Bena-Siràka
Toko faha-20
1 Misy anatra tsy tandrifin'ny tokony hanaovana azy; ary misy fanginana izay maneho fahamalinana.2 Aleo mananatra toy izay mirehi-pahatezerana anaty;
3 ary izay miaiky heloka no hidifiam-pahavoazana.
4 Lehilahy vositra mitsiriritra hanolan-jazavavy: toy izany ny olona te hampijoro ny rariny an-keriny.
5 Ao ny mangina kanefa iekena azy ho hendry izany; ary ao ny mahasorena noho izy be resadresa-poana.
6 Misy mangina satria tsy mahita havaly; ary misy mangina satria mahalala ny fotoana izay tokony hitenenany.
7 Ny olon-kendry dia mangina hatrany mandra-pahatongan'ny fotoana fitenenana; fa ny mahery vava sady tsy misaina kosa dia mihoatra izany fotoana fitenenana izany.
8 Izay be resaka loatra dia mahasosotra; ary izay tsy sahy miteny dia hankahalaina.
9 Misy olona mahita zava-mahasoa azy amin'ny fahoriana; ary ny fanambinana kosa mety tonga fatiantoka ho azy.
10 Misy fanomezanao tsy ahazoanaon'inon'inona; ary misy fanomezanao valiana avoroa heny.
11 Misy voninahitra iavian'ny fiambaniana ary misy fietrena miteraka fisandratana.
12 Misy mividy zavatra betsaka amin'ny vola kely, kanefa avy eo dia mandoa ireny impito heny.
13 Teny kely dia ampy hitiavan'ny olona ny hendry, fa very maina kosa ny teny malefaka ataon'ireo adala.
14 Tsy ahazoanao n'inon'inona ny fanomezan'olona adala, satria miandrandra bebe kokoa izy ho setrin'izany.
15 Kely fanome zavatra ny olona adala saingy be fanomezan-tsiny ery ary miloa-bava toy ny mpiantso kabary; anio izy mampindrana, rahampitso izy mitaky: maharikoriko tokoa ny olona toy izany.
16 Hoy ny olona adala hoe: "Tsy manan-tsakaiza aho, ary tsy sitraky ny olona ny soa nataoko; ratsy vava ireo mihinana ny mofo arosoko."
17 Betsaka sady matetika ny olona no manao azy ho fihomehezana.
18 Aleo lavo amin'ny lampivato toy izay solafa-piteny; ho tonga tampoka toy izany koa ny fahalavoan'ny olon-dratsy.
19 Ny olona tsy mahalala fomba dia toy ny tantara fitatitra na amin'ny fotoana tsy fanaovana azy aza sady tsy afaka am-bavan'ireo ratsy taiza.
20 Tsy raisin'ny olona ny fanoharana aloaky ny vavan'izay adala, satria tsy amin'ny fotoana sahaza no mba ilazalazany an'izany.
21 Misy olona tsy afa-manota, noho ny tsy fananany; ary amin'ny fitsaharany, dia tsy arahi-nenina izy.
22 Misy olona resin-kenamaso, ka very fanahy miatrika adala.
23 Misy koa ny resin-kenamaso ka mampanantena be ny sakaizany ary mahatonga azy ho fahavalony noho ny zavatra tsisy fotony.
24 Pentina mahamenatra amin'ny olona ny lainga, tsy afaka am-bavan'ireo ratsy taiza izany.
25 Aleo mpangalatra toy izay olona fatra-pandainga; kanefa samy faharavana no ho anjaran'izy roa tonta.
26 Ny fahazaran-dratsin'ny mpandainga dia mitarika fahafaham-baraka; ary ny henatra mihatra aminy dia momba azy hatrany hatrany.
27 Teny kely ataon'ny hendry dia ampy mba hampitombo ny fanajana azy; ary ny olona mahira-tsaina dia hahazo sitraka amin'ny lehibe.
28 Izay miasa tsara ny taniny dia hanangom-bary be miavosa; ary izay mahazo sitraka amin'ny lehibe dia afaka hampamela ny heloky ny hafa.
29 Fanatitra amam-panomezana no mahajamba maso ny hendry; mova tsy fehivavam-biby ireny ka misakana azy tsy hanome anatra.
30 Fahendrena miafina sy harena milevina: inona no tombontsoa omen'izy roa tonta ?
31 Aleo olona manafina ny hadalany toy izay olona manafina ny fahendreny.