevitra ataony.

5 Ny fatana no isedrana ny tefin'ny mpanao vilany; ary ny fiadian-kevitra no izahan-toetra ny olona.

6 Ny voa vokariny no mampiseho izay fomba nanolokoloana ny hazo; toy izany koa ny lahatenin'ny olona no mampiseho ny hevitry ny fony.

7 Aza mba midera olona ianao alohan'ny famelaran-kevitra ataony, satria izany no izahan-toetra ny olona.

8 Raha zohinao ny fahamarinana, dia hahatratra azy tokoa ianao ka hitafy azy toy ny akanjom-boninahitra.

9 Ny vorona mitovy karazana no miray akany; toy izany koa ny toetra mahatoky no hasetry an'ireo olona mahatoky.

10 Manotrika mikendry remby ny liona; toy izany koa no ikendren'ny fahotana an'ireo olona mampihatra ny tsy rariny.

11 Fahendrena mandrakariva no resaky ny olona tia vavaka; fa miovaova hoatra ny volana kosa ny olona adala.

12 Lanjalanjao ny fotoana mety raha hankeo anivon'ny tsy manan-tsaina ianao; fa mijanona maharitra kosa raha eo anivon'ny olona mpandinika ianao.

13 Maharikoriko ny resaky ny olona adala ary fanaranam-po amin'ny fahotana ny hehiny.

14 Mampitsangam-bolo ny fitenin'izay fatra-mpingoso ary mampanentsin-tadiny ny fifandirany.

15 Fandatsahan-dra no iafaran'ny fifandiran'ny mpiavonavona; ary mankararirary ny mihaino ny fifanebatebahany.

16 Izay manambara ny tsiambara telo dia tsy azo itokiana ary tsy mba hahita sakaiza mahafa-po azy intsony.

17 Tiavo ny sakaizanao ary anehoy toetra mahatoky; fa raha manambara ny tsiambaratelony ianao, dia aza mba midodododo any aminy intsony.

18 Tahaka ny olona namoy hava-maty no namoizanao ny fitiavan'ilay namanao ;

19 ary tahaka ny nandefasanao ny vorona efa teo an-tananao no namelanao ny sakaizanao handeha, ka tsy hahatratra azy intsony ianao.

20 Aza manjohy azy intsony, fa efa lasa lavitra izy sady mandositra tahaka ny gazela afa-pandrika.

21 Azo asiana fehim-pery ny ratra ary azo ampihavanina ny mpifanaratsy; fa tsy misy fanafana antenaina intsony ho an'izay nanambara ny tsiambara telo.

22 Izay manakimpikimpy maso dia mamoron-teti-dratsy; fa izay mahalala azy kosa hanalavitra azy.

23 Eo imasonao izy hanao resaka mamy sady ho talanjona amin'ny teninao; fa ao ambadika kosa dia hivadi-bolana izy ka hampiasa ny teninao hamandrihana anao.

24 Misy zavatra maro ankahalaiko fa indrindra io karazan-toetra io; ary ny Tompo koa dia hankahala azy.

25 Izay manipy vato savoan-danitra dia hitoraka ny lohany ihany; toy izany koa ny famelezana am-pitaka dia handratra ny nanao azy.

26 Izay mihady lavaka no hilatsaka ao; ary izay mamela-pandrika no ho voan'izany.

27 Izay manao ratsy no hifoterany ka tsy ho fantany akory izay fiavian-doza.

28 Ny mpiavonavona dia mananihany sy manesoeso; fa toy ny liona manotrika mikendry remby kosa no iandrasan'ny famalian-dratsy azy.

29 Ho voa ao anatin'ny vela-pandrika ireo mifaly amin'ny fahavoazan'ny mpivavaka; ka hokikisan'ny fijaliana izy alohan'ny hahafatesany.

30 Zavatra maharikoriko ihany koa ny lolom-po amam-pahatezerana, ka ny mpanota no anjakazakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0587