Bena-Siràka
Toko faha-10
1 Ny mpifehy hendry dia hananatra ny vahoakany, ka hirindra ny fitondrany noho izy mahira-tsaina.2 Araka ny toetry ny mpifehy vahoaka no ho toetry ny mpandraharahany; araka ny toetry ny mpitondra tanana ihany no ho toetry ny mponina rehetra ao aminy.
3 Ny mpanjaka tsy nanam-panabeazana no hahavery ny vahoakany; ny fahiratan-tsain'ireo andriana no hampiorina mafy ny tanana.
4 Ny fahefana hitondra ny tany dia eo am-pelatanan'ny Tompo, ka amin'ny fotoanandro mety no hananganany olona sahaza izany.
5 Ny fahombiazan'ny olona dia eo am-pelatanan'ny Tompo, ka Izy no hametraka ny voninahiny eo amin'ny tenan'ny mpahay lalana.
6 Na inona na inona tsy rariny natao taminao, dia aza mitahiry lolom-po amin'ny namanao; ary aza manao na inona na inona ianao, raha mbola entanin'ny fo mandroatra.
7 Ny fiavonavonana dia zavatra ankahalaina na amin'Andriamanitra na amin'olombelona; ary eo anatrehan'izy roa tonta dia fahadisoana ny tsy rariny.
8 Ny ifindran'ny fiandrianam-panjakana avy amin'ny firenena iray ho amin'ny firenen-kafa dia noho ny tsy rariny sy ny herisetra ary koa noho ny fitiavan-karena.
9 Vovoka sy lavenona ihany ny olombelona; koa nahoana no miavonavona izy, kanefa dieny mbola fahavelony aza no fahalovana sahady ny tsinainy?
10 Aretina tsy maharitra ela akory dia mampilofika ny dokotera; na izay mpanjaka anio aza mbola ho faty rahampitso.
11 Rehefa maty ny olona, dia izao no anjarany: ny trambo sy ny bibikely ary ny kankana.
12 Ny iantombohan'ny fiavonavonan'ny olona dia amin'izay isarahany amin'ny Tompo sy ikomian'ny fony amin'Ilay nanao azy:
13 ny fahotana manko no fiantombohan'ny fiavonavonana, ka izay mikiribiby no hitosahan'ny toetra maharikoriko; izany no nahatonga ny Tompo hampiharihary ny fahorian'ireo ary hamely azy amin'ny faharinganana tanteraka.
14 Naongan'ny TOMPO ireo mpanapaka mba tsy ho eo amin'ny sezafiandrianana, ka ny olona malemy fanahy no napetrany handimby toerana azy.
15 Nofongoran'ny TOMPO ireo mpiavonavona, ka ny manetry tena no nasolony handimby azy.
16 Noravan'ny TOMPO ireo tanin'ny hafa firenena, ka naringany hatramin'ny fototra iorenany.
17 Nongotan'ny TOMPO teo amin'ny olona sy naringany ireo; ary nokosehiny ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy.
18 Tsy mba nataon'Andriamanitra hiavonavona ny olona; tsy natao hisafoaky ny hatezerana ireo natera-behivavy.
19 Taranak'iza no mendrika ho hajaina? Ny taranak'olombelona izay manaja ny Tompo. Taranak'iza no mendrika ho tsiratsiraina? Ny taranak'olombelona izay mandika ny didy.
20 Hajaina eo amin'ny olom-peheziny ny mpitondra azy;
21 fa hajaina eo imason'ny mpitondra kosa ireo manaja ny Tompo.
22 Ny prozelita sy ny vahiny ary ny mahantra dia ny fanajana ny Tompo no reharehany.
23 Tsy rariny ny maniratsira ny mahira-tsaina nefa mahantra, ary diso toerana ny manome voninahitra ny mpanota.
24 Ny lehibe sy mpitsara ary manampahefana dia samy omen'ny olona voninahitra; fa tsy misy kosa amin'ireo, na iray aza, lehibe noho ny olona manaja ny Tompo.
25 Ny mpanompo manam-pahendrena dia hotompoin'olona afaka; ary ny olona manam-pahalalana dia tsy himonjomonjo ny amin'izany.
26 Aza mihambo ho hendry eo am-panaovana ny asanao ary aza be rehaka amin'ny androm-pahasahirananao.
27 Tsaratsara kokoa ny olona izay miasa ka manana amby ampy amin'ny zava-drehetra, toy izay ny mirenireny be rehaka nefa tsy manan-kohanina akory.
28 Anaka, aoka ho amin-kalemem-panahy no hanomezanao voninahitra ny tenanao ary aoka izy hotoloranao ny haja mendrika azy!
29 Iza no hankatoho marina izay olona manota manimba tena? Ary iza no hanome voninahitra izay olona manala baraka ny fiainany?
30 Azo anomezam-boninahitra ny mahantra ny fahaizana ananany; fa ny anomezam-boninahitra mpanankarena dia ny hareny fotsiny ihany.
31 Izay omem-boninahitra ao anaty fahantrana, dia vao mainka koa hatao izany ao anaty harena; izay alaim-baraka ao anaty harena dia vao mainka koa hatao izany ao anaty fahantrana.