Bena-Siràka

Toko faha-11

1 Ny fahendren'ny olona manetry tena no hahazoany mampitraka ny lohany ary koa hahafahany mipetrakaeo ampovoan'ireo lehibe.

2 Aza mandodoka olona noho ny hatsaran-tarehiny; ary aza marikoriko olona noho ny amin'ny endriny.

3 Bitika ny renitantely raha miohatra amin'ny voro-manidina; nefa ny zavatra vokariny no lohalaharana amin'ny zava-mamy.

4 Aza mirehareha amin'izay fitafiana entinao ary aza manandra-tena amin'ny androm-boninahitra; satria ny asan'ny Tompo no mahagaga, saingy takona amin'ny olombelona izany.

5 Maro ny mpanjakazaka tafapetraka ambany; fa izay tsy nohevitreverin'ny olona kosa no nitondra ny satroboninahitr'ireo.

6 Maro ny manampahefana no tototry ny fanalam-baraka, ary maro ny olona malaza no voatolotra hanompo ny hafa.

7 Aza manome tsiny olona, raha tsy efa namotopototra; mandiniha aloha ianao, izay vao mananatra.

8 Aza mamaly na inona na inona, raha tsy efa nihaino; ary aza miloa-bava hiteny, raha mbola misy mandahatra.

9 Aza mifanditra amin'izay zavatra tsy momba anao,ary aza mitsabaka amin'ny adiadin'ny samy mpila vaniny.

10 Anaka, aoka ny zavatra indray ataonao tsy ho maro loatra; fa raha maro sahanina ianao, dia tsy hilaozam-pahavoazana. Na dia hihazakazaka aza ianao, dia tsy hisy zavatra ho tratranao; tsy izay firotorotoana etsy sy eroa no hahatafavoaka ny ezakao.

11 Misy mifofotra sy misasatra ary miasa haingana, kanefa vao mainka mihamahantra bebe kokoa.

12 Misy ny tsy manan-kery sady tsy mana-mpiahy, tsy ampy tanjaka, ary be fahantrana; fa ny Tompo kosa nitsinjo azy mba hanasoa azy, ary nanala azy tamin'ny toetra nanetrena azy:

13 ny TOMPO tokoa no nampitraka loha azy, ka maro no gaga ny amin'izany.

14 Na zava-tsoa na zava-dratsy, na fahafatesana na fiainana,

15 na fahantrana na fananan-karena,

16 dia samy avy amin'ny Tompo avokoa.

17 Ny fahalalahan-tanan'ny TOMPO dia azo antoka ho an'ireo olona tia vavaka; ary ny hatsaram-pony no hitarika azy amin'ny lalam-pahombiazana hatrany.

18 Misy manan-karena noho ny fikajiana amam-pitsitsiana, kanefa izao no tamby ho azony amin'izany;

19 izy manao anakampo hoe: "Nahazo fitsaharana aho, ka afaka hanaram-po amin'ny fananako ankehitriny", dia tsy mahalala akory izay handalovan'ny fotoana ka hamelany ny hareny ho an'ny hafa sy hahafatesany.

20 Aoka hifikiranao sy hifantohanao ny andraikitrao; ka ho ao anatin'izany asanao izany anie no hianteranao !

21 Aza gaga amin'ny asa fanaon'ny mpanota ianao; matokia ny Tompo ary mahareta amin'ny raharahanao, fa zavatra mora foana eo imason'ny Tompony mampanankarena tampoka eo noho eo ny mahantra.

22 Ny fitahian'ny TOMPO no valiso aho an'ny olona tia vavaka; ary ao anatin'ny fotoana haingana dia hody ventiny ny zava-nandrandrainy.

23 Aza manao hoe: "Inona indray moano mbola ilaiko? ary inona no soa mbola mety ho azoko amin'ny ho avy?"

24 Aza manao koa hoe: "Efa manana ny ampy aho; ka loza inona indray no mbola hiaretako amin'ny ho avy ?"

25 Amin'ny andro fahasoavana, dia hadino ny zava-dratsy; ary amin'ny andro faharatsiana, dia hadino ny zava-tsoa.

26 Mora ho an'ny TOMPO manko amin'ny andro ahafatesana ny mamaly ny olona araka ny lalana nizorany avy.

27 Ny ora fijaliana dia mampanadino ny fifaliana lasa; ary ny fiafaran'ny olona no hampiharihary ny asany.

28 Alohan'ny fahafatesany, aza manao olona ho sambatra; amin'ny fahafatesany manko no ahafantarana ny olona.

29 Aoka tsy izao olona isan-karazany izao dia hampidirinao ho ao an-tranonao avokoa, fa maro ny fandrika ataon'ny mpamitaka!

30 Ny fon'ny mpiavonavona dia toa tsipoy voatana sambobelona anaty trano mifefy; sahala amin'ny mpitsikilo izy mikendry ny fianjeranao.

31 Amin'ny fanovana ny zava-tsoa ho zava-dratsy no anaovan'ny mpiavonavona vela-pandrika; ary ny fihetsika madio no asiany pentina.

32 Ny pitik'afo iray mahatonga vainafo miredareda; ary ny mpanota iray no mampihanaka ny ra latsaka.

33 Tandremo ny mpanao ratsy, fa mamorona teti-dratsy izy ka sao ianao hataony manan-tsiny mandrakizay.

34 Raha vahiny no ampiantranoinao, dia mety hampisavorovoro anao izy ary hampiady ny ankohonanao aminao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575