Jeremià

Toko faha-48

1 Fanambarana ny amin'i Moaba. Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Loza ity manjo ny tananan'i Nebao, fa rava! Ketraka i Kiriataima, fa azo : ketraka izany tanana mimanda izany, fa mirodana!

2 Tsy misy intsony ny reharehan'i Moaba! Hamelezana an'i Hesbona no nanaovana teti-dratsy hoe: "Andeha ho foanantsika tsy ho firenena intsony izy!" Ringana koa ianao, ry Madmena, fa manjohy anao ny ady.

3 Misy feo miantso vonjy avy any Horonaima: fandravana sy fandringanana goavana moa izao!

4 Potika i Moaba; ka hatrany Tsohara no andrenesana ny antso vonjy ataony.

5 Mitomany ny sisa velona miakatra ny fiakaran'i Lohita. Re hatrany am-pidinan'i Horonaima ny kiakiaka ateraky ny fandringanana hoe:

6 Mandosira, vonjeo ny ainareo; ary mijanona any an-taniefitra toy ny borikidia ianareo.

7 Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Moaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemosy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.

8 Mitety ny tanana rehetra ireo mpandrava; ary tsy misy tanana hidifiany. Simba avokoa ny lohasaha ary ripaka ny lembalemba. Izany no voalazan'ny TOMPO.

9 Anangano fasana i Moaba, satria ho rava tokoa izy. Ho lao ireo tananany, ka tsy hisy mponina intsony.

10 Ho voaozona anie izay manao tsirambina ny asa nampanaovin'ny TOMPO azy; eny, ho voaozona anie izay misakana ny sabany tsy handatsa-dra!

11 "Tsy mba niaina tamin'ahiahy i Moaba hatry ny fony izy mbola kely, ary tsy mbola nentina ho babo mihitsy. Nandry feizay am-pilaminana izy toy ny divay niotrika hitsihan'ny faikany ary tsy mbola naidina nafindra siny ka mitana tsiro sady tsy miova hanitra.

12 Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, tonga ny andro izay handefasako olona mba hamindra siny azy. Hatotongany ho foana ny sinibe fitoeran-divay sady ho torotoroiny.

13 Ho diso fanantenana i Moaba amin'i Kemosy andriamaniny tahaka ny nahadiso fanantenana an'i Israely avaratra tamin'ny andriamanitr'i Betela izay nianteherany.

14 Ry olon'i Moaba, ahoana no itenenanareo hoe: ""Lehilahy matanjaka izahay sady miaramila mahery an'ady""?"

15 Mananika ny tanananareo ilay mpandrava an'i Moaba, ka nampidina ho amin'ny famonoana ireo zatovonareo voafantina. Izany no teny hentitra ataon'ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe "TOMPOn'izao rehetra izao."

16 Akaiky ho tonga ny loza hanjo an'i Moaba, ary ho avy haingana ny fahoriany.

17 Koa ianareo rehetra mpifanila aminy sady mahalala ny lazany dia manehoa fiaraha-miory ka manaova hoe: "Ahoana no nahapotika ity hery mazana sy ity fahefana be voninahitra ity?"

18 Ry mponina mahonena ao Dibona, midina avy eo amin'ny toeram-boninahitrareo ka mitoera ao anaty fako ianareo, satria miakatra hanafika anareo ilay mpandrava an'i Moaba ka mandrodana ny mandanareo.

19 Ry mponina ao Harohera, mijoroa eny an-dalambe ka miambena. Anontanio ireo nandositra sy izay sisa avotra hoe: "Inona no zavatra niseho?"

20 -Menatra sy ketraka i Moaba, hoy ny navalin'ireo. Manaova antsoantso sy kiakiaka; ambarao amin'ny faritra amoron'i Arnona fa rava i Moaba.

21 Tonga ny fitsaran'ny TOMPO ka mamely ny faritra lembalemba sy ireto tanana ireto: i Holona sy i Jahatsa sy i Mefahata,

22 i Dibona sy i Nebao sy i Bety-Diblataima,

23 i Kiriataima sy i Bety-Gamola sy i Bety-Mehona

24 ary i Keriota sy i Botsera. Koa iharan'izany avokoa ny tanan-dehibe rehetra amin'ny tanin'i Moaba na ny lavitra na ny akaiky.

25 Lefy ny herin'i Moaba ary potika ny fahefany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

26 Nihevitra ho lehibe noho ny TOMPO i Moaba ka ataovy mamon'ny divainy sy mihosina amin'ny loany, ary ho tonga fihomehezana.

27 Tsarovy, ry Moaba, fa efa nataonao fihomehezana i Israely. Toy ny mpangalatra azo no niheveranao azy, ka mihifikifi-doha maneso ianao isaky ny miresaka azy.

28 Ilaozy ny tanananareo, ry mponin'i Moaba, ka mitoera eny amin'ny harambato. Aoka ianareo hanahaka ny voromahailala izay manao akany eny am-pitan'ny hantsana.

29 Efa renay ny avonavon'i Moaba, izay fatra-piaingitraingitra loatra. Efa renay ny fireharehany mihoa-pampana sy ny avonavony amam-piaingitrainginy ary ny fizahozahoan'ny toe-tsainy.

30 Fantatro ny fianjonanjony sy ny fibedibediny foana, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; tsinontsinona izay ataony.

31 Noho izany dia hanao fitarainana noho ny amin'i Moaba aho, ka hiantso vonjy ho an'ny fireneny manontolo ary hitoloko noho ny amin'ny mponin'i Kira-Heresa.

32 Mihoatra noho ny fitomanian'ny mponina tao Jahizera no itomaniako anao, ry voly voaloboka any Sibma, fa ny sampanao nandadilady hatrany ampitan'ny Ranomasina Maty ka tafapaka hatrany Jahizera. Kinanjo ilay mpandrava nandripaka ny fiotazanao sy ny fijinjanao.

33 Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan'i Moaba. Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ary noritiko ny divay tao anaty barika; foana hatreo ny akoram-pifaliana.

34 Miantso vonjy ny olon'i Hesbona ka re hatrany Elehale. Eny, re hatrany Jahatsa ny feony; ary ny antso avy ao Tsohara dia tonga hatrany Horonaima sy Heglata-Selisia, satria ho ritra ihany koa na dia ny ranon'i Nimrima aza.

35 Hofoanako tsy hisy ao Moaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ireo miakatra amin'ny toeram-panasinana hanao sorona sy handoro zava-manitra mifangaro ho an'ny andriamaniny.

36 Izany no hanaovan'ny foko toloko ho an'i Moaba sy ny olon'i Kira-Heresa, dia toloko miendrika feon-tsodina, satria very ny harena azony.

37 Samy nanety ny volon-dohany sy nanaratra ny volom-bavany avokoa ny lehilahy rehetra, sady nitetitetika ny tanany sy nitafy gony ho fisaonana.

38 Tsy misy afa-tsy hira fitomaniana no re eny an-tampon-trano rehetra ao Moaba sy eny an-kianja.-"Nopotehiko toy ny fanaka tsy ilaina i Moaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO."

39 -Manaova hira fisaonana hoe: "Andray ity hakivian'i Moaba! Henatra moa izao fa niamboho ady izy." Hanjary fihomehezana sy fampitahorana ho an'ireo firenena rehetra manodidina azy i Moaba.

40 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro toy ny misy voromahery manidina ka mikopaka elatra mipaoka an'i Moaba."

41 Azon'ny fahavalo ireo tanana, azony ny toera-mimanda. Ary amin'izany andro izany na dia ireo miaramila maherifon'i Moaba aza, dia manaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza.

42 Ringana i Moaba ka tsy ho firenena intsony satria nihevi-tena ho lehibe noho ny TOMPO.

43 "Fampihorohoroana sy longoa ary fandrika harato no miandry anareo, ry mponin'i Moaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

44 Izay mandositra noho ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao anatin'ny longoa; ary izay tafakatra avy ao amin'ny longoa dia ho voan'ny fandrika harato. Izany no hampihariko amin'i Moaba rehefa migadona ny taona hamaliako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

45 Mitady fialokalofana ao Hesbona ireo mpandositra efa tena reraka. Kinanjo misy afo mipoitra avy ao Hesbona; eny, misy lelafo mivoaka avy ao an-dapan'ny mpanjakan'i Sihona , ka handevona an'i Moaba tanin'ireo mpitabataba ireo na ny faritra misolampy na ny lembalemba.

46 Loza ity mahazo anao, ry Moaba! Very ianareo, ry vahoakan'i Kemosy, satria samy nentina ho babo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy.

47 Kanefa indray andro any kosa i Moaba dia mbola haveriko amin'ny laoniny indray, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an'i Moaba."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0978