Jeremià

Toko faha-6

1 Mandosira faingana hiala ao Jerosalema, ianareo Benjaminita, mba hitady fialofana any an-kafa. Tsofy ao Tekoa ny anjomara, manaova tsangan'afo ao Bety-Kerema, satria misy loza sy fandringanana goavana mipoitra avy any avaratra.

2 Indro rava ianao ry Tsiona, tanana tsara tarehy sy miaingitraingitra!

3 Fa tonga hatrany aminao ny olona tahaka ny mpiandry ondry sy ny andian'ondriny. Manangana toby manodidina hamelezana anao izy ka mitondra ny andian-tafiny amin'ny tandrify azy.

4 Miantsoantso ireo hoe: "Ndao hotafihina izy! Mitsangana isika mba haka azy an-keriny amin'ny mitatao vovona! Indrisy, efa mihilana ny andro ary efa mandroso aloka ny hariva!

5 Mitsangana isika mba haka azy an-keriny amin'ny alina; aoka ho ravantsika ireo lapany tsara tarehy!"

6 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao amin'ireto mpanafika an'i Tsiona: "Mikapa hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an'i Jerosalema. "Iharan-tsazy io tanana io fa feno fampahoriana ao aminy.

7 Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.

8 Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanana lao sy tany tsy honenana.

9 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Tangosy hatramin'ny farany toy ny fitango voaloboka ireo olona sisa amin'i Israely; averimbereno eny amin'ny rantsany madinika toy ny an'ny mpioty voaloboka ny tananao!"

10 Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baraka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamaminy.

11 Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. "Afafazo amin'ny ankizy eny an-dalambe sy amin'ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy ho samborina avokoa.

12 Ho lasan'olon-kafa ny tranony sy ny sahany ary ny vadiny , satria hahinjitro ny tanako hamely ny mponina amin'ny tany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

13 Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.

14 Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan'ny vahoakako tamin'ny nilazany hoe: "Fiadanana, fiadanana!"; kanjo tsy nisy fiadanana akory !

15 Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan'ireo ho lavo izy; ka amin'ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin'ny tany.

16 Izao no lazain'ny TOMPO: Mijanona eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin'ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: "Tsy hanaraka izahay!"

17 Nametrahako mpitily teo aminy, hampaneno ny anjomara fanairana. Kanefa hoy izy hoe: "Tsy ahoanay izany!"

18 Koa henoy ary izao, ry firenen-kafa, fantaro tsara izay hanjo azy.

19 Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an'io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.

20 Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Saba sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorana manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.

21 Koa izao no lazain'ny TOMPO: Hasiako zava-mahasolafaka eo anoloan'ity firenena ity; ka samy ho solafaka sy ho faty eo na ny raiamandreny na ny zanany na ny namany sy ny mpiara-monina aminy."

22 Izao no lazain'ny TOMPO: "Indro misy vahoaka tonga avy any amin'ny tany avaratra , dia firenen-dehibe iray miainga avy any am-paran'ny tany.

23 Mampirangaranga tsipika sy lefona ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindrafo. Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony. Mitaingin-tsoavaly izy ary milahatra toy ny andian-tafika hiady mba hamely anao, ry Tsiona."

24 "Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalambe fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza."

26 Ry vahoakako, misikina lamba fisaonana ka mihosena amin'ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin'ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa tonga tampoka ny fahavalo mpandringana.

27 Hataoko toy ny misedra vy ianao, ry Jeremia, mba hizaha toetra ny vahoakako: hofantarinao sy hotombananao ny fitondrantenany.

28 Mpikomy maditra avokoa izy rehetra, ka mandehandeha manaratsy; mafy fo noho ny vy na ny halimo izy, ary samy mpanao ratsy avokoa.

29 Efa sempotra dia sempotra ny tafoforana, ka tokony ho levona ny firaka noho ny hafanana; nefa very maina ny nandrendrehana ny volafotsy fa tsy mety miala ny taindrendrika.

30 Volafotsy tsy misy ilana azy no ilazana ireny olona ireny, satria tsy ilain'ny TOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575