Jeremià
Toko faha-26
1 Vao niandoha ny fanjakan'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda , dia nisy teny avy amin'ny TOMPO tonga tamin'i Jeremia nanao hoe:2 "Izao no voalazan'ny TOMPO: mijoroa eo an-kianjan'ny tranoko ianao ary mitenena amin'ny olona rehetra mponin'ireo tananan'i Joda ka tonga hivavaka ao. Avereno aminy avokoa ny teny nasaiko hambaranao aminy, ka aza anesorana na kely aza.
3 Angamba hihaino ihany izy, ka hiala amin'ny fitondrantena ratsy. Mihevitra ny hamely azy amin'ny loza Aho noho ny ratsy fanaony, nefa tsy hampihariko izany raha mihaino izy.
4 Koa ambarao azy fa izao nolazain'ny TOMPO: Mihainoa Ahy ianareo ka araho ny lalana izay nomeko anareo;"
5 ary mihainoa ny tenin'ireo mpaminany mpanompoko. Tsy nitsahatra naniraka azy taty aminareo Aho, nefa tsy nihaino azy ianareo.
6 Fa raha tsy mihaino ianareo, dia horavako tahaka ny nandravako ilay tao Silao ity trano ity ; ary ny tananan'i Jerosalema dia hataoko oha-panozonana any amin'ny firenena rehetra eran-tany."
7 Ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra teo dia samy nahare an'i Jeremia nanambara ireo teny ireo tao an-tranon'ny TOMPO.
8 Koa rehefa tapitra voalazan'i Jeremia ny teny rehetra izay nasain'ny TOMPO nambarany tamin'ny besinimaro teo, dia nosamborin'izy rehetra i Jeremia ka nataony hoe:-Mendrika ho faty ianao.
9 Ahoana no ahasahianao milaza amin'ny anaran'ny TOMPO fa ho ravana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanana ity?Tamin'izay dia nitangorona hamely an'i Jeremia izay rehetra teo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO.
10 Nony ren'ireo mpitondran'i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan'ny mpanjaka hankao an-tranon'ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'ny TOMPO.
11 Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin'ny mpitondran'i Joda ary koa tamin'ny vahoaka rehetra teo:-Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanana ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.
12 Fa namaly ny mpitondra sy ny vahoaka rehetra teo i Jeremia ka nanao hoe:-Ny TOMPO no naniraka ahy hanambara ny hamelezana ity trano ity sy ity tanana ity araka izay efa renareo teo.
13 Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin'ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.
14 Ary raha ny tenako dia indro eo am-pelatananareo; ka ataovy amiko izay heverinareo ho tsara sy mahitsy.
15 Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr'izany ianareo sy ny mponina rehetra amin'ity tanana ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankaty aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.
16 Tamin'izay dia hoy ireo mpitondra sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany hoe:-Tsy mendrika ho faty ity lehilahy ity fa tamin'ny anaran'ny TOMPO Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
17 Nisy nitsangana aza ny loholona ka niteny tamin'ny vahoaka vory teo hoe:
18 -Tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mika avy any Moreseta. Niteny tamin'ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe:Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiona, ho tonga ko
19 Moa nampamono azy ho faty va i Hezekia mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony Azy. Koa tsy nampiharin'ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an'ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.
20 Nisy mpaminany iray hafa koa niteny tamin'ny anaran'ny TOMPO, dia i Oria zanakalahin'i Semahia sady avy any Kiriata-Jeharima. Nanambara ny hamelezana an'i Jerosalema sy ny tanin'i Joda koa izy tahaka ny hafatra rehetra efa nataon'i Jeremia.
21 Fa raha nandre ny tenin'i Oria i Joiakima mpanjaka sy ireo mpiambina azy ary ny mpitondra rehetra, dia nitady hahafaty azy. Ren'i Oria izany, dia natahotra izy ka nandositra tany Ejipta.
22 Fa i Joiakima mpanjaka naniraka an'i Elnatana zanakalahin'i Akbora mbamin'ny lehilahy vitsivitsy hankany Ejipta.
23 Koa nalain'ireo avy any Ejipta i Oria ary nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin'ny fasam-bahoaka ny fatiny.
24 Fa i Jeremia kosa narovan'i Ahikama zanakalahin'i Safana ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan'ny vahoaka mba hovonoina ho faty.