JeremiĆ 

Toko 1 Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon'i Jeremia, zanakalahin'i Hilkia isan'ny mpisorona tao Hanatota, tanana iray tamin'ny faritanin'i Benjamina.
Toko 2 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
Toko 3 Hoy ny TOMPO tamiko: Raha misy lehilahy misaraka amin'ny vadiny ka mandao azy ravehivavy mba hanambady olon-kafa, moa mahazo mampody azy indray ve izy? Tsia, fa haloto ny tany. Kanefa ianao, ry Israely, dia efa lehilahy maro no nijangajanganao , hoy ny teny hentitry ny Tompo; ka moa hahazo miverina amiko indray ve ianao?
Toko 4 "Raha hiverina ianao, ry Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia mahazo miverina amiko. Raha esorinao tsy ho hitan'ny masoko ireo sampinao maharikoriko, dia tsy hirenireny intsony ianao.
Toko 5 Mandehana mivezivezy eny an-dalamben'i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin'ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok'i Jerosalema.
Toko 6 Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekoa ny anjomara, manaova tsangan'afo ao Bety-Kerema, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.
Toko 7 Nisy baiko avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremia ka nandidy azy
Toko 8 "Amin'izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ireo mpanjakan'i Joda sy ny an'ireo lehibeny, ny taolan'ireo mpisorona sy ny an'ireo mpaminany ary ny an'ireo mponina tao Jerosalema,
Toko 9 Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan'ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.
Toko 10 Mihainoa ny hafatra izay nambaran'ny TOMPO momba anareo, ry olon'i Israely.
Toko 11 Izao no hafatra avy amin'ny TOMPO nampitondraina an'i Jeremia:
Toko 12 TOMPO o, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony hifandahatra aminao aho. Nefa ny amin'ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana omban'ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?
Toko 13 Izao no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Mandehana mividy fehikibo rongony ho anao ka afehezo ny kibonao izany, nefa aza alona rano."
Toko 14 Tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia noho ny hain-tany.
Toko 15 Ary hoy ny TOMPO tamiko: -Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko , dia tsy handefitra amin'ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!
Toko 16 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
Toko 17 "Ny fahotan'ireo vahoakan'i Joda dia voasoratra tamin'ny vy na diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin'ny vato fisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron'ny alitarany ;
Toko 18 Nisy baiko avy amin'ny TOMPO ho an'i Jeremia nanao hoe:
Toko 19 Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremia: "Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin'ny mpanefy tanimanga, dia maka loholona avy amin'ny vahoaka ary loholona avy amin'ny mpisorona hiaraka aminao.
Toko 20 Ary i Pasehora, zanakalahin'i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon'ny TOMPO, dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo hafatra ireo.
Toko 21 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ho an'i Tsedekia mpanjaka. Fa nirahin'ny mpanjaka hankany amin'i Jeremia i Pasehora zanakalahin'i Malkia ary koa i Tsefania mpisorona sady zanakalahin'i Mahaseia mba hangataka aminy hoe:
Toko 22 Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremia: "Midina any an-dapan'ny mpanjakan'i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity
Toko 23 Lozanareo mpitarika ny vahoakako, hoy ny teny hentitry ny TOMPO,fa mpiandry ratsy mamela ny andian'ondry ho reraka sy hihahaka ianareo.
Toko 24 Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan'ny tempoliny. Taorian'ny nitondran'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona an'i Jekonia, zanakalahin'i Joiakima sady mpanjakan'i Joda, sy ireo mpifehy an'i Joda mbamin'ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilona no nisehoan'izany.
Toko 25 Nisy hafatra azon'i Jeremia ho an'ny vahoaka rehetra ao Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnetsara, mpanjakan'i Babilona.
Toko 26 Vao niandoha ny fanjakan'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , dia nisy teny avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremia nanao hoe:
Toko 27 Tamin'ny fiandohan'ny nanjakan'i Tsedekia , zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda, dia nisy teny avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremia nanao hoe:
Toko 28 Tamin'iny taona iny ihany, izany hoe ny taona fahefatra nanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda, andro iray tamin'ny volana fahadimy , dia nankao an-tranon'ny TOMPO i Hanania mpaminany, zanakalahin'i Hazora sady avy any Gibehona. Niteny tamin'i Jeremia teo imason'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra teo izy, ka nanao hoe:
Toko 29 Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremia mpaminany ho an'ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin'ireo vahoaka rehetra izay nentin'i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilona. Ny nandefasana io taratasy io
Toko 30 Nisy baiko tamin'i Jeremia, dia baiko avy amin'ny TOMPO nanao hoe:
Toko 31 Rehefa tonga izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho Andriamanitry ny foko israelita rehetra Aho, ary izy ho vahoakako.
Toko 32 Nisy torolalana avy amin'ny TOMPO ho an'i Jeremia tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona.
Toko 33 Fa raha mbola voatana teo an-kianjan'ny trano fiambenana i Jeremia, dia nisy indray tenin'ny TOMPO fanindroany taminy nanao hoe:
Toko 34 Niady tamin'i Jerosalema sy ireo tananan'i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, niaraka tamin' ny tafiny rehetra sy ny miaramilan'ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin'ny vahoaka rehetra teo ambany fahefany. Tamin'izany no tonga ho an'i Jeremia avy amin'ny TOMPO izao teny manaraka izao:
Toko 35 Tamin'ny andron'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , dia tonga ho an'i Jeremia avy amin'ny TOMPO izao teny izao:
Toko 36 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , no tonga tamin'i Jeremia izao teny avy tamin'ny TOMPO izao nanao hoe:
Toko 37 Ary i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona nampanjaka an'i Tsedekia, zanakalahin'i Josia tao Joda mba hisolo an'i Konia , zanakalahin'i Joiakima.
Toko 38 I Sefatia zanakalahin'i Matana sy i Gedalia zanakalahin'i Pasehora sy i Jokaly zanakalahin'i Selemia ary i Pasehora zanakalahin'i Malkia dia samy nandre ny teny nolazain'i Jeremia tamin'ny olona rehetra nanao hoe:
Toko 39 Tamin'ny volana fahafolo , taona fahasivy nanjakan'i Tsedekia mpanjakan'i Joda, dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano ny tananan'i Jerosalema.
Toko 40 Ary tonga tamin'i Jeremia indray ny teny avy amin'ny TOMPO taorian'ny namotsoran'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina azy hiala tao Rama. Fa nigadra niaraka tamin'ny olon'i Jerosalema sy ny olon'i Joda izay efa hoentin-kobabo any Babilona i Jeremia.
Toko 41 Kanjo tamin'ny volana fahafiton'io taona io ihany dia tonga tany amin'i Gedalia tao Mitsepa, niaraka tamin'ny olona folo lahy i Jismahela, zanakalahin'i Netania sy zafikelin'i Elisama; fianakavian'ny mpanjaka io Jismahela io sady anisan'ny manamboninahiny. Koa raha mbola teo am-pihinanana niaraka tamin'i Gedalia iny indrindra,
Toko 42 Tamin'izay ireo rehetra mpifehy ny andia-miaramila, indrindra i Johanana zanakalahin'i Karea sy i Hazaria zanakalahin'i Hosaia, ary koa ny vahoaka rehetra teo na kely na lehibe,
Toko 43 Rehefa tapitra voalazan'i Jeremia avokoa tamin'ny vahoaka rehetra teo ny tenin'ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy ho lazainy aninkeheo,
Toko 44 Nisy hafatra tonga tamin'i Jeremia ho an'ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tananan'i Migdola sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin'ny faritanin'i Patrosa. Ka hoy i Jeremia taminy:
Toko 45 Fony i Baroka zanakalahin'i Neria nanao an-tsoratra ny hafatra izay notononin'i Jeremia , dia taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda tamin'izay; ka hoy ny teny nataon'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka:
Toko 46 Hafatra izay nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany momba ireo firenen-kafa.
Toko 47 Hafatry ny TOMPO izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany momba ny Filistinina , talohan'ny hamelezan'ny Farao an'i Gaza.
Toko 48 Fanambarana ny amin'i Moaba. Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Loza ity manjo ny tananan'i Nebao, fa rava! Ketraka i Kiriataima, fa azo : ketraka izany tanana mimanda izany, fa mirodana!
Toko 49 Fanambarana momba ny Hamonita. Izao no lazain'ny TOMPO: "Nahoana ny andriamanitra Milkoma no naka ny tanin'i Gada ho fananany? Ary nahoana ny Hamonita no monina ao amin'ny tanana israelita? Tsy manan-janakalahy va i Israely mba ho afa-kandova izany?"
Toko 50 Hafatra nataon'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany ho an'i Babilona sy i Babilonia.
Toko 51 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an'i Babilona sy hamely ny mponina ao aminy.
Toko 52 Feno 21 taona i Tsedekia fony tonga mpanjakan'i Joda; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala zanakavavin'i Jeremia avy ao Libna.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0463