Bena-Siràka
Toko faha-49
1 I Josia dia tsarovana tahaka ny zavatra mamerovero nataon'ny mpamboatra vovo-javamanitra nampifangaroina. Amin'ny olona rehetra, ny manonona anarana azy dia mamy tahaka ny tantely na koa mandrotsirotsy tahaka ny mozika amin'ny fanasana laroan-divay.2 Nanaraka ny fitondrantena mahitsy i Josia ka nampiala ny vahoaka tamin'ny toe-dratsy sy nanafoana ny fanompoan-tsampy maharikoriko.
3 Nanitsy ny fony hitodika amin'ny TOMPO ity mpanjaka ary nanamafy ny fitiavam-bavaka marina tamin'ny andro fandikana ny lalanan'Andriamanitra.
4 Afa-tsy i Davida sy i Hezekia ary i Josia, dia nampiavosa hadisoana ny mpanjakan'i Joda ary nahafoy ny lalanan'ilay Avo Indrindra ka very tantara.
5 Koa navelan'Andriamanitra ho an'ny hafa ny fahefan'ireo ary natolony ho an'ny firenena vahiny ny voninahiny.
6 Nodoran'ireo fahavalo ilay tanana voafidy izay nisy ny toeramasin'Andriamanitra ary nataony lao ny arabeny
7 noho ny amin'i Jeremia nampahorin'ny Israelita. Kanefa hatrany an-kibon-dreniny izy io no voatokan'Andriamanitra ho mpaminany mba hanongotra sy handrava ary handringana sady mba hanorina sy hamboly indray koa.
8 I Ezekiela no ilay nibanjina ny fahitana be voninahitra izay nisehoan'ny Tompo tambonin'ny kalesin'ireo kerobima.
9 Dia nofongariny koa ny fahatsiarovana an'i Joba izay nanaraka ny lalam-pahamarinana.
10 Ny amin'ireo mpaminany 12 lahy kosa, na efa ao am-pasana aza ny taolambalony, dia hampijoro olona handimby azy anie ny Tompo ! Nampahery ny taranak'i Jakoba izy ireo ary nanavotra azy tamin'ny toetra mahatoky vokatry ny fanantenana nananany.
11 Atao ahoana no fankalaza an'i Zerobabela izay tahaka ny peratra tombokase teo an-tanan-kavanan'ny Tompo ?
12 Toy izany koa i Jesoa zanakalahin'i Jotsadaky. Fa izy roa lahy ireo tamin'ny androny no nanorina ny tranon'Andriamanitra indray ka nanangana Toeramasina ho an'ny Tompo, dia Toeramasina izay voatendry mba hanam-boninahitra mandrakizay.
13 Ny amin'i Nehemia koa dia lehibe ny fahatsiarovana azy, satria izy no nanangana indray ny manda efa nianjera sy namboatra indray ny vavahady mbamin'ny hidiny ary nanorina indray ny trano fonenantsika.
14 Tsy misy olona tahaka an'i Henoka tamin'ireo noarin'Andriamanitra teto an-tany, fa izy koa dia nofaohina hiala tamin'ity tany ity.
15 Tsy nisy koa lehilahy tahaka an'i Josefa izay mpitarika ny rahalahiny sy tohanain'ny vahoakany, hany ka tamim-panajana tokoa no nitahirizana ny taolambalony.
16 I Sema sy i Seta dia be voninahitra teo amin'ny olona fa i Adama no ambonin'ny zava-miaina rehetra tamin'ny zava-boaarin'Andriamanitra.