Bena-Siràka

Toko faha-19

1 Ny mpiasa midoroka tsy mba hanan-karena; izay tsy miraharaha ny fahalalana onony dia hitotongana miandalandalana.

2 Ny fisotro mahamamo sy ny vehivavy no mampivaona ny olona, na ny mahira-tsaina aza; ary izay miraikitra amin'ny vehivavy janga dia lehilahy miditra anaty kizo hatrany ;

3 ho rembin'ny olitra sy ny kankana no anjarany, ka ny toetra midi-kizo no hahafongotra azy.

4 Izay malaky minomino ny lazaina azy dia olona maivan-doha; ary izay manao fahotana toy izany dia mamely ny tenany ihany.

5 Izay finaritra amin'ny haratsiana dia hiharan'ny fanamelohana ;

6 ary izay mankahala ny resadresa-poana dia miaro tena tsy ho voan'ny loza.

7 Aza mitati-bolana na oviana na oviana, dia tsy hisy loza hahavoa anao;

8 Aza miresaka olona na sakaiza na fahavalo; ary aza manambara zavatra momba azy, afa-tsy raha hahadiso anao ny tsy miteny.

9 Raha ren'ilay olona manko ianao, dia hitandrin-tena izy aminao; ary any andro hankahalany anao.

10 Raha sendra nisy resaka renao, dia ataovy zavatra hoentinao maty; aza manana ahiahy ianao, fa tsy hampipoaka anao izany.

11 Ny teny iray tokony ho tanany dia mampijalijaly ny olona adala tahaka ny mampanaintaina mafy ny vehivavy mihetsi-jaza.

12 Mamparary ny zana-tsipika rehefa tafatsatoka amin'ny fe; mamparary toy izany koa ny teny iray tokony ho tanana rehefa latsaka ao am-pon'olona adala.

13 Fotopotory ny sakaizanao ny amin'izay siosion-dresaka momba azy. Angamba tsy nisy zavatra nataony; ary raha nisy nataony ihany, dia aoka izy tsy hamerina intsony!

14 Fotopotory ny namanao ny amin'ny fanaratsiana iampangana azy. Angamba tsy nisy zavatra nolazainy; ary raha nisy nolazainy ihany, dia aoka izy tsy hamerina intsony!

15 Fotopotory ny sakaizanao: Matetika manko ny endrikendrika; koa aoka ianao tsy hinohino foana izao rehetra lazaina aminao izao!

16 Misy olona diso fiteny, na dia tsy fanahy iniany aza; ary iza moa no tsy nanota tamin'ny teny nataony ?

17 Fotopotory ny namanao, alohan'ny handrahonanao azy; ary aoka homenao lanja ny lalanan'Ilay Avo Indrindra !

20 Ny vontoatin'ny fahendrena manontolo dia izao; ny manaja ny Tompo sy manatanteraka ny Lalanany.

22 Tsy mba ny fahaizana zava-dratsy no fahendrena; tsy mba ny torohevitry ny mpanota no fahamalinana.

23 Misy hakingana izay maharikoriko tokoa; ary izay tsy ampy fahendrena no adala toetra.

24 Aleo olona kely fahiratan-tsaina kanefa manaja ny Tompo, toy izay olona be hakingan-tsaina kanefa mandika ny Lalanany.

25 Misy toetra kinga sy matsilo tokoa izay enti-mandika ny rariny; ary misy fatra-panodinkodin-javatra mba hampamoaka ny didim-pitsarana iriny.

26 Misy olon-dratsy manjoko toa azon'ny alahelo, kanefa feno fitaka ny ao anatiny ao;

27 manakon-tava izy sady manao bemarenina, kanjo nony tsy tandrintandrin'ny olona dia lasa misongona anao indray.

28 Misy mifady fahotana satria tsy ampy hery; kanefa hanararaotra hanao zava-dratsy izy raha vantany vao mahita hanaovana izany.

29 Ny tarehiny no ahalalana ny olona ary ny endriny no ahitana fa hendry izy.

30 Ny fitafin'ny olona sy ny fitsikiny ary ny fandehany no maneho ny toetrany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0585