Bena-Siràka
Toko faha-35
1 Ny mitandrina ny Lalanan'Andriamanitra, dia mitovy amin'ny fanatitra marobe ;2 ary ny miraikitra amin'ny didiny dia toy ny manolotra sorom-pihavanana.
3 Ny mankasitraka ny soa azon'ny tena dia toy ny manao fanatitra lafarininy tsara;
4 ary ny manao soa fiantrana dia toy ny manolotra sorom-piderana.
5 Ny zavatra sitraky ny TOMPO dia ny miala amin'ny ratsy; ary toy ny sorona fanalana ny ota ny miala amin'ny tsy fahamarinana.
6 Aoka ianao tsy ho foan-tanana no miseho eo anatrehan'ny Tompo ,
7 satria ireny sorona rehetra ireny dia noho ny didiny no anaovana azy!
8 Ny fanatitra ataon'ny olo-marina dia fanatitra jabora eo amin'ny alitara , ary miakatra eo anatrehan'ilay Avo Indrindra ny hanitra manetona avy aminy.
9 Ny sorona ataon'ny olo-marina dia sitraky ny TOMPO; ary ny fampahatsiarovana Azy tsy mba hohadinoiny.
10 Manomeza voninahitra ny TOMPO amin'ny fo mahafoy be, ary aza anesorana mihitsy ny voaloham-bokatry ny asanao.
11 Amin'ny fanatitrao isan-karazany dia aoka ho mirana endrika ianao; ary amin-kafaliana no anokany ny fahafolon-karena hatolotrao.
12 Araka izay nomen'ilay Avo Indrindra anao no aoka hahafoizanao be ho Azy; eny, araka ny azon'ny tananao no aoka hahafoizanao be ho Azy,
13 satria mpamaly soa ny TOMPO ka hamaly anao impito heny!
14 Aza mitady hanangoly ny TOMPO amin'ny fanatitra ataonao ianao, satria tsy horaisiny akory izany.
15 Aza miantehitra amin'ny fisoronana izay biby azonao tsy ara-drariny satria ny Tompo no mpitsara, ary tsy misy fizahan-tavan'olona eo aminy.
16 Tsy mba mizaha tavan'olona hamelezany ny mahantra Izy ary mihaino ny vavak'izay ampahorina.
17 Tsy mba hamavoiny na oviana na oviana ny kamboty izay mitalaho aminy na ny mpitondratena mamboraka taraina.
18 Hitany tokoa ny ranomaso mitsororoka eo amin'ny takolany;
19 ary henony ny fidradradradrany miampanga an'izay mampitomany azy.
20 Izay manompo ny TOMPO dia horaisiny amim-pitiavana; ary ny fangatahana ataony dia ho tafasondrotra any an-danitra.
21 Ny fivavahan'ny manetry tena no maninteraka ny lanitra, ary tsy hiala sasatra mihitsy izy, raha tsy mby eo akaikin'ny Tompo izany; tsy hitsahatra mivavaka izy, raha tsy efa mitsinjo azy ny Avo Indrindra
22 ka nanome rariny ny olo-marina sy namoaka ny didim-pitsarany.Tsy hiandry ela hamaly vavaka ny Tompo sady tsy handefitra amin'ireo mpampahory mandra-panorotorony ny valahany satria olona tsy manam-piantrana ireo.
23 Hiharan'ny famaizan'ny TOMPO ireo hafa firenena mandra-pandringany ny mpiavonavona maro be sy hanapotehany ny fanjakan'ireo mpanao tsy an-drariny,
24 mandra-pamaliany ny olona araka ny nataony avy sy hamaliany ny asan'ny olona araka ny nokasainy avy ,
25 mandra-pandrainy an-tanana ny adin'ilay vahoakany ary hampifaliany azy amin'ny famindrampony.
26 Tsara fiavy ny famindrampon'ny TOMPO amin'ny androm-pahoriana, tahaka ny fiavin'ny rahona mitondra orana amin'ny fotoana main-tany.