Bena-Siràka
Toko faha-32
1 Raha voatendry hitarika ny fanasana ianao, dia aoka mba tsy hieboebo amin'izany fa ho tahaka ny anankiray amin'ny mpihinana ; karakarao aloha ny toeran'ireo, vao mipetraka ianao.2 Eny, rehefa vitanao avokoa ny andraikitrao, dia maka toerana amin'izay ianao mba hifalianao mahita ny mpihinana afa-po ary koa hahazoanao satroboninahitra noho ny fandaharanao tsara ny fanasana.
3 Mitenena, ry loholona, satria tandrifinao izany; mitenena araka ny fahalalana marina anananao, kanefa aza sakantsakananao ny mozika.
4 Rehefa mihaino mozika ny olona, dia aza manao kabary lava ianao ary aza manampatra ny fahendrenao amin'ny fotoana tsy sahaza izany.
5 Tahaka ny fitomboka vato soa menanapetraka amina firavaka volamena, toy izany koa ny mozika tsara rindra miaraka amina fanasana itosahan-divay.
6 Tahaka ny tombokase emeralda napetraka amina tahom-bolamena, toy izany koa ny feo mozika miaraka amina divay matsiro.
7 Mitenena, ry zatovo, raha tokony hataonao izany, saingy rehefa niangaviana indroa misesy ianao.
8 Fintimpintino ny kabarinao ka hahalaza be amin'ny teny vitsy; aoka ho toy ny mpahalala ianao kanefa koa mahay mahatam-bava!
9 Rehefa eo ampovoan'ny lehibe ianao, dia aza mihevi-tena ho mitovy aminy; ary amin'ny toerana misy loholona, dia aza manao be filaza loatra ianao.
10 Tselatra no mialoha ny kotrobaratra; toy izany koa fankateleman'ny hafa no mialoha ny olona mandanjalanja.
11 Rehefa tonga ny fotoana, dia mitsangana ary aza milasilasy ho farany eo ianao; modia faingana any an-tranonao ary aza mitaredretra eny an-dalana.
12 Any ianao no aoka hikorana sy hanao araka izay irinao, kanefa aza manota amin'ny teny be rehaka!
13 Ary noho izany rehetra izany, misaora an'Ilay nahary anao sady mampitobaka zava-tsoa ho anao.
14 Izay manaja ny TOMPO no handray anatra; ary izay mitady Azy dieny vao maraina no hahazo ny fanambinana avy aminy.
15 Izay mandinika ny Lalanany no hahazo fahafaham-po, fa ny mpihatsaravelatsihy ho tafintohina aminy.
16 Izay manaja ny TOMPO dia hahita ny hitsiny ary hampamirapiratra ny rariny hoatra fanilo.
17 Manda fananarana ny olona mpanota, fa mahita fialan-tsiny hanao ny sitrapony.
18 Ny olona izay tsara fanome torohevitra dia tsy manadino na oviana na oviana ny handinika; fa ny tsy mpivavaka sy ny mpiavonavona kosa dia tsy misy tahotra hampiahotra azy akory.
19 Aza manao zavatra tsy amim-pandinihana, dia tsy hanenina ianao rehefa vita izany.
20 Aza mandeha amin'ny lalana be vato misakantsakana ianao, mba tsy ho tafintohina amin'ny toerana misy azy.
21 Aza matokitoky foana ny lalana mitovy tantana;
22 ary mitandrema tena ianao ny amin'ny zanakao.
23 Amin'izay rehetra ataonao, dia mitandrema tena satria fitandremana ny didin'Andriamanitra koa izany.
24 Izay mitoky amin'ny Lalanadia miezaka hitandrina ny didy; ary izay matoky ny Tompo dia tsy hiharam-pahavoazana.